< Jaona 1 >

1 Tamin’ ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin’ Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra.
У почетку беше Реч, и Реч беше у Бога, и Бог беше Реч.
2 Izy dia tao amin’ Andriamanitra tamin’ ny voalohany.
Она беше у почетку у Бога.
3 Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza.
Све је кроз Њу постало, и без Ње ништа није постало што је постало.
4 Izy no nisiam-piainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona.
У Њој беше живот, и живот беше видело људима.
5 Ary ny mazava dia mamirapiratra ao amin’ ny maizina; fa ny maizina tsy nandray azy.
И Видело се светли у тами, и тама Га не обузе.
6 Nisy lehilahy nirahin’ Andriamanitra, Jaona no anarany.
Посла Бог човека по имену Јована.
7 Izy tonga ho vavolombelona hanambara ny Mazava, mba hinoan’ ny olona rehetra noho ny teniny.
Овај дође за сведочанство да сведочи за Видело да сви верују кроза њ.
8 Tsy izy anefa no Ilay Mazava, fa tonga ho vavolombelona hanambara ny Mazava ihany izy.
Он не беше Видело, него да сведочи за Видело.
9 Tao ny tena Mazava Izay mahazava ny olona rehetra tonga amin’ izao tontolo izao.
Беше Видело истинито које обасјава сваког човека који долази на свет.
10 Teo amin’ izao tontolo izao Izy, ary Izy no nanaovana izao tontolo izao, nefa izao tontolo izao tsy nahalala Azy.
На свету беше, и свет кроза Њ поста, и свет Га не позна.
11 Tonga tany amin’ ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy.
К својима дође, и своји Га не примише.
12 Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’ Andriamanitra, dia izay mino ny anarany,
А који Га примише даде им власт да буду синови Божији, који верују у име Његово,
13 dia ireo izay tsy nateraky ny rà, na ny sitrapon’ ny nofo, na ny sitrapon’ ny olona, fa naterak’ Andriamanitra.
Који се не родише од крви, ни од воље телесне, ни од воље мужевље, него од Бога.
14 Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an’ ny Lahitokana avy tamin’ ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana.
И реч постаде тело и усели се у нас пуно благодати и истине; и видесмо славу Његову, славу, као Јединороднога од Оца.
15 Jaona nanambara Azy ka niantso hoe: Izy Ilay nolazaiko hoe: Izay avy
Јован сведочи за Њега и виче говорећи: Овај беше за кога рекох: Који за мном иде преда мном постаде, јер пре мене беше.
16 Fa tamin’ ny fahafenoany no nandraisantsika rehetra, dia fahasoavana anampy fahasoavana.
И од пунине Његове ми сви узесмо благодат за благодаћу.
17 Fa ny lalàna dia nomena tamin’ ny alalan’ i Mosesy; fa ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy.
Јер се закон даде преко Мојсија, а благодат и истина постаде од Исуса Христа.
18 Tsy nisy nahita an’ Andriamanitra na oviana na oviana; fa ny Zanakalahy Tokana, Izay ao an-tratran’ ny Ray, Izy no nanambara Azy.
Бога нико није видео никад: Јединородни Син који је у наручју Очевом, Он Га јави.
19 Ary izao no nambaran’ i Jaona, raha ny Jiosy naniraka mpisorona sy Levita avy tany Jerosalema hankany aminy mba hanontany azy hoe: Iza moa ianao?
И ово је сведочанство Јованово кад послаше Јевреји из Јерусалима свештенике и Левите да га запитају: Ко си ти?
20 Ary nilaza marina izy ka tsy nandà, fa hoy ny filàzany: Tsy izaho no Kristy.
И он призна, и не затаји, и призна: Ја нисам Христос.
21 Ary izy ireo nanontany azy hoe: Ahoana ary? Elia va ianao? Fa hoy izy: Tsy izy aho. Ilay Mpaminany va ianao? Fa izy namaly hoe: Tsia.
И запиташе га: Ко си дакле? Јеси ли Илија? И рече: Нисам. Јеси ли пророк? И одговори: Нисам.
22 Dia hoy ireo taminy: Iza ary ianao? mba hitondranay valiny ho any amin’ izay naniraka anay. Lazainao ho iza moa ny tenanao?
