< Marka 14 >

1 Rehefa indroa andro no sisa tsy hahatongavan’ ny Paska, fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia nitady hisambotra an’ i Jesosy tamin’ ny fitaka ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna mba hamonoany Azy.
Ilikuwa siku mbili tu kabla ya sikukuu ya Pasaka na ya Mikate Isiyotiwa Chachu. Makuhani wakuu na walimu wa Sheria walikuwa wakitafuta njia ya kumtia Yesu nguvuni kwa hila wamuue.
2 Nefa hoy izy: Tsy amin’ ny andro firavoravoana, fandrao hampitabataba ny vahoaka.
Lakini walisema, “Tusimtie nguvuni wakati wa sikukuu, watu wasije wakafanya ghasia.”
3 Ary nony tany Betania Jesosy tao an-tranon’ i Simona boka ka nipetraka nihinana, dia avy ny vehivavy anankiray nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra nisy narda saro-bidy indrindra; dia novakiny ny tavoara, ka naidiny tamin’ ny lohan’ i Jesosy ny menaka.
Yesu alikuwa Bethania, nyumbani kwa Simoni, Mkoma. Alipokuwa mezani kula chakula, mama mmoja aliyekuwa na chupa ya alabasta yenye marashi ya nardo safi ya thamani kubwa alikuja, akaivunja hiyo chupa, akammiminia Yesu marashi hayo kichwani.
4 Ary nisy ny sasany tezitra ka nifampilaza hoe: Inona no anton’ izao fandaniam-poana ny menaka manitra izao?
Baadhi ya watu waliokuwa hapo walikasirika wakajisemea, “Kwa nini kupoteza ovyo marashi haya?
5 Fa azo namidy ho lafo tsy omby denaria telon-jato iny menaka manitra iny ka homena ny malahelo. Dia tezitra indrindra tamin-dravehivavy ireo.
Yangaliweza kuuzwa kwa fedha kiasi cha denari mia tatu, wakapewa maskini!” Wakamkemea huyo mama.
6 Fa hoy Jesosy taminy: Avelao izy; nahoana ianareo no mampalahelo azy? Asa soa no nataony tamiko.
Lakini Yesu akawaambia, “Mwacheni; kwa nini mnamsumbua? Amenitendea jambo jema.
7 Fa ny malahelo dia eto aminareo mandrakariva, ary na oviana na oviana no tianareo hanaovana soa aminy, dia mahazo manao ianareo; fa Izaho kosa tsy mba ho eto aminareo mandrakariva.
Maskini mnao daima pamoja nanyi; mnaweza kuwasaidia wakati wowote mnaopenda. Lakini mimi sitakuwapo pamoja nanyi daima.
8 Efa nanao izay azony natao izy: namonjy nanosotra ny tenako hanamboarany Ahy halevina izy.
Yeye amefanya alivyoweza; ameupaka mwili wangu marashi kuutayarisha kwa maziko.
9 Ary lazaiko aminareo marina tokoa: Na aiza na aiza amin’ izao tontolo izao no hitoriana ny filazantsara, dia holazaina koa izao nataon-dravehivavy izao mba ho fahatsiarovana azy.
Nawaambieni kweli, popote ulimwenguni Habari Njema itakapohubiriwa, kitendo hiki alichofanya kitatajwa kwa ajili ya kumkumbuka.”
10 Ary Jodasy Iskariota, ilay isan’ ny roa ambin’ ny folo lahy, dia nankeo amin’ ny lohan’ ny mpisorona hamadika an’ i Jesosy aminy.
Kisha Yuda Iskarioti, mmoja wa wale kumi na wawili, alienda kwa makuhani wakuu ili kumsaliti Yesu.
11 Ary rehefa nandre izany izy ireo, dia faly ka nanaiky hanome vola azy. Ary Jodasy dia nitady izay andro hahazoany mamadika Azy.
