< Salamo 113 >

1 Haleloia. Miderà, ianareo mpanompon’ i Jehovah, Miderà ny anaran’ i Jehovah.
Хвалите, слуге Господње, хвалите име Господње,
2 Isaorana anie ny anaran’ i Jehovah Hatramin’ izao ka ho mandrakizay.
Да буде име Господње благословено одсад и довека.
3 Hatramin’ ny fiposahan’ ny masoandro ka hatramin’ ny filentehany No hoderaina anie ny anaran’ i Jehovah.
Од истока сунчаног до запада да се слави име Господње.
4 Avo ambonin’ ny jentilisa Jehovah; Ambonin’ ny lanitra ny voninahiny.
Узвишен је над свима народима Господ; сврх небеса је слава Његова.
5 Iza no tahaka an’ i Jehovah Andriamanitsika, Izay mipetraka any amin’ ny avo,
Ко је као Господ, Бог наш, који седи на висини;
6 Nefa miondrika mijery Ny any an-danitra sy ny etỳ an-tany?
Који се сагиба да види шта је на небесима и на земљи;
7 Manangana ny malahelo hiala amin’ ny vovoka Izy Ary manandratra ny mahantra ho afaka eo amin’ ny zezika,
Који из праха подиже убогога, и из кала узвишује ништега;
8 Mba hametraka azy ho naman’ ny mpanapaka ny olony.
И посађује га с кнезовима, с кнезовима у народу његовом;
9 Mampitoetra tsara ny momba Izy, Fa mahatonga azy ho renin-jaza mifaly. Haleloia.
Од нероткиње насељава кућу, учинивши је радосном мајком синовима. Алилуја!

< Salamo 113 >