< 2 Korintiana 11 >

1 Enga anie ka mba handefitra amiko amin’ ny hadalana kely ianareo, kanefa mandefitra amiko ihany ianareo.
Laiti mngenivumilia kidogo, hata kama mimi ni mjinga kiasi fulani! Naam, nivumilieni kidogo.
2 Fa fahasaro-piaro araka an’ Andriamanitra no mahasaro-piaro ahy aminareo; fa nataoko fofombadin’ ny lehilahy iray ianareo, mba hatolotra tahaka ny virijina madio ho an’ i Kristy.
Ninawaoneeni wivu lakini ni wivu wa Mungu; maana ninyi ni kama bikira safi niliyemposa kwa mwanamume mmoja tu ambaye ndiye Kristo.
3 Fa matahotra aho, fandrao ny sainareo ho simba hiala amin’ ny fahitsiam-po sy ny fahadiovana amin’ i Kristy, tahaka ny namitahan’ ny menarana an’ i Eva tamin’ ny fihendreny.
Lakini naogopa kwamba, kama vile yule nyoka kwa hila zake za uongo alimdanganya Hawa, fikira zenu zaweza kupotoshwa, mkauacha uaminifu wenu wa kweli kwa Kristo.
4 Fa raha misy tonga ka mitory Jesosy hafa izay tsy notorinay, na ianareo mandray fanahy hafa izay tsy noraisinareo, hay! tsara ny andeferanareo amin’ izany!
Maana mtu yeyote ajaye na kumhubiri Yesu aliye tofauti na yule tuliyemhubiri, ninyi mwampokea kwa mikono miwili; au mnakubali roho au habari njema tofauti kabisa na ile mliyopokea kutoka kwetu!
5 Fa ataoko fa tsy misy mahalatsaka ahy noho ireo Apostoly ambony indrindra ireo.
Sidhani kwamba mimi ni mdogo kuliko hao “mitume wakuu.”
6 Fa na dia olona tsy nampianarina laha-teny aza aho, dia tsy mba tahaka izany amin’ ny fahalalana; fa tamin’ ny zavatra rehetra dia efa nasehonay marimarina tamin’ ny olona rehetra izany hahasoa anareo.
Labda sina ufasaha wa lugha, lakini elimu ninayo; jambo hili tumelionyesha wazi kwenu, kila mahali na kila wakati.
7 Diso va aho, raha nanetry tena mba hisandratanareo ka nitory maimaimpoana ny filazantsaran’ Andriamanitra taminareo?
Mimi niliihubiri kwenu Habari Njema ya Mungu bila kudai mshahara; nilijinyenyekeza ili nipate kuwakweza ninyi. Je, nilifanya vibaya?
8 Namabo ny fiangonana sasany aho ka nandray karama hanompoako anareo.
Nilipofanya kazi kati yenu, mahitaji yangu yaligharimiwa na makanisa mengine. Kwa namna moja au nyingine niliwapokonya wao mali yao nipate kuwatumikia ninyi.
9 Fa raha nitoetra teo aminareo aho ka tsy nanana, dia tsy mba nahavaky tratra olona aho; fa raha vao tonga avy tany Makedonia ny rahalahy, dia nomeny ahy izay nilaiko; ary tamin’ ny zavatra rehetra dia nitandrina tsara izay tsy hahavaky tratra anareo aho sady mbola hitandrina izany ihany.
Nilipokuwa nanyi sikumsumbua mtu yeyote nilipohitaji fedha; ndugu waliotoka Makedonia waliniletea kila kitu nilichohitaji. Nilikuwa mwangalifu sana nisiwe mzigo kwa namna yoyote ile, na nitaendelea kufanya hivyo.
10 Raha ato anatiko koa ny fahamarinan’ i Kristy, dia tsy hisy hahafoana izany reharehako izany any amin’ ny tany Akaia.
Naahidi kwa ule ukweli wa Kristo ulio ndani yangu, kwamba hakuna kitakachoweza kunizuia kujivunia jambo hilo popote katika Akaya.