Makuhani wakuu waliposikia habari hiyo, walifurahi, wakaahidi kumpa fedha. Basi, Yuda akaanza kutafuta nafasi ya kumsaliti Yesu.
12 Ary tamin’ ny voalohan’ ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, izay famonoana ny Paska, dia hoy ny mpianany taminy: Aiza no tianao halehanay hanamboaranay mba hihinananao ny Paska?
Siku ya kwanza ya sikukuu ya Mikate Isiyotiwa Chachu, wakati ambapo mwana kondoo wa Pasaka huchinjwa, wanafunzi wake walimwuliza, “Wataka tukuandalie wapi karamu ya Pasaka?”
13 Dia naniraka roa lahy tamin’ ny mpianany Izy ka nanao taminy hoe: Mankanesa any an-tanàna, ary hisy lehilahy mitondra siny feno rano hifanena aminareo; dia manaraha azy.
Basi Yesu akawatuma wawili wa wanafunzi wake akiwaambia, “Nendeni mjini, nanyi mtakutana na mtu anayebeba mtungi wa maji. Mfuateni
14 Ary lazao amin’ ny tompon’ ny trano izay hidirany hoe: Izao no lazain’ ny Mpampianatra: Aiza ny efi-trano hiarahako mihinana ny Paska amin’ ny mpianatro?
mpaka katika nyumba atakayoingia, mkamwambie mwenye nyumba, Mwalimu anasema: wapi chumba changu ambamo nitakula Pasaka pamoja na wanafunzi wangu?
15 Ary izy hanoro anareo efi-trano malalaka ambony rihana izay voaisy fipetrahana sady voavoatra tsara; any no amboary ho antsika.
Naye atawaonyesha chumba kikubwa ghorofani kilichotayarishwa na kupambwa. Tuandalieni humo.”
16 Ary ny mpianatra nandeha, dia tonga tany an-tanàna ka nahita araka izay nolazainy taminy; dia namboatra ny Paska izy.
Wanafunzi wakaondoka, wakaenda mjini, wakakuta kila kitu sawa kama Yesu alivyokuwa amewaambia. Wakaandaa karamu ya Pasaka.
17 Ary nony hariva ny andro, dia tonga Izy sy ny roa ambin’ ny folo lahy.
Ilipokuwa jioni, Yesu alifika pamoja na wanafunzi wake kumi na wawili.
18 Ary raha nipetraka nihinana izy, dia hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny anankiray aminareo, dia izay iray miara-mihinana amiko, no hamadika Ahy.
Walipokuwa mezani wakila, Yesu alisema, “Kweli nawaambieni, mmoja wenu anayekula pamoja nami, atanisaliti.”
19 Dia nalahelo izy, ka samy nanontany Azy tsirairay hoe: Izaho va izany?
Hapo wanafunzi wake wakaanza kuhuzunika, wakamwuliza mmojammoja, “Je, ni mimi?”
20 Ary Izy nanao taminy hoe: Izay anankiray amin’ ny roa ambin’ ny folo lahy miara-manatsoboka amiko ao anatin’ ny lovia no izy.
Yesu akawaambia, “Ni mmoja wenu ninyi kumi na wawili, anayechovya mkate pamoja nami katika bakuli.
21 Fa ny Zanak’ olona dia mandeha tokoa, araka ny nanoratana Azy, nefa lozan’ izay olona hahazoana ny Zanak’ olona hatolotra! Tsara ho an’ izany olona izany raha tsy ary akory.
Kweli Mwana wa Mtu anakwenda zake kama Maandiko Matakatifu yanavyosema juu yake; lakini, ole wake mtu yule anayemsaliti Mwana wa Mtu! Ingalikuwa afadhali kwa mtu huyo kama hangalizaliwa!”
22 Ary raha mbola nihinana izy, Jesosy nandray mofo; ka nony efa nisaotra, dia novakiny ka natolony azy ary nataony hoe: Raiso, ity no tenako.
