< Hebreo 10 >

1 Fa ny lalàna, izay misy aloky ny zava-tsoa ho avy, fa tsy ny tena endrik’ izany zavatra izany, dia tsy mba mahatanteraka ny olona manatona amin’ izay fanatitra ateriny mandrakariva isan-taona.
Zákonné ustanovení o lévijské službě je jen stínem budoucího dobra. Oběti, které se každý rok opakují, nemohou nikoho z těch, kdo se jich účastní, přivést natrvalo k dokonalosti.
2 Raha izany, dia tsy ho nitsahatra va ny nanaterany ireo, satria rehefa nodiovina indray mandeha ny mpivavaka, dia tsy ho nasian’ ny fieritreretany ny ota intsony izy?
Kdyby skutečně jednou provždy očišťovaly ty, kteří je přinášejí, přestali by je už dávno obětovat, protože by je přestalo tížit svědomí.
3 Fa amin’ ireo dia misy fahatsiarovana ny ota isan-taona.
Každoroční oběti vlastně připomínají hříchy.
4 Fa tsy mahaisotra ny ota ny ran’ ombilahy sy ny ran’ osilahy.
Není totiž možné, aby krev býků a kozlů odčinila hříchy.
5 Koa nony niditra tamin’ izao fiainana izao Izy, dia nanao hoe: "Ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina tsy mba nilainao, Fa tena no namboarinao ho Ahy;
Proto Kristus při vstupu na tento svět prohlásil: „Nepřál sis, Bože, oběť ani dar, ale dal jsi mi tělo.“
6 Ny fanatitra odorana sy ny fanatitra noho ny ota tsy sitrakao;
7 Dia hoy Izaho: Inty Aho tonga ― Ao amin’ ny horonam-boky no nanoratana Ahy ― Hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô".
A k tomu řekl: „Hle, jdu, abych vykonal, Bože, tvou vůli, jak je o mně psáno.“
8 Rehefa nolazainy teo hoe: “Ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra odorana ary ny fanatitra noho ny ota” (dia ireny aterina araka ny lalàna) “no tsy ilainao ary tsy sitrakao”,
Písmo napřed říká, že Bůh si nepřál a neoblíbil oběti a dary, které byly přinášeny podle zákona,
9 dia hoy indray Izy: “Inty Aho tonga hanao ny sitraponao.” Manaisotra ny voalohany Izy mba hampitoerany ny faharoa.
a potom dodává: „Hle, jdu, abych vykonal tvou vůli.“Ruší prvé, aby ustanovil druhé.
10 Amin’ izany sitrapo izany no nanamasinana antsika tamin’ ny nanaterana ny tenan’ i Jesosy Kristy indray mandeha.
Bůh si přeje, abychom byli očištěni a jemu navráceni obětí těla Ježíše Krista, která byla přinesena jednou provždycky.
11 Ary ny mpisorona rehetra dia mitsangana isan’ andro manao fanompoam-pivavahana sy manatitra ireny fanatitra ireny ihany matetika izay tsy mahaisotra ny ota;
Kněží sloužili každodenně Bohu a přinášeli oběti, které nemohly odčinit hřích.
12 fa Izy kosa, rehefa nanao fanatitra iray monja ho mandrakizay noho ny ota, dia efa mipetraka eo an-tanana ankavanan’ Andriamanitra,
Ježíš přinesl oběť za hříchy jednou, a pak natrvalo zaujal významné postavení u Boha.
13 ka hatramin’ izao dia miandry Izy mandra-panaony ny fahavalony ho fitoeran-tongony.
Od té chvíle čeká, až mu budou podrobeni nepřátelé.
14 Fa ny fanatitra iray ihany no efa nahatanterahany ho mandrakizay izay olona hamasinina.
Jedinou obětí přivedl navždycky k dokonalosti ty, které odděluje od hříchu.
15 Ary ny Fanahy Masìna koa manambara izany amintsika; fa rehefa voalazany hoe:
I Duch svatý nám vydává svědectví.
16 “Izao no fanekena hataoko aminy, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Hataoko ao am-pony ny lalàko, Sady hosoratako ao an-tsainy,”
„Toto je smlouva, kterou uzavřu s nimi po oněch dnech: Vložím své zákony do jejich srdcí a vepíšu je do jejich myslí
17 dia hoy koa Izy: “Ny fahotany sy ny helony tsy hotsarovako intsony”.
a na jejich hříchy a přestupky nevzpomenu.“
18 Ary rehefa misy famelana ireo, dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony.
Takže kde je odpuštění hříchů, tam už není třeba oběti za hříchy.
19 Koa amin’ izany, ry rahalahy, satria manana fahatokiana hiditra ao amin’ ny fitoerana masìna isika noho ny ran’ i Jesosy,
Krev Ježíše Krista nám, bratři, umožňuje přistupovat bezprostředně k Bohu.
20 amin’ izay lalana natokany ho antsika, dia lalana vaovao sady velona, namaky teo amin’ ny efitra lamba, dia ny nofony,
On svou obětí otevřel novou a živou cestu. Stal se tak naším prostředníkem.
