< ヨハネの黙示録 9 >

1 第五の天使喇叭を吹きしに、我一の星の天より地に落ちたるを見たり。然て彼は底なき淵の穴の鍵を授けられ、 (Abyssos g12)
Ary ny anjely fahadimy nitsoka, dia hitako fa, indro, nisy kintana anankiray avy tany an-danitra latsaka tamin’ ny tany; ary nomena ilay anjely ny fanalahidin’ ny lavaka tsy hita noanoa. (Abyssos g12)
2 淵の穴を開きしかば、大いなる炉の烟の如き烟穴より立昇りて、日も空も穴の烟の為に暗まされたり。 (Abyssos g12)
Ary nanokatra ny lavaka tsy hita noanoa izy, dia nisy setroka niakatra ary tamin’ ny lavaka, tahaka ny setroka ary amin’ ny lafaoro lehibe, ary tonga maizina ny masoandro sy ny habahabaka noho ny setroka avy tao amin’ ny lavaka. (Abyssos g12)
3 又穴の烟より蝗地上に出でて、地の蠍の如き力を授けられ、
Ary nisy valala nivoaka avy tamin’ ny setroka nankamin’ ny tany; ary nomena hery ireny, tahaka ny herin’ ny maingoka amin’ ny tany.
4 地の草、凡ての青物、及び如何なる樹木をも害する事なく、唯己が額に神の印を有せざる人々をのみ害すべき事を命ぜられたり。
Ary nilazana izy mba tsy hanimba ny ahitra amin’ ny tany, na ny zava-maitso, na ny hazo akory aza, fa ny olona izay tsy manana ny tombo-kasen’ Andriamanitra eo amin’ ny handriny ihany.
5 但之を殺す事なく、五箇月の間苦しむる力を授けられ、其苦は蠍の人を刺したる時の苦に等し。
Nefa tsy navela hahafaty ary izy, fa ny hampanaintaina ary dimy volana; ary ny fampanaintainany dia tahaka ny fampanaintainan’ ny maingoka, raha mamely olona.
6 此時人々死を求めて而も之に遇はず死を望みて而も死は彼等を遠ざかるべし。
Ary amin’ izany andro izany dia hitady fahafatesana ny olona, fa tsy hahita; ary haniry ho faty izy, fa mandositra ary ny fahafatesana.
7 彼蝗の状は戰に備へたる馬に似て、頭には金に似たる冠の如きものあり、顔は人の顔の如く、
Ary ny endriky ny valala dia tahaka ny soavaly voaomana ho enti-miady; ary tamin’ ny lohany nisy satro-boninahitra toy ny volamena, ary ny tavany tahaka ny tavan’ olona.
8 女の髪毛の如き毛ありて、歯は獅子の歯に等しく、
Ary nanam-bolo tahaka ny volom-behivavy izy, ary ny nifiny tahaka ny an’ ny liona.
9 鉄の鎧の如き鎧ありて、翼の音は多くの馬に曳かれて戰場に走る車の音の如く、
Ary nanam-piarovan-tratra tahaka ny fiarovan-tratra vy izy; ary ny fikopakopaky ny elany dia tahaka ny fikotrokotroky ny kalesy entin’ ny soavaly betsaka miriotra ho amin’ ny ady.
10 尚蠍の如き尾ありて、其尾に刺あり、其力は五箇月の間人を害すべし。
Ary manan-drambo tahaka ny maingoka izy sady misy fanindronana; ary amin’ ny rambony no misy ny heriny hampahoriany ny olona dimy volana.
11 此蝗を司る王は底なき淵の使にして、名はヘブレオ語にてアバッドン、ギリシア語にてアポルリオンと云ひ、ラテン語[の意味]は破壊者なり。 (Abyssos g12)
Ary manana ny anjelin’ ny lavaka tsy hita noanoa ho mpanjakany izy; ny anarany amin’ ny teny Hebreo dia Abadona, fa amin’ ny teny Grika kosa dia Apolyona no anarany. (Abyssos g12)
12 一の禍過ぎて尚二の禍來らんとす。
Lasa ny loza anankiray; indreo, ho avy ny loza roa hafa koa, rehefa afaka izao.
13 第六の天使喇叭を吹きしかば我聞きたるに、神の御目前なる金の香台の四隅より一の聲出で、
Ary ny anjely fahenina nitsoka, dia nahare feo ary tamin’ ny tandroky ny alitara volamena eo anatrehan’ Andriamanitra aho,
14 喇叭を持てる第六の天使に謂ひけるは、ユウフラテの大河の辺に繋がれたる四の天使を免せ、と、
nanao tamin’ ny anjely fahenina, izay nanana ny trompetra, hoe: Vahao ny anjely efatra izay mifatotra any Eofrata, ony lehibe.
15 斯て年月日時を期して人間の三分の一を殺さんと構へたる、四の天使免されたり。
Dia novahana ny anjely efatra izay voaomana ho amin’ ny ora sy ny andro sy ny volana ary ny taona mba hahafaty ny ampahatelon’ ny olona.
16 騎兵の數は二億にして我其數を聞けり。
Ary ny isan’ ny miaramila an-tsoavaly dia roa alinalina; nahare ny isany aho.
17 然て我幻影に其馬を見しが、之に乗れる者は緋色、紫色、硫黄色の鎧を着け、馬の頭は獅子の頭の如くにして、其口より火と烟と硫黄と出で、
Ary toy izao no nahitako ny soavaly teo amin’ ny fahitana sy izay nitaingina azy: manana-piarovan-tratra tahaka ny afo sy ny setroka ary ny solifara izy; ary ny lohan’ ny soavaly dia tahaka ny lohan’ ny liona; ary misy afo sy setroka ary solifara mivoaka ary amin’ ny vavany.
18 此三の禍、即ち其口より出づる火と烟と硫黄との為に人間の三分の一殺されたり。
Ireo loza telo loha ireo, dia ny afo sy ny setroka ary ny solifara izay nivoaka ary tamin’ ny vavany, no nahafaty ny ampahatelon’ ny olona.
19 其馬の力は口と尾とに在り、其尾は蛇の如くにして頭を備へ、之を以て害を加ふるなり。
Fa ny herin’ ny soavaly dia eo amin’ ny vavany sy ny rambony; fa ny rambony dia tahaka ny menarana sady manan-doha, ka ireny no entiny mampahory.
20 是等の禍によりて殺されざりし人々は、尚其手の業より改心せずして惡鬼等を拝し、見聞き歩む事を得ざる金、銀、銅、木、石の偶像を拝する事を歇めず、
Nefa ny olona sisa, izay tsy matin’ ireo loza ireo, dia tsy nibebaka hiala tamin’ ny asan’ ny tànany, mba tsy hivavaka amin’ ny demonia sy ny sampy volamena sy volafotsy sy varahina sy vato ary hazo, izay tsy mahajery, na mahare, na afa-mamindra;
21 其殺人、其害毒、其私通、其窃取の罪よりも改心せざりき。
ary tsy nibebaka tamin’ ny namonoany olona izy, na tamin’ ny nanaovany ody ratsy, na tamin’ ny fijangajangany, na tamin’ ny halatra nataony koa.

< ヨハネの黙示録 9 >