< Salamo 107 >

1 Miderà an’ i Jehovah, fa tsara Fa mandrakizay ny famindram-pony.
Célébrez Yahweh, car il est bon, car sa miséricorde est éternelle.
2 Aoka hanao izany ny navotan’ i Jehovah, Dia izay navotany ho afaka tamin’ ny tanan’ ny fahavalo,
Qu’ainsi disent les rachetés de Yahweh, ceux qu’il a rachetés des mains de l’ennemi,
3 Sy nangoniny avy tany amin’ ny tany maro, Dia avy tany atsinanana sy andrefana ary tany avaratra sy tany amin’ ny ranomasina.
et qu’il a rassemblés de tous les pays, de l’orient et de l’occident, du nord et de la mer!
4 Nirenireny tany an-efitra ireny ka nanavatsava tany an-tany foana, Ary tsy nahita tanàna honenana.
Ils erraient dans le désert, dans un chemin solitaire, sans trouver une ville à habiter.
5 Noana sy nangetaheta izy, Sady reraka ny ainy tao anatiny,
En proie à la faim, à la soif, ils sentaient leur âme défaillir.
6 Dia nitaraina tamin’ i Jehovah ireo, raha ory, Ka novonjeny tamin’ ny fahatereny;
Dans leur détresse, ils crièrent vers Yahweh, et il les délivra de leurs angoisses.
7 Dia nitondra azy tamin’ ny lalana mahitsy Izy, Mba hankanesany any amin’ izay tanàna honenana.
Il les mena par le droit chemin, pour les faire arriver à une ville habitable.
8 Aoka hidera an’ i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin’ ny zanak’ olombelona!
Qu’ils louent Yahweh pour sa bonté, et pour ses merveilles en faveur du fils de l’homme.
9 Fa mahafa-po ny fanahy mangetaheta Izy, Ary ny fanahy noana dia vokisany soa.
Car il a désaltéré l’âme altérée, et comblé de biens l’âme affamée.
10 Izay nipetraka tao amin’ ny maizina sy ny aloky ny fahafatesana, Voafato-pahoriana sy vy,
Ils habitaient les ténèbres et l’ombre de la mort, prisonniers dans la souffrance et dans les fers.
11 Satria nandà ny tenin’ Andriamanitra Sady naniratsira ny anatry ny Avo Indrindra;
Parce qu’ils s’étaient révoltés contre les oracles du Dieu, et qu’ils avaient méprisé le conseil du Très-Haut,
12 Dia nampietreny tamin’ ny fahoriana ny fony; Ka potraka izy, nefa tsy nisy hamonjy;
il humilia leur cœur par la souffrance; ils s’affaissèrent, et personne ne les secourut.
13 Dia nitaraina tamin’ i Jehovah ireo, raha ory, Ka novonjeny tamin’ ny fahatereny.
Dans leur détresse, ils crièrent vers Yahweh, et il les sauva de leurs angoisses.
14 Nitondra azy nivoaka avy tao amin’ ny maizina sy ny aloky ny fahafatesana Izy, Ary notosany ny fatorany.
Il les tira des ténèbres et de l’ombre de la mort, et il brisa leurs chaînes.
15 Aoka hidera an’ i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin’ ny zanak’ olombelona!
Qu’ils louent Yahweh pour sa bonté, et pour ses merveilles en faveur des fils de l’homme.
16 Fa nanorotoro ny varavarana varahina Izy, Ary ny hidy vy nohenteriny.
Car il a brisé les portes d’airain et mis en pièces les verrous de fer.
17 Mitondra fahoriana ny adala noho ny fahadisoany sy ny helony:
Les insensés! par leur conduite criminelle, et par leurs iniquités, ils avaient attiré sur eux la souffrance.
18 Nahamonamonaina azy ny hanina rehetra; Ary nanakaiky ny vavahadin’ ny fahafatesana izy.
Leur âme avait en horreur toute nourriture, et ils touchaient aux portes de la mort.
19 Dia nitaraina tamin’ i Jehovah ireo, raha ory, Ka novonjeny tamin’ ny fahatereny.
Dans leur détresse, ils crièrent vers Yahweh, et il les sauva de leurs angoisses.
20 Nandefa ny teniny Izy mba hahasitrana azy Ary nanafaka azy tamin’ ny longoa nianjerany.
Il envoya sa parole et il les guérit, et il les fit échapper de leurs tombeaux.
21 Aoka hidera an’ i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin’ ny zanak’ olombelona!
Qu’ils louent Yahweh pour sa bonté, et pour ses merveilles en faveur des fils de l’homme!
