< Mika 6 >

1 Masìna ianareo, mihainoa izay lazain’ i Jehovah: Mitsangàna, mandahara eo anoloan’ ny tendrombohitra, Ary aoka ho ren’ ny havoana ny feonao.
以色列人哪,當聽耶和華的話! 要起來向山嶺爭辯, 使岡陵聽你的話。
2 Mihainoa ny adin’ i Jehovah ianareo, ry tendrombohitra, Sy ianareo, ry fanorena-matezan’ ny tany; Fa Jehovah manana ady amin’ ny olony, Eny, amin’ ny Isiraely no ifandaharany.
山嶺和地永久的根基啊, 要聽耶和華爭辯的話! 因為耶和華要與他的百姓爭辯, 與以色列爭論。
3 Ry oloko, inona no nataoko taminao? Inona no nanasarako anao? Tondroy maso ary Aho.
我的百姓啊,我向你做了甚麼呢? 我在甚麼事上使你厭煩? 你可以對我證明。
4 Fa nentiko niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta ianao Sady navotako avy tao amin’ ny trano nahandevozana: Dia nirahiko hitarika anao Mosesy sy Arona ary Miriama.
我曾將你從埃及地領出來, 從作奴僕之家救贖你; 我也差遣摩西、亞倫,和米利暗在你前面行。
5 Ry oloko, mba tsarovy ny saina nataon’ i Balaka, mpanjakan’ i Moaba, Sy izay navalin’ i Balama, zanak’ i Beora, azy, Ary izay natao hatrany Sitima ka hatrany Gilgala, Hahafantaranareo ny asa marina nataon’ i Jehovah.
我的百姓啊,你們當追念摩押王巴勒所設的謀 和比珥的兒子巴蘭回答他的話, 並你們從什亭到吉甲所遇見的事, 好使你們知道耶和華公義的作為。
6 Inona no ho entiko manatona an’ i Jehovah Sy miondrika eo anatrehan’ Andriamanitra Izay any amin’ ny avo? Hanatona Azy mitondra fanatitra dorana Sy ny ombilahy kely iray taona va aho?
我朝見耶和華, 在至高上帝面前跪拜,當獻上甚麼呢? 豈可獻一歲的牛犢為燔祭嗎?
7 Ho sitrak’ i Jehovah va ny ondrilahy arivoarivo, Na renirano diloilo iray alina? Hanolotra ny lahimatoako noho ny fahadisoako va aho, Na ny ateraky ny kiboko noho ny fahotan’ ny fanahiko?
耶和華豈喜悅千千的公羊, 或是萬萬的油河嗎? 我豈可為自己的罪過獻我的長子嗎? 為心中的罪惡獻我身所生的嗎?
8 Ry olombelona, efa naseho anao izay tsara Sy izay ilain’ i Jehovah aminao, Dia izao ihany: Ny hanao ny marina sy ny ho tia famindram-po Ary ny hanaraka an’ Andriamanitrao amin’ ny fanetren-tena
世人哪,耶和華已指示你何為善。 他向你所要的是甚麼呢? 只要你行公義,好憐憫, 存謙卑的心,與你的上帝同行。
9 Manaitra ny tanàna ny feon’ i Jehovah, Ary mahita ny anaranao ny hendry; Henoinareo ny tsorakazo sy Izay nanendry azy.
耶和華向這城呼叫, 智慧人必敬畏他的名。 你們當聽是誰派定刑杖的懲罰。
10 Mbola misy rakitry ny faharatsiana ihany va ao an-tranon’ ny ratsy fanahy Sy ny famarana tsy ampy izay voaozona?
惡人家中不仍有非義之財 和可惡的小升斗嗎?
11 Mety madio va aho, raha manana mizana mandainga Sy kitapo misy vato tsy marina?
我若用不公道的天平和囊中詭詐的法碼, 豈可算為清潔呢?
12 Fa feno loza ny mpanankarenany, Mandainga ny mponina ao aminy, Ary ny lelany dia fitaka eo am-bavany.
城裏的富戶滿行強暴; 其中的居民也說謊言, 口中的舌頭是詭詐的。
13 Izaho kosa dia hikapoka maharary anao Amin’ ny fandringanako anao noho ny helokao.
因此,我擊打你, 使你的傷痕甚重, 使你因你的罪惡荒涼。
14 Hianao hihinana, nefa tsy ho voky, Fa mbola ho ao anatinao ihany ny fahanoananao; Hampirina ianao, nefa tsy hahavonjy, Ary izay voavonjinao aza dia hatolotro ho amin’ ny sabatra.
你要吃,卻吃不飽; 你的虛弱必顯在你中間。 你必挪去,卻不得救護; 所救護的,我必交給刀劍。
15 Hiantso hamafy, nefa tsy hijinja; Hianao hanosihosy oliva, nefa tsy hihosotra diloilo, Ary hanosihosy ranom-boaloboka, nefa tsy hisotro divay;
你必撒種,卻不得收割; 踹橄欖,卻不得油抹身; 踹葡萄,卻不得酒喝。
16 Fa fatra-pitandrina ny lalàn’ i Omry Sy ny asan’ ny taranak’ i Ahaba rehetra ianareo Sady manaraka ny fisainany, Mba hanolorako anao ho figagana, Ary ny mponina any ho zavatra mampisitrisitra, Ka dia hitondra ny latsan’ ny oloko ianareo.
因為你守暗利的惡規, 行亞哈家一切所行的, 順從他們的計謀; 因此,我必使你荒涼, 使你的居民令人嗤笑, 你們也必擔當我民的羞辱。

< Mika 6 >