21 sady manana Mpisorona lehibe mitandrina ny tranon’ Andriamanitra,
Přistupujeme tedy k němu obmyti, s opravdovým srdcem naplněným vírou, zbaveni špatného svědomí.
22 dia aoka isika hanatona amin’ ny fo marina sy amin’ ny fahatokiana be avy amin’ ny finoana, manana fo voadio ho afaka amin’ ny fieritreretana ratsy sy tena voasasa tamin’ ny rano madio;
23 aoka hohazonintsika mafy ny fanekena ny fanantenana mba tsy hihozongozonany (fa mahatoky Ilay efa nanao ny teny fikasana);
Držme neochvějně vyznání naděje, protože Bůh plní svoje sliby.
24 ary aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara;
Podněcujme se navzájem k lásce a k dobrým skutkům.
25 aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon’ ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro.
Neopouštějte svá shromáždění – jak si někteří navykli, ale vzájemně se potěšujte – tím horlivěji, čím jasněji vidíte, že se blíží den příchodu Pána Ježíše v slávě.
26 Fa raha minia manota isika rehefa nahazo ny fahalalana tsara ny marina, dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony,
Kdo z vás by znal pravdu, a přece by svévolně jednal proti ní, u toho pozbude oběť za hříchy platnosti
27 fa fiandrasana mahatahotra amin’ ny fitsarana ary fahatezerana mirehitra izay handany ny fahavalo rehetra kosa.
a zůstane mu jen bázlivé očekávání soudu a hrozného trestu, který má stihnout přestupníky.
28 Izay manohitra ny lalàn’ i Mosesy dia maty amin’ ny tenin’ ny vavolombelona roa na telo ka tsy asiana famindram-po;
Kdo překročil zákon vydaný Mojžíšem, byl bez milosrdenství popraven, jestliže jeho hřích dosvědčili dva nebo tři svědci.
29 manao ahoana kosa ary no hamafin’ ny fampijaliana ataonareo tokony hihatra amin’ izay nanitsaka ny Zanak’ Andriamanitra ka nanao ny ran’ ny fanekena izay nanamasinana azy ho zavatra tsy masìna sady naniratsira ny Fanahin’ ny fahasoavana?
Uvědomte si, oč horšího trestu zasluhuje ten, kdo pohrdá Božím Synem a znevažuje jeho krev smlouvy, kterou byl posvěcen, a uvádí v posměch Ducha milosti.
30 Fa fantatsika Izay nanao hoe: “Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly;” ary koa: “Jehovah hitsara ny olony”.
Známe přece toho, který řekl: „Mně náleží pomsta, já odplatím.“
31 Zavatra mahatahotra ny ho azon’ ny tànan’ Andriamanitra velona.
Jinde Pán upozorňuje, že bude soudit svůj lid. Je proto hrozné upadnout do rukou živého Boha.
32 Fa tsarovy ny andro fahiny izay naharetanareo ny ady mafy tamin’ ny fahoriana, rehefa nohazavaina ianareo;
Rozpomeňte se na dny, kdy jste uvěřili a vzápětí museli trpělivě a vytrvale zápasit s mnohým utrpením.
33 indraindray raha natao ho fizaha noho ny fanaratsiana sy ny fampahoriana ianareo, ary indraindray koa raha tonga naman’ izay azon’ izany.
Byli jste veřejně vystavováni urážkám a útisku, neboť jste podepírali ty, kteří byli uráženi a utiskováni.
34 Fa sady niara-niaritra tamin’ izay nifatotra ianareo no nifaly raha norobaina ny fanananareo, satria fantatrareo fa ianareo dia manana fananana tsara lavitra sady maharitra.
Trpěli jste spolu s vězni, a když jste byli olupováni o majetek, snášeli jste to radostně s vědomím, že máte v nebi lepší a trvalejší jmění.
35 Koa aza manary ny fahasahianareo izay misy valiny lehibe.
Nezbavujte se své radostné důvěry, která přinese velkou odměnu.
36 Fa tokony hanana faharetana ianareo raha hahazoanareo izay lazain’ ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon’ Andriamanitra.
Vyzbrojte se trpělivostí, abyste vykonali Boží vůli a dosáhli toho, co vám bylo slíbeno.
37 Fa “rehefa afaka kelikely, Dia ho tonga Ilay ho avy, fa tsy hitaredretra”
„Ještě malou chvilku a ten, který se blíží, přijde a nebude otálet.
38 Ary “ny oloko marina dia ho velon’ ny finoana;” Fa raha mihemotra izy, dia tsy sitraky ny fanahiko.
Můj spravedlivý bude žít z víry. Nemám zalíbení v tom, kdo ode mne utíká.“
39 Fa isika tsy mba naman’ izay mihemotra ho amin’ ny fahaverezana, fa naman’ izay mino ho amin’ ny famonjena ny fanahy.
Ale my přece nepatříme k těm, kdo odpadají a zahynou, nýbrž k těm, kdo věří a dosáhnou života.

< Hebreo 10 >