22 Ary aoka hanatitra fanati-pisaorana izy Sy hilaza ny asany amin’ ny fihobiana.
Qu’ils offrent des sacrifices d’actions de grâce, et qu’ils publient ses œuvres avec des cris de joie!
23 Izay midìna any an-dranomasina ka mandeha an-tsambo Sy manao raharaha any amin’ ny rano lehibe
Ils étaient descendus sur la mer dans des navires, pour faire le négoce sur les vastes eaux:
24 No mahita ny asan’ i Jehovah Sy ny fahagagana ataony amin’ ny rano lalina.
— ceux là ont vu les œuvres de Yahweh, et ses merveilles au milieu de l’abîme —
25 Fa niteny Izy ka nanangana rivotra mahery, Izay nampisondrotra ny onjan-drano;
Il dit, et il fit lever un vent de tempête, qui souleva les flots de la mer.
26 Niakatra hatramin’ ny lanitra ny olona, ary nidina hatramin’ ny lalina; Ny fanahiny levona noho ny fahoriana.
Ils montaient jusqu’aux cieux, ils descendaient dans les abîmes; leur âme défaillait dans la peine.
27 Nisangodingodina ireo sady nivembena toy ny mamo, Ka dia very ny sainy rehetra.
Saisis de vertige, ils chancelaient comme un homme ivre, et toute leur sagesse était anéantie.
28 Dia nitaraina tamin’ i Jehovah ireo, raha ory, Ka nampiala azy tamin’ ny fahatereny Izy.
Dans leur détresse, ils crièrent vers Yahweh, et il les tira de leurs angoisses.
29 Nanony ny rivotra mahery Izy, Ka nitsahatra ny onjan-drano.
Il changea l’ouragan en brise légère, et les vagues de la mer se turent.
30 Dia faly ireo, satria nitsahatra izany; Ary nentiny ho amin’ ny fitodiana niriny izy.
Ils se réjouirent en les voyant apaisées, et Yahweh les conduisit au port désiré.
31 Aoka hidera an’ i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin’ ny zanak’ olombelona!
Qu’ils louent Yahweh pour sa bonté, et pour ses merveilles en faveur des fils de l’homme!
32 Ary aoka hanandratra Azy eo amin’ ny fiangonan’ ny olona izy Ka hidera Azy eo amin’ ny fipetrahan’ ny loholona.
Qu’ils l’exaltent dans l’assemblée du peuple, et qu’ils le célèbrent dans le conseil des anciens!
33 Mampody ny ony ho efitra Izy Ary ny loharano ho tany mangentana,
Il a changé les fleuves en désert, et les sources d’eau en sol aride;
34 Ny tany mahavokatra ho tanin-tsira, Noho ny faharatsian’ ny mponina eo.
Le pays fertile en plaine de sel, à cause de la méchanceté de ses habitants.
35 Mampody ny efitra ho rano monina Izy Sy ny tany maina ho loharano,
Il a fait du désert un bassin d’eau, et de la terre aride un sol plein de sources.
36 Ary amponeniny eo izay noana, Mba hanamboatra tanana honenana;
Il y établit les affamés, et ils fondèrent une ville pour l’habiter.
37 Ary hamafy eny an-tsaha izy Sady hanao tanim-boaloboka Ka hahazo vokatra be.
Ils ensemencèrent des champs, et ils plantèrent des vignes, et ils recueillirent d’abondantes récoltes.
38 Dia mitahy azy Izy mba hitomboany betsaka, Ka tsy avelany hihavitsy ny biby fiompiny.
Il les bénit, et ils se multiplièrent beaucoup, et il ne laissa pas diminuer leurs troupeaux.
39 Fa mihakely sy mietry indray izy Noho ny fampahoriana sy ny loza ary ny alahelo.
Ils avaient été réduits à un petit nombre et humiliés, sous l’accablement du malheur et de la souffrance.
40 Mampidina fanamavoana amin’ ny mpanapaka Jehovah Ka mampirenireny azy any an-efitra tsy misy lalana;
Il avait répandu la honte sur leurs princes, il les avait fait errer dans des déserts sans chemins.
41 Fa manandratra ny malahelo ho afa-pahoriana kosa Izy, Ka mahamaro mianakavy azy toy ny ondry andiany.
Mais il a relevé le malheureux de la misère, et il a rendu les familles pareilles à des troupeaux.
42 Hahita izany ny marina ka ho faly; Fa hihombom-bava kosa ny ratsy fanahy rehetra.
Les hommes droits le voient et se réjouissent, et tous les méchants ferment la bouche.
43 Izay hendry dia aoka hahafantatra izany Ka hahalala ny famindram-pon’ i Jehovah.
Que celui qui est sage prenne garde à ces choses, et qu’il comprenne les bontés de Yahweh!

< Salamo 107 >