Walipokuwa wanakula, Yesu alitwaa mkate, akashukuru, akaumega na kuwapa wanafunzi wake akisema, “Twaeni; huu ni mwili wangu.”
23 Dia nandray kapoaka Izy, ka nony efa nisaotra, dia natolony azy; ka dia nisotroan’ izy rehetra izany.
Kisha akatwaa kikombe, akamshukuru Mungu, akawapa; nao wote wakanywa katika kikombe hicho.
24 Ary hoy Izy taminy: Ity no rako amin’ ny fanekena, izay alatsaka hamonjy ny maro.
Akawaambia, “Hii ni damu yangu inayothibitisha agano la Mungu, damu inayomwagwa kwa ajili ya watu wengi.
25 Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy mba hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho mandre-pihavin’ ny andro hisotroako izay vaovao any amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra.
Kweli nawaambieni, sitakunywa tena divai ya zabibu mpaka siku ile nitakapoinywa upya katika Ufalme wa Mungu.”
26 Ary rehefa nihira fiderana izy, dia lasa nankany an-tendrombohitra Oliva.
Kisha wakaimba wimbo, wakaondoka, wakaenda katika mlima wa Mizeituni.
27 Ary hoy Jesosy taminy: Ho tafintohina avokoa ianareo rehetra; fa voasoratra hoe: Hamely ny mpiandry Aho, dia hihahaka ny ondry.
Yesu akawaambia wanafunzi wake, “Ninyi nyote mtakuwa na mashaka nami; maana Maandiko Matakatifu yasema: Nitampiga mchungaji nao kondoo watatawanyika.
28 Fa rehefa mitsangana Aho, dia hialoha anareo ho any Galilia.
Lakini nikisha fufuka, nitawatangulieni kule Galilaya.”
29 Fa hoy Petera taminy: Na dia ho tafintohina avokoa aza ny olona rehetra, izaho tsy mba ho tafintohina.
Petro akamwambia “Hata kama wote watakuwa na mashaka nawe na kukuacha, mimi sitakukana kamwe!”
30 Ary hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa: Anio, dia amin’ ity alina ity, raha tsy mbola misy akoho maneno fanindroany, dia handà Ahy intelo ianao.
Yesu akamwambia, “Kweli nakwambia, usiku huu, kabla jogoo hajawika mara mbili, utanikana mara tatu.”
31 Fa vao mainka niteny mafy dia mafy izy hoe: Na dia hiara-maty aminao aza aho, tsy mba handà Anao tokoa aho. Ary toy izany koa no nolazain’ izy rehetra.
Lakini Petro akasisitiza, “Hata kama ni lazima nife pamoja nawe, sitakuacha kamwe.” Wanafunzi wote pia wakasema vivyo hivyo.
32 Ary tonga tany amin’ ny saha izay atao hoe Getsemane izy; dia hoy Jesosy tamin’ ny mpianany: Mipetraha eto ianareo mandra-pivavako.
Basi, wakafika katika bustani iitwayo Gethsemane. Yesu akawaambia wanafunzi wake, “Kaeni hapa wakati mimi nasali.”
33 Ary nitondra an’ i Petera sy Jakoba sy Jaona Izy, dia talanjona sady ory indrindra.
Kisha akawachukua Petro, Yakobo na Yohane; akaanza kufadhaika sana na kuhangaika.
34 Ary hoy Izy taminy: Fadiranovana loatra ny fanahiko toy ny efa ho faty; mitoera eto, ka miareta tory.
Akawaambia, “Nina huzuni kubwa moyoni hata karibu kufa. Kaeni hapa mkeshe.”
35 Ary nony nandroso kelikely Izy, dia niankohoka tamin’ ny tany ka nivavaka mba hialan’ izany ora izany aminy, raha azo atao.
Akaenda mbele kidogo, akajitupa chini kifudifudi, akasali kwamba, kama ingewezekana, asiipitie saa hiyo ya mateso.
