< Hebreo 9 >

1 Koa na dia ny fanekena voalohany aza dia nisy fitsipika ny amin’ ny fanompoam-pivavahana, ary nisy ny fitoerany masìna momba ny etỳ an-tany.
Pravá smlouva měla svatostánek a pravidla bohoslužby.
2 Fa nisy tabernakely voavoatra: ny efitra voalohany, ilay atao hoe “ny fitoerana masìna”, izay nisy ny fanaovan-jiro sy ny latabatra ary ny mofo aseho.
Svatostánek měl podobu stanu, který byl oponou rozdělen na dvě části. Přední části se říkalo svatyně. Byl tam sedmiramenný svícen a stůl, na který bylo každou sobotu kladeno dvanáct chlebů.
3 Ary ao anatin’ ny efitra lamba faharoa no nisy ny tabernakely izay atao hoe “ny fitoerana masìna indrindra,”
Za závěsem byla velesvatyně
4 izay nisy lovia volamena fandoroana ditin-kazo manitra sy ny fiaran’ ny fanekena, izay voapetaka takela-bolamena avokoa; ary tao anatin’ io nisy ny vilany volamena, izay nitoeran’ ny mana, sy ny tehin’ i Arona izay nitsimoka, ary ny vato fisaky ny fanekena;
Patřila k ní zlatá kadidelnice a zlatem kovaná truhla smlouvy, v ní byla zlatá nádoba s pokrmem, který Izraelci jedli na poušti, Áronův prut, kterým Bůh rozhodl o tom, kdo má vykonávat službu ve svatyni, a desky se zněním Desatera.
5 ary teo ambonin’ io koa ny kerobima nisy ny voninahitra, izay nanaloka ny rakotra fanaovam-panavotana, ― tsy azonay lazaina tsirairay ireo ankehitriny.
Přikrývalo ji zlaté víko zvané slitovnice. Nad víkem držely stráž okřídlené bytosti nazvané cherubové.
6 Ary rehefa voavoatra toy izany ireo zavatra ireo, dia miditra mandrakariva eo amin’ ny tabernakely voalohany ny mpisorona hanefa ny fanompoam-pivavahana.
Do svatyně denně vcházeli kněží pověření bohoslužbou.
7 Fa ny faharoa kosa no idiran’ ny mpisoronabe irery ihany indray mandeha isan-taona; ary izy aza dia tsy miditra, raha tsy mitondra rà, izay ateriny noho ny amin’ ny tenany sy ny fahadisoana nataon’ ny olona amin’ ny tsi-fahalalana;
Do velesvatyně směl vejít jenom jedenkrát za rok velekněz. Přinášel krev jako oběť za bezděčné přestupky svoje i lidu.
8 koa izany no anambaran’ ny Fanahy Masìna fa tsy mbola voaseho ny lalana mankany amin’ ny fitoerana masìna indrindra, raha mbola ao ihany ny tabernakely voalohany;
Touto bohoslužbou Duch svatý naznačoval, že ještě nebyla otevřena cesta, která by vedla přímo k Bohu.
9 fanoharana izany amin’ izao andro ankehitriny izao, ary araka izany no anaterana fanomezana sy fanatitra, izay tsy mahatanteraka ny mpivavaka ny amin’ ny fieritreretana
Všechno, co se ve svatyni dělo, bylo předobrazem budoucnosti. Dary a oběti nestačily uklidnit svědomí těch, kteří je přinášeli. Zachovávání předpisů o pokrmech, nápojích a všelijakém obmývání zajišťovalo vnější spravedlnost do chvíle, než přišel nový velekněz Ježíš Kristus. Ten vešel do větší a dokonalejší svatyně, kterou nepostavili lidé.
10 (fa naman’ ny zavatra hohanina sy ny zavatra hosotroina sy ny fanasana samy hafa), dia fitsipika araka ny nofo, voatendrv hatao mandra-pihavin’ ny andro fanovana.
11 Fa Kristy kosa, rehefa tonga ho Mpisoronabe ny amin’ ny zavatra tsara ho avy, dia namaky teo amin’ ny tabernakely lehibe lavitra sady tsara lavitra, izay tsy nataon-tanana, izany hoe, tsy isan’ izao zavatra ary izao,
12 ary tsy mba nitondra ran’ osilahy sy ran-janak’ omby Izy, fa ny ran’ ny tenany, dia niditra indray mandeha ho any amin’ ny fitoerana masìna ka nahazo fanavotana mandrakizay. (aiōnios g166)
Místo krve kozlů a býků obětoval jednou provždy svou vlastní krev. Tak nám vydobyl věčné vykoupení. (aiōnios g166)
13 Fa raha ny ran’ osilahy sy ny ran’ ombilahy ary ny lavenom-bantotr’ ombivavy afafy amin’ izay voaloto no manamasìna hatramin’ ny fanadiovana ny nofo,
Krví kozlů a býků a ve vodě rozmíchaným popelem z jalovice skrápěl poskvrněné lidi a tak posvěcoval a očišťoval jejich těla.
