< Mika 5 >

1 Koa mivory ho andiany ianao, ry zanakavavin’ ny andiany! Manao fahirano antsika izy, Mamely tsorakazo ny takolaky ny mpitsaran’ ny Isiraely izy.
成群的民哪,現在你要聚集成隊; 因為仇敵圍攻我們, 要用杖擊打以色列審判者的臉。
2 Fa ianao, ry Betlehema Efrata, Izay kely tsy tokony ho isan’ ny arivon’ i Joda akory, Dia avy ao aminao no hivoahan’ Izay anankiray ho Mpanapaka ho Ahy ao amin’ ny Isiraely; Hatry ny fahagola no efa nivoahany, dia hatrizay hatrizay.
伯利恆的以法他啊, 你在猶大諸城中為小, 將來必有一位從你那裏出來, 在以色列中為我作掌權的; 他的根源從亙古,從太初就有。
3 Koa dia hatolony ireny, Ambara-pihavin’ ny fotoana hiterahan’ izay anankiray hiteraka; Ary izay sisa amin’ ny rahalahiny dia hiverina mbamin’ i ny Zanak’ Isiraely.
耶和華必將以色列人交付敵人, 直等那生產的婦人生下子來。 那時掌權者其餘的弟兄 必歸到以色列人那裏。
4 Ary hitsangana Izy hiandry ny ondriny amin’ ny herin’ i Jehovah. Sy amin’ ny voninahitry ny anaran’ i Jehovah Andriamaniny, Ka handry fahizay ireny, Fa izao dia ho lehibe hatrany amin’ ny faran’ ny tany Izy.
他必起來,倚靠耶和華的大能, 並耶和華-他上帝之名的威嚴, 牧養他的羊群。 他們要安然居住; 因為他必日見尊大,直到地極。
5 Ary Izy no ho fiadanana; Raha tonga eto amin’ ny tanin-tsika ny Asyriana Ka miditra ao amin’ ny tranobentsika, Dia hanangana mpiandry ondry fito sy mpanapaka valo hisakana azy isika.
這位必作我們的平安。 當亞述人進入我們的地境, 踐踏宮殿的時候, 我們就立起七個牧者, 八個首領攻擊他。
6 Ary handany ny tany Asyria amin’ ny sabatra Sy ny tanin’ i Nimroda ao an-tanànany ireo; Ary Izy hamonjy amin’ ny Asyriana, Raha tonga amin’ ny tanintsika sady manitsaka ato amin’ ny fari-tanintsika ireny.
他們必用刀劍毀壞亞述地 和寧錄地的關口。 亞述人進入我們的地境踐踏的時候, 他必拯救我們。
7 Ary izay sisa amin’ i Jakoba ao amin’ ny firenena maro Dia ho tahaka ny ando avy amin’ i Jehovah, Sy tahaka ny ranonorana eny amin’ ny ahitra, Izay tsy manantena mpaniraka, Na miandry zanak’ olombelona.
雅各餘剩的人必在多國的民中, 如從耶和華那裏降下的露水, 又如甘霖降在草上; 不仗賴人力,也不等候世人之功。
8 Ary izay sisa amin’ i Jakoba ao amin’ ny jentilisa, Ao amin’ ny firenena maro, Dia ho tahaka ny liona amin’ ny biby any an’ ala, Sy ho tahaka ny liona tanora ao amin’ ny andian’ ny ondry aman’ osy: Raha mamaky eo izy, dia manitsakitsaka sy mamiravira, ka tsy misy mahavonjy.
雅各餘剩的人必在多國多民中, 如林間百獸中的獅子, 又如少壯獅子在羊群中。 他若經過就必踐踏撕裂, 無人搭救。
9 Aoka haingaina amin’ ny rafilahinao ny tananao, Ary aoka ho ringana ny fahavalonao rehetra.
願你的手舉起,高過敵人! 願你的仇敵都被剪除!
10 Ary amin’ izany andro izany, hoy Jehovah, Dia haringako tsy ho eo aminao intsony ny soavalinao, Ary hofonganiko ny kalesinao,
耶和華說:到那日, 我必從你中間剪除馬匹, 毀壞車輛,
11 Hofoanako ny tanàna amin’ ny taninao, Ary harodako ny tanànanao mimanda rehetra;
也必從你國中除滅城邑, 拆毀一切的保障,
12 Hofoanako tsy hisy amin’ ny tananao ny fankatovanao, Ary tsy hanana mpanandro intsony ianao.
又必除掉你手中的邪術; 你那裏也不再有占卜的。
13 Hofoanako tsy hisy aminao koa ny sampinao voasokitra Sy ny tsangam-baton-tsampinao; Ary tsy hiankohoka eo anatrehan’ ny asan’ ny tananao intsony ianao.
我必從你中間除滅雕刻的偶像和柱像, 你就不再跪拜自己手所造的。
14 Hongotako tsy ho eo aminao ny Aserahanao; Ary horavako koa ny tanànanao.
我必從你中間拔出木偶, 又毀滅你的城邑。
15 Ary ny fahatezerana sy ny fahavinirana no hamaliako ny firenena izay tsy mihaino.
我也必在怒氣和忿怒中向那不聽從的列國施報。

< Mika 5 >