< Salamo 129 >

1 Fihirana fiakarana. 2 Mafy no nampahoriany ahy hatry ny fony aho mbola tanora; Nefa tsy naharesy ahy izy. 3 Ny mpiasa dia niasa ny lamosiko; Efa nanalava ny vavasany izy. 4 Marina Jehovah: Efa nanapaka ny famatorana nataon’ ny ratsy fanahy Izy. 5 Aoka ho menatra sy hiamboho Izay rehetra mandrafy an’ i Ziona 6 Ka ho tahaka ny ahitra eo an-tampon-trano. Izay malazo, na dia tsy misy manongotra azy aza; 7 Tsy misy mpijinja mameno tanana Na mpamehy amboara mameno tratra amin’ izany; 8 Ka dia tsy hisy mpandalo hanao hoe: Hotahin’ i Jehovah anie ianareo; Eny, ny anaran’ i Jehovah no itsofanay rano anareo.

< Salamo 129 >