А они му рекоше: Ко си? Да можемо казати онима што су нас послали: Шта кажеш за себе?
23 Dia hoy izy: Izaho dia feon’ ny miantso mafy any an-efitra hoe: Ataovy mahitsy ny lalan’ i Jehovah, araka izay nolazain’ Isaia mpaminany.
Рече: Ја сам глас оног што виче у пустињи: Поравните пут Господњи; као што каза Исаија пророк.
24 Ary iraka avy tamin’ ny Fariseo ireo.
И беху посланици од фарисеја,
25 Dia nanontany azy ireo ka nanao taminy hoe: Nahoana ary ianao no manao batisa raha tsy ianao no Kristy, na Elia, na Ilay Mpaminany?
И запиташе га говорећи му: Зашто, дакле, крштаваш кад ти ниси Христос ни Илија ни пророк?
26 Jaona namaly azy ka nanao hoe: Izaho manao batisa amin’ ny rano; fa eto aminareo misy Anankiray Izay tsy fantatrareo,
Одговори им Јован говорећи: Ја крштавам водом а међу вама стоји кога ви не знате.
27 dia Ilay avy ao aoriako, ary tsy miendrika hamaha ny fehin-kapany aza aho.
Он је Онај што ће доћи за мном, који беше преда мном; коме ја нисам достојан одрешити ремен на обући Његовој.
28 Izany zavatra izany dia natao tany Betania any an-dafin’ i Jordana, izay nanaovan’ i Jaona batisa.
Ово би у Витанији преко Јордана где Јован крштаваше.
29 Nony ampitso dia nahita an’ i Jesosy avy manatona azy Jaona, ka dia hoy izy: Indro ny Zanak’ ondrin’ Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan’ izao tontolo izao!
А сутрадан виде Јован Исуса где иде к њему, и рече: Гле, јагње Божије које узе на се грехе света.
30 Izy Ilay nolazaiko hoe: Misy Lehilahy avy ao aoriako Izay efa tonga eo alohako, satria talohako Izy.
Ово је Онај за кога ја рекох: За мном иде човек који преда мном постаде, јер пре мене беше.
31 Ary izaho tsy nahalala Azy; fa mba haseho amin’ ny Isiraely Izy, izany no nihaviako manao batisa amin’ ny rano.
И ја Га не знадох: него да се јави Израиљу зато ја дођох да крстим водом.
32 Ary Jaona nanambara ka nanao hoe: Izaho nahita ny Fanahy midìna avy any an-danitra tahaka ny voro-mailala ka nitoetra teo amboniny.
И сведочи Јован говорећи: Видех Духа где силази с неба као голуб и стаде на Њему.
33 Ary izaho tsy nahalala Azy; fa Izay naniraka ahy hanao batisa amin’ ny rano no nilaza tamiko hoe: Izay ho hitanao idinan’ ny Fanahy sy itoerany, dia Izy no Mpanao batisa amin’ ny Fanahy Masìna.
И ја Га не знадох; него Онај који ме посла да крстим водом Он ми рече: На кога видиш да силази Дух и стоји на Њему то је Онај који ће крстити Духом Светим.
34 Ary nahita aho, ka dia nanambara fa Izy no Zanak’ Andriamanitra.
И ја видех и засведочих да је овај Син Божји.
35 Nony ampitson’ iny indray dia nijanona Jaona sy ny mpianany roa lahy;
А сутрадан, опет, стајаше Јован и двојица од ученика његових,
36 ary nijery an’ i Jesosy nitsangantsangana izy ka nanao hoe: Indro ny Zanak’ ondrin’ Andriamanitra!
И видевши Исуса где иде, рече: Гле, јагње Божије.
37 Ary ireo mpianatra roa lahy ireo, rehefa nandre azy niteny, dia nanaraka an’ i Jesosy.
И чуше га оба ученика кад говораше, и отидоше за Исусом.
38 Ary Jesosy nitodika ka nahita azy manaraka, dia nanao taminy hoe: Inona no tadiavinareo? Ary hoy izy roa lahy taminy: Raby (izay atao hoe, raha adika, Mpampianatra ô), aiza Hianao no mitoetra?