36 Ary hoy Izy: Aba, Raiko ô, ny zavatra rehetra hainao; esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.
Akasema, “Baba yangu, kwako mambo yote yanawezekana. Uniondolee kikombe hiki; lakini isiwe kama nitakavyo mimi, bali utakavyo wewe.”
37 Ary avy Izy ka nahita azy ireo matory, dia hoy Izy tamin’ i Petera: Ry Simona, matory va ianao? Tsy nahazaka niari-tory na dia ora iray ihany aza va ianao?
Kisha akarudi kwa wanafunzi wale watatu, akawakuta wamelala. Basi, akamwuliza Petro, “Simoni, je umelala? Hukuweza kukesha hata saa moja?”
38 Miareta tory ianareo, ka mivavaha, mba tsy hidiranareo amin’ ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery.
Kisha akawaambia, “Kesheni na kusali ili msije mkaingia katika majaribu. Roho i radhi, lakini mwili ni dhaifu.”
39 Dia lasa indray Izy ka nivavaka nanao ilay teny teo ihany.
Akaenda kusali tena akirudia maneno yaleyale.
40 Ary nony niverina indray Izy, dia nahita azy matory, fa efa nilondolondo ny masony, ka tsy hitany izay havaliny Azy.
Kisha akarudi tena, akawakuta wamelala. Macho yao yalikuwa yamebanwa na usingizi. Hawakujua la kumjibu.
41 Ary avy fanintelony Izy, dia nanao taminy hoe: Matoria ary ankehitriny, ka mialà sasatra ianareo. Aoka izay; efa tonga ny ora; indro, ny Zanak’ olona hatolotra ao an-tànan’ ny mpanota.
Alipowajia mara ya tatu aliwaambia, “Mnalala bado na kupumzika? Sasa imetosha! Saa imefika! Mwana wa Mtu anakabidhiwa kwa watu waovu.
42 Mitsangàna, andeha isika; indro fa efa akaiky ilay mamadika Ahy.
Amkeni, twendeni zetu. Tazameni, yule atakayenisaliti amekaribia.”
43 Ary niaraka tamin’ izay, raha mbola niteny Izy, dia avy Jodasy, isan’ ny roa ambin’ ny folo lahy, sady nisy vahoaka niaraka taminy, nitondra sabatra sy langilangy, nirahin’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona.
Yesu alipokuwa bado anasema, Yuda, mmoja wa wale kumi na wawili, akafika pamoja na umati wa watu wenye mapanga na marungu. Watu hao walikuwa wametumwa na makuhani wakuu, walimu wa Sheria na wazee.
44 Ary ilay hamadika Azy efa nanome famantarana ireo ka nanao hoe: Izay horohako no Izy; sambory Izy ka ento, fa aza avela ho afaka.
Msaliti Yuda alikuwa amewapa ishara: “Yule nitakayembusu ndiye; mkamateni, mkampeleke chini ya ulinzi.”
45 Ary rehefa tonga izy, dia nanatona an’ i Jesosy niaraka tamin’ izay ka nanao hoe: Raby ô! dia nanoroka Azy izy.
Yuda alipofika tu, alimwendea Yesu moja kwa moja, akasema, “Mwalimu!” Kisha akambusu.
46 Ary ny olona naninjitra ny tànany taminy ka nisambotra Azy.
Basi, hao watu wakamkamata Yesu, wakamtia nguvuni.
47 Ary ny anankiray tamin’ izay teo anilany nanatsoaka ny sabany, dia nikapa ny mpanompon’ ny mpisoronabe ka nahafaka ny sofiny.
Mmoja wa wale waliokuwa wamesimama hapo pamoja na Yesu akauchomoa upanga wake, akampiga mtumishi wa Kuhani Mkuu, akamkata sikio.
48 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mivoaka mitondra sabatra sy langilangy hisambotra Ahy toy ny hisambotra jiolahy va ianareo?
Yesu akawaambia, “Je, mmekuja na mapanga na marungu kunikamata kana kwamba mimi ni mnyang'anyi?