11 Nahoana? Satria tsy tiako va ianareo? Andriamanitra no mahalala.
Kwa nini nasema hivyo? Kwa sababu eti siwapendi ninyi? Mungu anajua kwamba nawapenda!
12 Fa izay ataoko no mbola hataoko ihany, mba hampitsaharako ny famelezan’ izay mitady hamely, mba ho hita fa tahaka anay ihany izay amin’ ny izay ireharehany.
Nitaendelea kufanya kama ninavyofanya sasa, ili nisiwape nafasi wale wanaotafuta nafasi, nafasi ya kujivuna kwamba eti wanafanya kazi kama sisi.
13 Fa Apostoly sandoka izy ireny, mpiasa mamitaka, ka dia mampiova ny endriny ho tahaka ny Apostolin’ i Kristy.
Maana, hao ni mitume wa uongo, wafanyakazi wadanganyifu wanojisingizia kuwa mitume wa Kristo.
14 Ary tsy mahagaga izany, fa Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin’ ny mazava.
Wala si ajabu, maana hata Shetani mwenyewe hujisingizia kuwa malaika wa mwanga!
15 Koa tsy zavatra lehibe tsy akory, raha ny mpanompony koa no mba mampiova ny endriny ho tahaka ny mpanompon’ ny fahamarinana; nefa ny farany ho araka ny asany ihany.
Kwa hiyo si jambo la kushangaza ikiwa na hao watumishi wake wanajisingizia kuwa watumishi wa haki. Mwisho wao watapata kile wanachostahili kufuatana na matendo yao.
16 Hoy izaho indray: Aza misy manao ahy ho adala; nefa, na dia misy manao izany aza, raiso toy ny adala aho mba hireharehako kelikely koa.
Tena nasema: Mtu asinifikirie kuwa mpumbavu. Lakini kama mkifikiri hivyo, basi, nichukueni kama mpumbavu ili nami nipate kuwa na cha kujivunia angaa kidogo.
17 Izao lazaiko izao dia tsy lazaiko araka ny Tompo, fa toa amin’ ny fahadalana amin’ izao rehareha matoky izao ihany.
Ninachosema sasa si kile alichoniagiza Bwana; kuhusu jambo hili la kujivuna, nasema tu kama mtu mpumbavu.
18 Satria maro no mirehareha araka ny nofo, dia mba hirehareha koa aho.
Maadam wengi hujivuna kwa sababu za kidunia, nami pia nitajivuna.
19 Fa sitrakareo ny handefitra amin’ ny adala, satria hendry angaha ianareo.
Ninyi ni wenye busara, ndiyo maana hata mnawavumilia wapumbavu!
20 Fa hay! mandefitra ihany ianareo, raha misy manandevo anareo, raha misy mandany anareo, raha misy misambotra anareo, raha misy mirehareha aminareo, raha misy mamely ny tavanareo.
Mnamvumilia hata mtu anayewafanya ninyi watumwa, mtu mwenye kuwanyonya, mwenye kuwakandamiza, mwenye kuwadharau na kuwapiga usoni!
21 Manala-barà-tena aho ka toa manaiky fa nalemy izahay! Fa amin’ izay mahasahy ny olona (miteny toy ny adala aho), dia mba sahy koa aho.
Kwa aibu nakubali kwamba sisi tulikuwa dhaifu. Iwe iwavyo, lakini kama kuna mtu yeyote anayethubutu kujivunia kitu—nasema kama mtu mpumbavu—mimi nathubutu pia.
22 Hebreo va izy? Izaho koa. Isiraelita va izy? Izaho koa. Taranak’ i Abrahama va izy? Izaho koa.
Je, wao ni Waebrania? Hata mimi. Je, wao ni Waisraeli? Hata mimi. Wao ni wazawa wa Abrahamu? Hata mimi.
23 Mpanompon’ i Kristy va izy? (miteny toy ny olona very saina aho) mihoatra noho izy aho: amin’ ny fisasarana manan-tombo, amin’ ny tranomaizina matetika kokoa, amin’ ny kapoka be efa izay tsy izy, amin’ ny fahafatesana matetika.