14 mainka fa ny ran i Kristy, Izay nanatitra ny tenany tsy manan-tsiny ho an’ Andriamanitra, tamin’ ny alalan’ ny Fanahy mandrakizay, no hahadio ny fieritreretanareo ho afaka amin’ ny asa maty mba hanompoanareo an’ Andriamanitra velona. (aiōnios g166)
Krev bezúhonného Krista, který se obětoval Bohu, očišťuje naše svědomí od neužitečných skutků ke službě živému Bohu. (aiōnios g166)
15 Ary noho izany dia Mpanalalana amin’ izay fanekena vaovao Izy, rehefa niaritra fahafatesana ho fanavotana amin’ ny fahotana natao tamin’ ny fanekena voalohany, mba hahazoan’ izay voantso ny teny fikasana, dia ny lova mandrakizay. (aiōnios g166)
Kristus zemřel a tak se stal prostředníkem nové smlouvy, která zajišťuje vykoupení ze všech přestupků spáchaných v době platnosti staré smlouvy uzavřené s Izraelem. Můžeme se tedy pevně chopit toho, co bylo slíbeno. (aiōnios g166)
16 Fa raha misy didim-pananana, dia teny foana izany, raha tsy efa maty izay nanao azy.
Ano, k závěti musí přistoupit smrt odkazujícího. Teprve potom je neměnná. Nelze ji vykonat, pokud je živ.
17 Fa mafy ny didim-pananana, rehefa tonga ny fahafatesana; fa tsy mafy akory izany, raha mbola velona ilay nanao azy.
18 Koa na dia ny fanekena voalohany aza dia tsy nohamasinina raha tsy nisy rà.
Proto bylo zapotřebí krve i při uzavírání prvé smlouvy.
19 Fa rehefa voalazan’ i Mosesy tamin’ ny vahoaka rehetra ny didy rehetra araka ny lalàna, dia nalainy ny ran-janak’ omby sy ny ran’ osilahy mbamin’ ny rano sy ny volon’ ondry jaky sy ny hysopa ka nafafiny tamin’ ny boky sy ny vahoaka rehetra;
Když Mojžíš přečetl shromážděnému lidu všechna přikázání zákona, smíchal krev býků a kozlů s vodou, vzal rudou vlnu a větvičku yzopu a pokropil tou vodou knihu i shromáždění a řekl:
20 dia hoy izy; Ity no ran’ ny fanekena izay nandidian’ Andriamanitra anareo.
„Toto je krev smlouvy, kterou s vámi uzavřel Bůh.“
21 Ary ny tabernakely sy ny fanaka rehetra enti-manao fanompoam-pivavahana dia nofafazany rà toy izany koa.
Podobně postříkal krví svatostánek a všechno bohoslužebné náčiní.
22 Ary saiky diovina amin’ ny rà avokoa ny zavatra rehetra araka ny lalàna; fa raha tsy misy rà alatsaka, dia tsy misy famelan-keloka.
Podle zákona je totiž téměř všechno očišťováno krví a bez prolití krve není odpuštění vin.
23 Koa dia tsy maintsy nodiovina tamin’ ireny ny tandindon’ ny zavatra any an-danitra, fa ny tenan’ ny zavatra any an-danitra kosa dia tamin’ izay fanatitra tsara noho ireny.
Takovým způsobem se muselo očišťovat to, co nebeskou svatyni jen připomínalo. Nebeská svatyně však vyžaduje vzácnější oběť.
24 Fa Kristy tsy mba niditra tao amin’ izay fitoerana masìna nataon-tanana, izay tandindon’ ny tena fitoerana masìna, fa ho any an-danitra tokoa, mba hiseho eo anatrehan’ Andriamanitra ankehitriny ho antsika;
Kristus vešel do pravé nebeské svatyně, aby nás v ní před Bohem zastupoval; nevstoupil do její pozemské napodobeniny vytvořené lidmi.
25 ary tsy niditra Izy mba hanatitra ny tenany matetika, tahaka ny mpisoronabe miditra ao amin’ ny fitoerana masìna isan-taona mitondra ny ran’ ny zavatra hafa;
Nepřinášel za nás svou oběť opakovaně, jako to každoročně dělával velekněz, který do svatyně vstupoval s krví cizí;
26 fa raha izany, dia tsy maintsy ho nijaly matetika Izy hatrizay nanaovana izao tontolo izao; fa ankehitriny dia efa naseho indray mandeha tamin’ izao andro farany izao Izy raha hanafaka ny ota tamin’ ny nanaterany ny tenany. (aiōn g165)
vždyť by za ta tisíciletí musel často trpět. Ale přišel nyní, aby jednou provždy svou obětí odčinil hřích. (aiōn g165)
27 Ary tahaka ny nanendrena ny olona ny ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana,
Člověk umírá jen jednou, a pak bude postaven před soud.
28 dia tahaka izany koa Kristy, rehefa natolotra indray mandeha hitondra ny otan’ ny maro, dia hiseho fanindroany, tsy amin’ ota, amin’ izay miandry Azy, ho famonjena.
Proto se i Kristus jednou obětoval a vzal na sebe hříchy mnohých. Podruhé se ukáže bez oběti za hříchy, aby zachránil ty, kteří ho očekávají.

< Hebreo 9 >