49 Teo aminareo isan’ andro Aho an-kianjan’ ny tempoly, nefa tsy nisambotra Ahy ianareo; fa mba hahatanteraka ny Soratra Masìna izao.
Kila siku nilikuwa pamoja nanyi nikifundisha Hekaluni, wala hamkunikamata. Lakini sasa lazima Maandiko Matakatifu yatimie.”
50 Ary samy nandao Azy izy rehetra ka nandositra.
Hapo wanafunzi wote wakamwacha, wakakimbia.
51 Ary nisy zatovo anankiray nanaraka Azy, ka lamba hariry madinika fotsiny ihany no nitafiany, ary nosamborin’ ny olona teo izy.
Kulikuwa na kijana mmoja aliyekuwa anamfuata Yesu akiwa amevaa shuka. Nao wakajaribu kumkamata.
52 Dia navelany teny aminy ny lambany hariry madinika, ka nandositra nitanjaka izy.
Lakini yeye akaponyoka, akaiachilia ile shuka, akakimbia uchi.
53 Ary nitondra an’ i Jesosy ho any amin’ ny mpisoronabe izy; ary niangona teo aminy ny lohan’ ny mpisorona rehetra sy ny loholona ary ny mpanora-dalàna.
Basi, wakampeleka Yesu kwa Kuhani Mkuu ambapo makuhani wakuu wote, wazee na walimu wa Sheria walikuwa wamekutanika.
54 Ary Petera efa nanaraka Azy teny lavidavitra eny hatrany amin’ ny kianjan’ ny tranon’ ny mpisoronabe; ary niara-nipetraka teo amin’ ny mpiandry raharaha izy namindro teo anilan’ ny afo.
Petro alimfuata Yesu kwa mbali, akaingia ndani ya ya wa Kuhani Mkuu, akaketi pamoja na walinzi akiota moto.
55 Ary ny lohan’ ny mpisorona sy ny Synedriona rehetra nitady vavolombelona hiampanga an’ i Jesosy hamonoany Azy, nefa tsy nahita.
Makuhani wakuu na Baraza lote wakatafuta ushahidi wa kumshtaki Yesu wapate kumwua, lakini hawakupata.
56 Fa maro no niampanga lainga Azy, nefa tsy nifanaraka ny fiampangany.
Watu wengi walitoa ushahidi wa uongo juu ya Yesu, lakini ushahidi wao haukupatana.
57 Ary nitsangana ny sasany, dia niampanga lainga Azy nanao hoe:
Kisha wengine walisimama, wakatoa ushahidi wa uongo wakisema:
58 Izahay efa nandre Azy nanao hoe: Izaho handrava ity tempoly nataon-tanana ity, ary amin’ ny hateloana dia hanangana hafa izay tsy nataon-tanana Aho.
“Tulimsikia mtu huyu akisema, Nitaliharibu Hekalu hili lililojengwa kwa mikono, na kwa siku tatu nitajenga lingine lisilojengwa kwa mikono.”
59 Fa tsy nifanaraka ny filàzany na dia tamin’ izany aza.
Lakini hata hivyo, ushahidi wao haukupatana.
60 Ary ny mpisoronabe nitsangana nankeo afovoany, dia nanontany an’ i Jesosy ka nanao hoe: Tsy mety mamaly akory va Hianao? Inona no iampangan’ ireto Anao?
Basi, Kuhani Mkuu akasimama katikati yao, akamwuliza Yesu, “Je, hujibu neno? Watu hawa wanashuhudia nini dhidi yako?”
61 Fa tsy niteny Jesosy sady tsy namaly akory. Dia nanontany Azy indray ny mpisoronabe ka nanao taminy hoe: Hianao va no Kristy, Zanaky ny Isaorana?
Lakini yeye akakaa kimya; hakusema hata neno moja. Kuhani Mkuu akamwuliza tena, “Je, wewe ndiwe Kristo, Mwana wa Mungu Mtukufu?”