Wao ni watumishi wa Kristo? Hata mimi—nanena hayo kiwazimu—ni mtumishi wa Kristo zaidi kuliko wao. Mimi nimefanya kazi ngumu zaidi, nimekaa gerezani mara nyingi zaidi, nimepigwa mara nyingi zaidi na nimekaribia kifo mara nyingi.
24 Indimy aho no nokapohin’ ny Jiosy inefa-polo latsaka iray avy.
Mara tano nilichapwa vile viboko thelathini na tisa vya Wayahudi.
25 Intelo nokapohina tamin’ ny hazo aho, indray maka notoraham-bato, intelo no vaky sambo, indray andro sy indray alina no nitoetra teo amin’ ny lalina,
Nilipigwa viboko mara tatu, nilipigwa mawe mara moja; mara tatu nilivunjikiwa meli baharini, na humo nikakesha usiku kucha na kushinda mchana kutwa.
26 nandeha matetika aho, saiky nahita loza tamin’ ny ony, saiky nahita loza tamin’ ny jiolahy, saiky nahita loza tamin’ ny tompon-tany namako, saiky nahita loza tamin’ ny jentilisa, saiky nahita loza tao amin’ ny tanàna aho, saiky nahita loza tany an-efitra aho, saiky nahita loza tany amin’ ny ranomasina aho, saiky nahita loza tamin’ ny rahalahy sandoka aho,
Kila mara safarini nimekabiliwa na hatari za mafuriko ya mito, na hatari za wanyama; hatari kutoka kwa wananchi wenzangu na kutoka kwa watu wa mataifa mengine; hatari za mjini, hatari za porini, hatari za baharini, hatari kutoka kwa ndugu wa uongo
27 tamin’ ny fisasarana sy ny fikelezan’ aina, tamin’ ny tsi-fahitan-tory matetika, tamin’ ny hanoanana sy ny hetaheta, tamin’ ny fifadian-kanina matetika, tamin’ ny hatsiaka sy ny fitanjahana.
Nimefanya kazi na kutaabika, nimekesha bila usingizi mara nyingi; nimekuwa na njaa na kiu; mara nyingi nimefunga na kukaa katika baridi bila nguo.
28 Afa-tsy ireo zavatra ivelany dia mbola misy koa izay mahazo ahy isan’ andro, dia ny fiahiana ny fiangonana rehetra.
Na, licha ya mengine mengi, kila siku nakabiliwa na shughuli za makanisa yote.
29 Iza no malemy, ka tsy malemy aho? Iza no tafintohina, ka tsy mirehitra aho?
Kama mtu yeyote ni dhaifu, nami pia ni dhaifu; mtu yeyote akikwazwa, nami pia huwa na wasiwasi.
30 Raha tsy maintsy mirehareha aho, dia izay momba ny fahalemeko no hataoko rehareha.
Ikinilazimu kujivuna, basi, nitajivunia udhaifu wangu.
31 Andriamanitra, Rain’ i Jesosy Tompo, Izay isaorana mandrakizay, mahalala fa tsy mandainga aho. (aiōn g165)
Mungu na Baba wa Bwana Yesu—jina lake litukuzwe milele—yeye anajua kwamba sisemi uongo. (aiōn g165)
32 Tany Damaskosy ny governora notendren’ i Areta mpanjaka dia nampiambina ny tanàna Damaskosy mba hisambotra ahy;
Nilipokuwa Damasko, mkuu wa mkoa, aliyekuwa chini ya mfalme Areta, alikuwa akiulinda mji wa Damasko ili apate kunikamata.
33 fa avy teo amin’ ny varavarankely eo amin’ ny mànda no nampidinana ahy tamin’ ny sobiky, ka dia afa-nandositra ny tànany aho.
Lakini, ndani ya kapu kubwa, niliteremshwa nje kupitia katika nafasi ukutani, nikachopoka mikononi mwake.

< 2 Korintiana 11 >