< ローマ人への手紙 11 >

1 第三款 イスラエル人に取りての大いなる慰 然らば我は言はん、神は其民を棄て給ひしかと、然らず、其は我もイスラエル人にして、アブラハムの裔、ベンヤミンの族なればなり。
Dia hoy izaho: Sao narian’ Andriamanitra anie ny olony? Sanatria izany! fa izaho koa mba Isiraelita’ taranak’ i Abrahama ihany, avy amin’ ny firenen’ i Benjamina.
2 神は豫知し給ひし己の民を棄て給はざりしなり。汝等エリアに就きて聖書の曰へる事を知らざるか、即ち彼イスラエル人を神に訟へて言へらく、
Andriamanitra tsy nanary ny olony izay efa fantany rahateo; sa tsy fantatrareo izay lazain’ ny Soratra Masìna eo amin’ ny tantaran’ i Elia, dia ilay fitarainany tamin’ Andriamanitra nentiny namely ny Isiraely hoe:
3 「主よ、彼等は主の預言者等を殺し、悉く主の祭壇を毀てり、然て我一人殘れるに、尚我命を求めんとするなり」と。
Jehovah ô, efa namono ny mpaminaninao sy nandrava ny alitaranao izy: ary izaho irery ihany no sisa, ka mitady ny aiko koa izy?
4 而して神の御答に何と曰へるぞ、「我は己の為に、バアルの前に跪かざる七千の男子を殘したるなり」と。
Fa ahoana no navalin’ Andriamanitra azy? Izaho efa niaro fito arivo lahy ho Ahy, dia izay tsy mba nandohalika tamin’ i Bala.
5 斯の如く、今の時も亦恩寵の撰に由りて殘れる者は救はれたり。
Dia toy izany koa amin’ izao andro ankehitriny izao misy sisa ihany araka ny fifidianana amin’ ny fahasoavana.
6 恩寵に由れば業に由るに非ず、然らざれば恩寵は最早恩寵に非ざるべし。
Ary raha avy amin’ ny fahasoavana izany, dia tsy mba avy amin’ ny asa intsony; fa raha izany, dia tsy fahasoavana intsony ny fahasoavana.
7 然らば何ぞや、イスラエル人は其求め居たりし所を得ず、撰まれたる人は之を得て、他の人は頑固になれり。
Ahoana ary? Izay notadiavin’ ny Isiraely dia tsy azony, fa ny voafidy ihany no nahazo izany, fa nohamafìna ny fon’ ny sisa;
8 録して、「神は彼等に茫然たる精神、見得べからざる目、聞得べからざる耳を賜ひて今日に至る」、とあるが如し。
araka ny voasoratra hoe: Andriamanitra efa nanome azy fanahy sondrian-tory sy maso tsy hahita, ary sofina tsy hahare, mandraka androany
9 ダヴィド又曰く「願はくは彼等の食卓、網となり、罠となり、躓くものとなり、報となれかし、
Ary hoy Davida: Aoka ny latabany ho fandrika sy ho tonta Ary ho fahatafintohinana sy ho famaliana azy;
10 其目は眩みて見えざらしめ、其背は何時も屈ましめ給へ」、と。
Aoka ny masony ho jamba tsy hahita, Ary aoka hamokoka mandrakariva izy.
11 然れば我は言はん、彼等の躓きしは倒れん為なるかと、然らず、却て彼等を妬ましむる様、其堕落によりて、救は異邦人の上に來れり。
Dia hoy izaho: Sao dia tafintohina ho lavo anie ny Isiraely? Sanatria izany! fa ny fahatafintohinany no nahatonga famonjena ho an’ ny jentilisa mba hampialona azy.
12 若彼等の堕落が世の富となり、其減少は異邦人の富とならば、况や彼等の全數をや。
Ary raha ny fahatafintohinany no tonga haren’ izao tontolo izao, ary ny nihenany no tonga haren’ ny jentilisa, mainka fa ny hafenoany.
13 蓋我、汝等異邦人に謂はん、我異邦人の使徒たる間は、我が[聖]役に榮誉を來さん。
Fa ianareo jentilisa no itenenako. Koa satria Apostolin’ ny jentilisa aho, dia mankalaza ny fanompoako,
14 是如何にもして、我骨肉たる者を刺激して之を励まし、其幾何かを救はん為なり。
raha mba misy hahazoako hampialona ireo mifanapa-tsinay amiko, mba hamonjeko ny sasany aminy.
15 蓋彼等の排斥が世の和睦とならば、其採用は豈死より再生するに同じからざらんや。
Fa raha ny fanariana azy no fampihavanana izao tontolo izao, tsy ho fitsanganana amin’ ny maty ny fandraisana azy?
16 若麪の初穂聖ならば全體も然あるべく、根聖ならば枝も然あるべし。
Ary koa, raha masìna ny santatra, dia masìna koa ny vongany; ary raha masìna ny fakany, dia masìna koa ny sampany.
17 假令幾何かの枝折られて、野生の橄欖たりし汝之に接がれ、橄欖の根と液汁とを共にするものとなりたりとも、
Fa raha notapahina ny sampany sasany, ary ianao izay tahaka ny hazo oliva maniry ho azy kosa no natsofoka teo aminy mba niombona ny fakan’ ny menaky ny hazo oliva
18 枝に向ひて誇ること勿れ、誇らんとするも、汝が根を保つに非ずして根こそ汝を保つなれ。
dia aza mirehareha amin’ ny sampany; fa raha mirehareha ianao, tsy ianao no mitondra ny fakany, fa ny fakany no mitondra anao.