А Исус обазревши се и видевши их где иду за Њим, рече им: Шта ћете? А они Му рекоше: Рави! (које значи: учитељу) где стојиш?
39 Hoy Izy taminy: Avia, fa ho hitanareo. Koa dia nandeha izy ka nahita izay nitoerany ary nitoetra teo aminy tamin’ izany andro izany; ary efa tokony ho ora fahafolo tamin’ izay.
И рече им: Дођите и видите. И отидоше, и видеше где стајаше; и осташе у Њега онај дан. А беше око деветог сахата.
40 Andrea, rahalahin’ i Simona Petera, no anankiray tamin’ izy roa lahy, izay nandre ny tenin’ i Jaona ka nanaraka an’ i Jesosy.
А један од двојице који чуше од Јована и иђаху за Њим беше Андрија, брат Симона Петра;
41 Izy no nahita an’ i Simona rahalahiny aloha, dia hoy izy taminy: Efa nahita ny Mesia izahay (izay atso hoe, raha adika, ny Kristy).
Он нађе најпре брата свог Симона, и рече му: Ми нађосмо Месију, које значи Христос.
42 Dia nitondra azy ho any amin’ i Jesosy izy. Ary nony nijery azy Jesosy, dia hoy Izy: Hianao no Simona, zanak’ i Jaona; ianao hatao hoe Kefasy (izay atao hoe, raha adika, Petera)
И доведе га к Исусу. А Исус погледавши на њ рече: Ти си Симон, син Јонин; ти ћеш се звати Кифа, које значи Петар.
43 Nony ampitso dia te-hiala ho any Galilia Jesosy, ary nahita an’ i Filipo Izy ka nanao taminy hoe: Manaraha Ahy.
А сутрадан намисли изићи у Галилеју, и нађе Филипа, и рече му: Хајде за мном.
44 Ary Filipo dia avy any Betsaida, tanànan’ i Andrea sy Petera.
А Филип беше из Витсаиде, из града Андријиног и Петровог.
45 Filipo kosa nahita an’ i Natanaela ka nanao taminy hoe: Efa hitanay Ilay nosoratan’ i Mosesy tao amin’ ny lalàna, sy nosoratan’ ny mpaminany, dia Jesosy, zanak’ i Josefa, avy any Nazareta.
Филип нађе Натанаила, и рече му: За кога Мојсије у закону писа и пророци, нађосмо Га, Исуса сина Јосифова из Назарета.
46 Ary hoy Natanaela taminy: Moa mba misy zava-tsoa va avy any Nazareta? Dia hoy Filipo taminy: Andeha hizaha.
И рече му Натанаило: Из Назарета може ли бити шта добро? Рече му Филип: Дођи и види.
47 Jesosy nahita an’ i Natanaela avy manatona Azy, dia nilaza azy hoe: Indro ny tena Isiraelita tsy misy fitaka.
А Исус видевши Натанаила где иде к Њему рече за њега: Ево правог Израиљца у коме нема лукавства.
48 Hoy Natanaela taminy: Ahoana no ahafantaranao ahy? Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: Fony tsy mbola niantso anao Filipo, dia hitako teo ambanin’ ny aviavy ianao.
Рече Му Натанаило: Како ме познајеш? Одговори Исус и рече му: Пре него те позва Филип видех те кад беше под смоквом.
49 Dia namaly Natanaela ka nanao hoe: Raby ô, Hianao no Zanak’ Andriamanitra; Hianao no Mpanjakan’ ny Isiraely.
Одговори Натанаило и рече Му: Рави! Ти си Син Божији, Ти си Цар Израиљев.
50 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Moa ny nilazako taminao va fa hitako teo ambanin’ ny aviavy ianao no inoanao? Hahita zavatra lehibe noho izany ianao.
Одговори Исус и рече му: Што ти казах да те видех под смоквом зато верујеш; видећеш више од овог.
51 Ary hoy koa Izy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ho hitanareo ny lanitra misokatra sy ny anjelin’ Andriamanitra miakatra sy midìna eo ambonin’ ny Zanak’ olona.
И рече му: Заиста, заиста вам кажем: Одселе ћете видети небо отворено и анђеле Божије где се пењу и силазе к Сину човечијем.

< Jaona 1 >