< Marka 13 >

1 Ary nony niala teo an-kianjan’ ny tempoly Jesosy, dia hoy ny mpianany anankiray taminy: Mpampianatra ô, akory re ireto vato sy rafitra ireto!
Yesu alipokuwa anatoka Hekaluni, mmoja wa wanafunzi wake alimwambia, “Mwalimu, tazama jinsi mawe haya na majengo haya yalivyo ya ajabu!”
2 Ary Jesosy nanao taminy hoe: Hitanao va ireto rafitra lehibe ireto? Tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana.
Yesu akamwambia, “Je, unayaona majengo haya makubwa? Hakuna hata jiwe moja litakalosalia juu ya lingine; kila kitu kitabomolewa.”
3 Ary raha nipetraka teo amin’ ny tendrombohitra Oliva tandrifin’ ny tempoly Izy, dia nanontany Azy mangingina Petera sy Jakoba sy Jaona ary Andrea hoe:
Yesu alipokuwa ameketi juu ya mlima wa Mizeituni akielekea Hekalu, Petro, Yakobo, Yohane na Andrea wakamwuliza kwa faragha,
4 Lazao aminay: Rahoviana no hisy izany? ary inona no ho famantarana, rehefa ho tonga izany rehetra izany?
“Twambie mambo haya yatatukia lini? Ni ishara gani itakayoonyesha kwamba mambo haya karibu yatimizwe?”
5 Ary Jesosy nilaza taminy hoe: Mitandrema, fandrao hisy hamitaka anareo.
Yesu akaanza kuwaambia, “Jihadharini msije mkadanganywa na mtu.
6 Fa maro no ho avy amin’ ny anarako hanao hoe: Izaho no Izy, ka maro no ho voafitany.
Maana wengi watakuja wakilitumia jina langu, wakisema, Mimi ndiye! nao watawapotosha watu wengi.
7 Ary raha mandre ady sy filazana ady ianareo, dia aza matahotra; tsy maintsy hisy izany, nefa tsy mbola tonga ny farany.
Mtakaposikia juu ya vita na fununu za vita, msifadhaike. Mambo hayo lazima yatokee, lakini mwisho wenyewe ungali bado.
8 Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy horohorontany any amin’ ny tany samy hafa, sady hisy mosary; izany no fiandohan’ ny fahoriana.
Taifa moja litapigana na taifa lingine; utawala mmoja utapigana na utawala mwingine; kila mahali kutakuwa na mitetemeko ya ardhi na njaa. Mambo haya ni kama tu maumivu ya kwanza ya kujifungua mtoto.
9 Fa mitandrema ianareo, fa hatolotra amin’ ny Synedriona sy hokapohina ao amin’ ny synagoga ary hitsangana eo anatrehan’ ny mpanapaka sy ny mpanjaka noho ny amiko ianareo ho vavolombelona aminy.
“Lakini ninyi jihadharini. Maana watu watawapelekeni mahakamani, na kuwapigeni katika masunagogi. Mtapelekwa mbele ya watawala na wafalme kwa sababu yangu ili mpate kunishuhudia kwao.
10 Ary ny firenena rehetra tsy maintsy hitoriana ny filazantsara aloha.
Lakini lazima kwanza Habari Njema ihubiriwe kwa mataifa yote.
11 Koa raha mitondra anareo hatolotra izy, dia aza manahy rahateo izay holazainareo; fa izay teny homena anareo’ amin’ izany ora izany no holazainareo; fa tsy ianareo no hiteny, fa ny Fanahy Masìna.
Nao watakapowatieni nguvuni na kuwapeleka mahakamani, msiwe na wasiwasi juu ya yale mtakayosema; saa ile itakapofika, semeni chochote mtakachopewa, maana si ninyi mtakaosema, bali Roho Mtakatifu.
12 Ary ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny ho amin’ ny fahafatesana, ary ny ray hanolotra ny zanany; ary ny zanaka hitsangana hanohitra ny rainy aman-dreniny ka hahafaty azy.
Ndugu atamsaliti ndugu yake auawe; baba atamsaliti mwanae; watoto watawashambulia wazazi wao na kuwaua.
13 Ary ho halan’ ny olona rehetra ianareo noho ny anarako: fa izay maharitra hatramin’ ny farany no hovonjena.
Watu wote watawachukieni ninyi kwa sababu ya jina langu. Lakini atakayevumilia mpaka mwisho ndiye atakayeokolewa.
14 Fa raha hitanareo mitsangana amin’ izay tsy mety hitsanganany ny fahavetavetan’ ny fandravana (aoka hisaina izay mamaky izany), dia aoka handositra ho any an-tendrombohitra izay olona any Jodia.
“Mtakapoona Chukizo Haribifu limesimama mahali ambapo si pake, (msomaji na atambue maana yake!) Hapo watu walioko Yudea wakimbilie milimani.
15 Ary izay ao an-tampon-trano aoka tsy hidina na hiditra haka zavatra ao an-tranony.
Mtu aliye juu ya paa la nyumba asishuke kuingia nyumbani mwake kuchukua kitu.
16 Ary izay any an-tsaha aoka tsy hiverina haka ny lambany.
Aliye shambani asirudi nyuma kuchukua vazi lake.
17 Ary lozan’ ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin’ izany andro izany!
Ole wao waja wazito na wanaonyonyesha siku hizo!