19 汝或は言はん、枝の折られしは我が接がれん為なりと。
Ary ianao dia hanao hoe: Notapahina ny sampany sasany hanatsofohana ahy.
20 諾し、彼等は其不信仰に由りて折られしに、汝は信仰に由りて立てるなり。然れど驕ること勿れ、却て懼れよ。
Marina ihany izany; ny tsi-finoany no nanapahana azy, ary ny finoanao kosa no itoeranao. Aza miavonavona, fa matahora;
21 蓋神は原樹の枝を惜み給はざりしなれば、恐くは汝をも惜み給はざるべし。
fa raha ny tena sampana aza tsy navelan’ Andriamanitra, dia tsy havelany koa ianao.
22 然れば神の慈愛と厳格とを見よ、倒れし人々に對しては惟厳格、汝に對しては惟慈愛、但是汝が其慈愛に止ればのみ、然らずんば汝も取除かるべし。
Koa indro ny fahamoram-panahin’ Andriamanitra sy ny fahasaro-pony: amin’ izay lavo dia fahasaro-po; fa aminao kosa dia fahamoram-panahin’ Andriamanitra, raha maharitra ao amin’ ny fahamoram-panahiny ianao; fa raha tsy izany, dia hotapahina koa ianao.
23 彼等も若不信仰に止らずば接がるるならん、其は神は再び之を接ぐことを得給へばなり。
Ary ireny kosa, raha tsy mikikitra eo amin’ ny tsi-finoana, dia hatsofoka ihany; fa azon’ Andriamanitra atsofoka indray izy.
24 汝は生來野生なる橄欖より切取られ、其本性に反して好き橄欖に接がれたれば、况や本性のものが原の橄欖に接がるるをや。
Fa raha notapahina tamin’ ny hazo oliva naniry ho azy ianao ka natsofoka tamin’ ny hazo oliva tsara, nefa tsy tena sampany, mainka fa izay tena sampany no hatsofoka amin’ ny hazo oliva nanapahana azy.
25 兄弟等よ、自ら敏しとする事なからん為に、我は汝等が此奥義を知らざるを好まず、即ちイスラエルの幾部分の頑固になれるは、異邦人全體の入來るまでなり。
Fa tsy tiako tsy ho fantatrareo izany zava-miafina izany, ry rahalahy (fandrao mihevitra ny tenanareo ho hendry ianareo), fa efa misy fahamafiam-po manjo ny Isiraely sasany mandra-piditry ny hafenoan’ ny jentilisa;
26 斯てイスラエルは挙りて救はるるに至るべし、録して、「救ふ者シオンに來り、ヤコブより不敬を去らしめん。
ary amin’ izany dia hovonjena avokoa ny Isiraely rehetra, ― araka ny voasoratra hoe: Hivoaka avy any Ziona ny Mpanafaka, Ary hampiala ny haratsiam-panahy amin’ i Jakoba Izy;
27 我彼等の罪を取除きたらん時、彼等と結ぶべき約束は是なり」、とあるが如し。
Ary izao no fanekeko aminy, raha manaisotra ny fahotany Aho.
28 福音に就きては、彼等汝等の為に敵なれども、選抜に就きては其祖先の為に至愛の者なり、
Raha ny amin’ ny filazantsara dia fahavalo izy noho ny aminareo; fa raha ny amin’ ny fifidianana kosa dia malala izy noho ny amin’ ny razana.
29 其は神の賜と召とは、取消さるる事なければなり。
Fa ny fanomezam-pahasoavana sy ny fiantsoan’ Andriamanitra dia tsy misy hanenenany.
30 斯て汝等も原神に從はざりしに、今や彼等の不從順に由りて慈悲を蒙りし如く、
Fa tahaka anareo tsy nanaiky an’ Andriamanitra fahiny, nefa ankehitriny ny tsi-faneken’ ireny no nahazoanareo famindram-po,
31 今彼等の從はざるも亦汝等の[蒙りし]慈悲に由りて己も慈悲を蒙らん為なり。
dia toy izany kosa ankehitriny, tsy nanaiky ireny, mba hahazoany famindram-po ankehitriny noho ny famindram-po azonareo.
32 是衆人を憫み給はん為に、神が之を不從順に籠め給へるなり。 (eleēsē g1653)
Fa Andriamanitra nanidy azy rehetra tamin’ ny tsi-fanekena, mba hamindrany fo amin’ izy rehetra. (eleēsē g1653)
33 嗚呼高大なる哉、神の富と智恵と知識と。其判定の覚り難さよ、其道の極め難さよ。
Endrey ny halalin’ ny haren’ Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany! ny fitsarany tsy hita lany, ary ny lalany tsy azo fantarina!
34 誰か主の御心を知り、誰か之と共に議りたるぞ。
Fa iza no nahalala ny sain’ i Jehovah? ary iza no mpanolo-tsaina Azy?
35 誰か先之に與へて、其報を得ん者ぞ。
Na iza no nanome Azy aloha hamaliana azy indray?
36 蓋萬事は彼に倚りて彼を以て彼の為に在り、光榮世々彼に歸す、アメン。 (aiōn g165)
Fa Izy no nihavian’ izao zavatra rehetra izao, ary Izy no mihazona azy, sady Izy koa no antony; Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay. Amena. (aiōn g165)

< ローマ人への手紙 11 >