< Lioka 18 >

1 Ary Jesosy nilaza fanoharana taminy, fa tsy mety raha tsy mivavaka mandrakariva izy ka tsy reraka,
Каза им пак и причу како се треба свагда молити Богу, и не дати да дотужи,
2 dia nanao hoe: Nisy mpitsara tao an-tanàna anankiray, izay tsy natahotra an’ Andriamanitra, na mena-maso olona.
Говорећи: У једном граду беше један судија који се Бога не бојаше и људи не стиђаше.
3 Ary nisy mpitondratena tao amin’ izany tanàna izany, izay nankao aminy matetika ka nanao hoe: Omeo rariny aho amin’ ilay manana ady amiko.
А у оном граду беше једна удовица и долажаше к њему говорећи: Не дај ме мом супарнику.
4 Ary tsy nanaiky izy aloha; fa rehefa afaka izany, dia nanao anakampo hoe izy: Na dia tsy matahotra an’ Andriamanitra aza aho sady tsy mena-maso olona,
И не хтеде задуго. А најпосле рече у себи: Ако се и не бојим Бога и људи не срамим,
5 mba homeko rariny ihany io mpitondratena io, fa manahirana ahy izy, fandrao ho avy mandrakariva izy ka hampahasosotra ahy.
Но будући да ми досађује ова удовица, одбранићу је, да ми једнако не долази и не досађује.
6 Ary hoy ny Tompo: Henoy izay lazain’ ilay mpitsara tsy marina.
Тада рече Господ: Чујте шта говори неправедни судија.
7 Fa Andriamanitra tsy hanome rariny ny olom-boafidiny va, izay mitaraina aminy andro aman’ alina, ary moa hitaredretra va Izy?
А камоли Бог неће одбранити избраних својих који Га моле дан и ноћ?
8 Lazaiko aminareo fa homeny rariny faingana izy. Kanefa, raha avy ny Zanak’ olona, moa hahita finoana etỳ ambonin’ ny tany va Izy?
Кажем вам да ће их одбранити брзо. Али Син човечији кад дође хоће ли наћи веру на земљи?
9 Ary Jesosy nanao ity fanoharana ity tamin’ ny sasany izay natoky tena ho marina ka namingavinga ny hafa;
А и другима који мишљаху за себе да су праведници и друге уништаваху каза причу ову:
10 Nisy roa lahy niakatra teo an-kianjan’ ny tempoly hivavaka, ny anankiray Fariseo, ary ny anankiray mpamory hetra.
Два човека уђоше у цркву да се моле Богу, један фарисеј и други цариник.
11 Ilay Fariseo nitsangana ka nivavaka nitokana hoe: Andriamanitra ô, misaotra Anao aho fa tsy mba tahaka ny olona sasany, izay mpanao an-keriny, tsy marina, mpijangajanga, na tahaka io mpamory hetra io aza.
Фарисеј стаде и мољаше се у себи овако: Боже! Хвалим те што ја нисам као остали људи: хајдуци, неправедници, прељубочинци или као овај цариник.
12 Mifady indroa isan-kerinandro aho; mandoa ny fahafolon-karena amin’ izay azoko rehetra aho.
Постим двапут у недељи; дајем десетак од свега што имам.
13 Fa ilay mpamory hetra kosa nijanona teny lavitra eny, sady tsy nety niandrandra ny lanitra akory, fa niteha-tratra ka nanao hoe: Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko mpanota.
А цариник издалека стајаше, и не хтеде ни очију подигнути на небо, него бијаше прси своје говорећи: Боже! Милостив буди мени грешноме.
14 Lazaiko aminareo: Izany lehilahy izany nidina tany an-tranony efa nohamarinina noho ny anankiray; fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay rehetra manetry tena no hasandratra.
Кажем вам да овај отиде оправдан кући својој, а не онај. Јер сваки који се сам подиже понизиће се; а који се сам понижује подигнуће се.
15 Ary nisy nitondra zazakely koa ho eo amin’ i Jesosy mba hotendreny; fa raha vao nahita izany ny mpianatra, dia nandrara azy.
Доношаху к Њему и децу да их се дотакне; а кад видеше ученици, запретише им.
16 Fa Jesosy niantso ireo hankeo aminy ka nanao hoe: Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza raràna; fa an’ ny toa azy ny fanjakan’ Andriamanitra.
А Исус дозвавши их рече: Пустите децу нека долазе к мени, и не браните им; јер је таквих царство Божије.
17 Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no ny handray ny fanjakan’ Andriamanitra tahaka ny zaza, dia tsy ho tafiditra aminy akory.
И кажем вам заиста: који не прими царство Божије као дете, неће ући у њега.
18 Ary nisy mpanapaka anankiray nanontany Azy hoe: Mpampianatra tsara ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay? (aiōnios g166)
И запита Га један кнез говорећи: Учитељу благи! Шта да учиним да наследим живот вечни? (aiōnios g166)
19 Fa hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no ataonao tsara? Tsy misy tsara afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra.
А Исус рече му: Што ме зовеш благим? Нико није благ осим једног Бога.
20 Fantatrao ny didy hoe: Aza mijangajanga, Aza mamono olona, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, Manajà ny rainao sy ny reninao.
Заповести знаш: не чини прељубе; не убиј; не укради; не сведочи лажно; поштуј оца и матер своју.
21 Ary hoy kosa izy: Izany rehetra izany dia efa notandremako hatry ny fony aho mbola kely.
А он рече: Све сам ово сачувао од младости своје.
