< Salamo 128 >

1 Fihirana fiakarana. 2 Fa hohaninao tokoa ny asan’ ny tananao; Sambatra sady ambinina ianao. 3 Ny vadinao dia tahaka ny voaloboka mahavokatra Ao anatin’ ny tranonao; Ny zanakao dia tahaka ny zanak’ oliva Manodidina ny latabatrao. 4 Indro, fa toy izany no hitahiana Izay lehilahy matahotra an’ i Jehovah. 5 Hitahy anao avy any Ziona anie Jehovah; Ary ho faly hahita ny fahasoavan’ i Jerosalema anie ianao Amin’ ny andro rehetra hiainanao. 6 Eny, hahita ny zafinao anie ianao; Fiadanana anie ho amin’ ny Isiraely.

< Salamo 128 >