18 Fa mivavaha ianareo mba tsy ho amin’ ny ririnina izany.
Ombeni ili mambo hayo yasitukie nyakati za baridi.
19 Fa amin’ izany andro izany dia hisy fahoriana izay tsy mbola nisy toy izany hatrizay nanaovan’ Andriamanitra izao tontolo izao ka mandraka izao ankehitriny izao, sady tsy hisy intsony.
Maana wakati huo kutakuwa na dhiki ambayo haijatokea tangu Mungu alipoumba ulimwengu mpaka leo, wala haitatokea tena.
20 Ary raha tsy nohafohezin’ ny Tompo izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena; fa noho ny olom-boafidy, izay nofidiny, dia nohafoheziny izany andro izany.
Kama Bwana asingepunguza siku hizo, hakuna binadamu ambaye angeokolewa. Lakini kwa ajili ya wateule wake, Bwana amezipunguza siku hizo.
21 Ary amin’ izay raha tàhiny misy olona manao aminareo hoe: Indro, etỳ Kristy, na: Indro, erỳ; aza mino ianareo.
“Basi mtu akiwaambieni, Tazama, Kristo yupo hapa! au Yupo pale! msimsadiki.
22 Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana, ka haneho famantarana sy fahagagana hamitahany na dia ny olom-boafidy aza, raha azo atao izany.
Maana watatokea kina Kristo wa uongo na manabii wa uongo, watafanya ishara na maajabu, ili kuwapotosha wateule wa Mungu, kama ikiwezekana.
23 Fa mitandrema kosa ianareo; indro, efa voalazako taminareo raha-teo ny zavatra rehetra.
Lakini ninyi jihadharini. Mimi nimewaambieni mambo yote kabla hayajatokea.
24 Fa amin’ izany andro izany, raha afaka izany fahoriana izany, ny masoandro hohamaizinina, ary ny volana tsy haneho fahazavana,
“Basi, siku hizo baada ya dhiki hiyo, jua litatiwa giza na mwezi hautaangaza.
25 ary ny kintana hiraraka avy eny amin’ ny lanitra, ary hohozongozonina ny hery izay ao amin’ ny lanitra.
Nyota zitaanguka kutoka angani, na nguvu za mbingu zitatikiswa.
26 Ary amin’ izay ny Zanak’ olona dia ho hita avy eo amin’ ny rahona amin’ ny hery lehibe sy ny voninahitra.
Hapo watamwona Mwana wa Mtu akija katika mawingu kwa nguvu nyingi na utukufu.
27 Ary amin’ izay dia haniraka ny anjely Izy, ary hanangona ny olom-boafidiny avy amin’ ny vazan-tany efatra hatramin’ ny faran’ ny tany ka hatramin’ ny faran’ ny lanitra.
Kisha atawatuma malaika wake; atawakusanya wateule wake kutoka pande zote nne za dunia, kutoka mwisho wa dunia mpaka mwisho wa mbingu.
28 Ary mianara ny fanoharana ny amin’ ny aviavy: Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa akaiky ny lohataona.
“Kwa mtini jifunzeni mfano huu: Mara tu matawi yake yanapoanza kuwa laini na kuchanua majani, mnajua kwamba wakati wa kiangazi umekaribia.
29 Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky eo am-baravarana Izy.
Hali kadhalika nanyi mtakapoona mambo hayo yakitendeka, jueni kwamba Mwana wa Mtu yuko karibu sana.
30 Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mba ho lany ity taranaka ity mandra-pahatongan’ izany rehetra izany.
Nawaambieni kweli, kizazi hiki hakitapita kabla ya mambo hayo yote kutukia.
31 Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.
Mbingu na dunia zitapita, lakini maneno yangu hayatapita kamwe.
32 Fa ny amin’ izany andro na ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjely any an-danitra, ary na dia ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany.
“Lakini hakuna mtu ajuaye siku au saa hiyo itakuja lini; wala malaika wa mbinguni, wala Mwana; Baba peke yake ndiye ajuaye.
33 Mitandrema, miambena, ka mivavaha; fa tsy fantatrareo izay hihavian’ ny fotoana.
Muwe waangalifu na kesheni, maana hamjui wakati huo utafika lini.
34 Izany dia tahaka ny olona nandeha hivahiny, izay nandao ny tranony ka nanome fahefana ny mpanompony, ka samy notolorany ny raharahany avy, ary ny mpiandry varavarana dia nasainy niambina tsara;
Itakuwa kama mtu anayeondoka nyumbani kwenda safari akiwaachia watumishi wake madaraka, kila mmoja na kazi yake; akamwambia mlinzi wa mlango awe macho.
35 Koa miambena ianareo, fa tsy fantatrareo izay andro hihavian’ ny tompon-trano, na ho hariva, na ho mamatonalina, na ho maneno akoho, na ho maraina,
Kesheni, basi, kwa maana hamjui mwenye nyumba atarudi lini; huenda ikawa jioni, usiku wa manane, alfajiri au asubuhi.
36 fandrao avy tampoka izy ka mahita anareo matory.
Kesheni ili akija ghafla asije akawakuta mmelala.
37 Ary izay lazaiko aminareo dia lazaiko amin’ ny olona rehetra
Ninayowaambieni ninyi, nawaambia wote: Kesheni!”

< Marka 13 >