22 Ary rehefa nandre izany Jesosy, dia hoy Izy taminy: Mbola diso zavatra iray loha ianao: amidio ny fanananao rehetra, ka zarao ho an’ ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia, manaraha Ahy.
А кад то чу Исус рече му: Још ти једно недостаје: продај све што имаш и раздај сиромасима; и имаћеш благо на небу; и хајде за мном.
23 Ary rehefa nandre izany ralehilahy, dia nalahelo loatra; fa nanan-karena dia nanan-karena izy.
А кад он чу то постаде жалостан, јер беше врло богат.
24 Ary Jesosy, raha nijery azy, dia nanao hoe: Manao ahoana ny hasarotry ny hidiran’ ny manan-karena amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra!
А кад га виде Исус где постаде жалостан, рече: Како је тешко ући у царство Божије онима који имају богатство!
25 Fa ho moramora kokoa ny hidiran’ ny rameva amin’ ny vodi-fanjaitra noho ny hidiran’ ny manan-karena amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra!
Лакше је камили проћи кроз иглене уши неголи богатом ући у царство Божије.
26 Ary izay nandre dia nanao hoe: Iza indray moa no azo hovonjena?
А они који слушаху рекоше: Ко се дакле може спасти?
27 Fa hoy Jesosy: Izay zavatra tsy hain’ ny olona dia hain’ Andriamanitra.
А Он рече: Шта је у људи немогуће у Бога је могуће.
28 Dia hoy Petera: Indro, izahay efa nahafoy izay nety ho anay ka nanaraka Anao.
А Петар рече: Ето ми смо оставили све и за Тобом идемо.
29 Ary hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy olona izay efa nahafoy trano, na vady, na rahalahy, na ray, na reny, na zanaka, noho ny fanjakan’ Andriamanitra,
А Он им рече: Заиста вам кажем: нема ниједнога који би оставио кућу, или родитеље, или браћу, или сестре, или жену, или децу царства ради Божијег,
30 izay tsy handray be lavitra amin’ izao andro ankehitriny izao, ary amin’ ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay. (aiōn g165, aiōnios g166)
Који неће примити више у ово време, и на оном свету живот вечни. (aiōn g165, aiōnios g166)
31 Ary Jesosy naka ny roa ambin’ ny folo lahy ka nanao taminy hoe: Indro, miakatra ho any Jerosalema isika, dia ho tanteraka ny zavatra rehetra izay voasoratry ny mpaminany ny amin’ ny Zanak’ olona.
Узе пак дванаесторицу и рече им: Ево идемо горе у Јерусалим, и све ће се свршити што су пророци писали за Сина човечијег.
32 Fa hatolotra ho amin’ ny jentilisa Izy, dia hataony fihomehezana sy hisetrasetrany sy hororany
Јер ће Га предати незнабошцима, и наругаће Му се, и ружиће Га, и попљуваће Га,
33 ary hokapohiny sy hovonoiny, ary amin’ ny andro fahatelo dia hitsangana Izy.
И биће Га, и убиће Га; и трећи дан устаће.
34 Nefa tsy nisy azony akory izany teny izany, fa nafenina taminy izy ka dia tsy fantany izay nolazainy.
И они ништа од тога не разумеше, и беседа ова беше од њих сакривена, и не разумеше шта им се каза.
35 Ary raha Jesosy nanakaiky an’ i Jeriko, dia indro jamba anankiray nipetraka nangataka teo amoron-dalana.
А кад се приближи к Јерихону, један слепац сеђаше крај пута просећи.
36 Ary raha nandre ny vahoaka mandalo izy, dia nanontany hoe: Inona izany?
А кад чу народ где пролази запита: Шта је то?
37 Ary hoy ny olona taminy: Jesosy avy any Nazareta no mandalo.
И казаше му да Исус Назарећанин пролази.
38 Dia niantso mafy ralehilahy ka nanao hoe: Ry Jesosy, Zanak’ i Davida ô, mamindrà fo amiko.
И повика говорећи: Исусе, сине Давидов! Помилуј ме.
39 Ary izay nandeha teny aloha dia niteny mafy azy mba hangina, fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Ry Zanak’ i Davida ô, mamindrà fo amiko.
И прећаху му они што иђаху напред да ућути; а он још више викаше: Сине Давидов! Помилуј ме.
40 Ary Jesosy nijanona, dia nasainy ho entina eo aminy ralehilahy; ary rehefa mby akaiky izy, dia nanontany azy Jesosy
И Исус стаде и заповеди да Му га доведу; а кад Му се приближи, запита га
41 ka nanao hoe: Inona moa no tianao hataoko aminao? Ary hoy izy: Tompoko, ny mba hampahiratina ny masoko.
Говорећи: Шта хоћеш да ти учиним? А он рече: Господе! Да прогледам.
42 Dia hoy Jesosy taminy: Mahirata ny masonao; ny finoanao no efa nahavonjy anao.
А Исус рече: Прогледај; вера твоја поможе ти.
43 Ary niaraka tamin’ izay dia nahiratra ny masony, ka nanaraka an’ i Jesosy izy sady nankalaza an’ Andriamanitra; ary ny vahoaka rehetra, raha nahita, dia nidera an’ Andriamanitra.
И одмах прогледа, и пође за Њим хвалећи Бога. И сви људи који видеше хваљаху Бога.

< Lioka 18 >