62 Ary hoy Jesosy: Izaho no Izy; ary ho hitanareo ny Zanak’ olona mipetraka eo ankavanan’ ny Hery sady avy eo amin’ ny rahon’ ny lanitra.
Yesu akajibu, “Naam, mimi ndiye. Tena, mtamwona Mwana wa Mtu amekaa upande wa kulia wa Mwenyezi, akija katika mawingu ya mbinguni.”
63 Ary ny mpisoronabe nandriatra ny fitafiany ka nanao hoe: Ahoana no mbola ilantsika vavolombelona indray?
Hapo Kuhani Mkuu akararua joho lake, akasema, “Tuna haja gani tena ya mashahidi?
64 Efa renareo ny fitenenany ratsy; ahoana no hevitrareo? Dia nataon’ izy rehetra fa miendrika ho faty Izy.
Mmesikia kufuru yake! Ninyi mwaonaje?” Wote wakaamua kwamba anastahili kuuawa.
65 Ary ny sasany nandrora Azy, dia nanarona ny tavany sady namely tahamaina Azy ka nanao hoe: Maminania; ary ny mpiandry raharaha namely tahamaina Azy koa.
Basi, baadhi yao wakaanza kumtemea mate, wakamfunika uso, wakampiga na kumwambia, “Bashiri ni nani aliyekupiga!” Hata watumishi wakamchukua, wakampiga makofi.
66 Ary raha nitoetra teo ambany teo an-kianja Petera, dia avy ny anankiray tamin’ ny ankizivavin’ ny mpisoronabe;
Petro alipokuwa bado chini ukumbini, mmoja wa wajakazi wa kuhani Mkuu alikuja.
67 ary nony nahita an’ i Petera namindro izy, dia nijery azy ka nanao hoe: Hianao koa nomba an’ i Jesosy avy any Nazareta.
Alipomwona Petro akiota moto, alimtazama, akamwambia, “Hata wewe ulikuwa pamoja na Yesu Mnazareti.”
68 Fa izy nandà ka nanao hoe: Tsy fantatro sy tsy azoko ny teninao. Dia niala ho eo am-bavahady izy, ary nisy akoho naneno.
Lakini Petro akakana, “Sijui, wala sielewi unayosema!” Kisha Petro akaondoka, akaenda nje uani. Hapo jogoo akawika.
69 Ary ilay ankizivavy nahita azy indray, dia niteny tamin’ izay teo anilany hoe: Io lehilahy io mba naman’ ireny;
Yule mjakazi alipomwona tena Petro, akaanza tena kuwaambia watu waliokuwa wamesimama hapo, “Mtu huyu ni mmoja wao.”
70 fa izy nandà indray. Ary nony afaka kelikely, izay teo anilany koa dia nilaza tamin’ i Petera hoe: Naman’ ireo tokoa ianao; fa Galiliana ianao.
Petro akakana tena. Baadaye kidogo, watu waliokuwa wamesimama hapo wakamwambia Petro, “Hakika wewe ni mmoja wao, maana wewe ni Mgalilaya.”
71 Dia niozona sy nianiana izy ka nanao hoe: Tsy fantatro izany Lehilahy lazainareo izany.
Lakini Petro akaanza kulaani na kuapa akisema, “Mimi simjui mtu huyu mnayesema habari zake.”
72 Ary niaraka tamin’ izay dia nisy akoho naneno fanindroany. Ary Petera nahatsiaro ny teny izay nolazain’ i Jesosy taminy hoe: Raha tsy mbola misy akoho maneno fanindroany, dia handà Ahy intelo ianao. Ary nony nieritreritra izany izy, dia nitomany.
Hapo jogoo akawika mara ya pili. Basi, Petro akakumbuka jinsi Yesu alivyokuwa amemwambia: “Kabla jogoo hajawika mara mbili, utanikana mara tatu.” Petro akabubujika machozi.

< Marka 14 >