< ヨハネの黙示録 8 >

1 第一款 豫備の出現 [羔]第七の封印を解き給ひしかば、天上静まりかへる事半時間。
Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahafito, dia nangina tokony ho antsasaky ny ora ny tany an-danitra.
2 我又見たるに、七の天使神の御前に立ちて七の喇叭を授けられ、
Ary hitako ny anjely fito izay mitsangana eo anatrehan’ Andriamanitra; ary nomena trompetra fito ireo.
3 別に又一の天使、金の香炉を持來りて香台の上に立ち、多くの香を授けられしが、是諸聖人の祈に加へて、神の玉座の前なる金の香台の上に献げん為なり。
Ary nisy anjely anankiray koa tonga ka nitsangana teo ambonin’ ny alitara ary nitondra lovia volamena fandoroana ditin-kazo manitra; ary nomena ditin-kazo manitra betsaka iry, hanaterany azy mbamin’ ny vavaky ny olona masìna rehetra eo ambonin’ ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra, izay eo anoloan’ ny seza fiandrianana.
4 斯て香の烟は、諸聖人の祈と共に天使の手より神の御前に立昇りしが、
Ary ny fofon’ ny ditin-kazo manitra mbamin’ ny vavaky ny olona masìna dia niakatra avy eo an-tànan’ ny anjely ho eo anatrehan’ Andriamanitra.
5 天使香炉を取り、之に香台の火を盛りて地に投げしかば、雷と聲と電光と大地震と起り、
Ary ny anjely nandray ny lovia fandoroana ditin-kazo manitra, dia nameno azy tamin’ ny afo teo amin’ ny alitara ka nanipy izany tamin’ ny tany; dia nisy kotrokorana sy feo sy helatra ary horohorontany.
6 又七の喇叭を持てる七の天使、喇叭を吹かん身構を為せり。
Ary ny anjely fito izay nanana ny trompetra fito dia niomana hitsoka.
7 第二款 初の六の喇叭 斯て第一の天使喇叭を吹きしに、血の雑りたる雹と火と起りて地に降らされ、地の三分の一燃上り、樹木の三分の一燃上り、緑草悉く焼盡されたり。
Ary ny voalohany nitsoka, dia nisy havandra sy afo miharoharo rà, ka nararaka tamin’ ny tany irany; ary may ny ampahatelon’ ny tany, ary may ny ampahatelon’ ny hazo, ary may koa ny ahi-maitso rehetra.
8 第二の天使喇叭を吹きしに、火の燃ゆる大いなる山の如きもの海に投げられ、海の三分の一血に變じて、
Ary ny anjely faharoa nitsoka, dia nisy toa tendrombohitra lehibe mirehitra afo natsipy tany an-dranomasina; ary tonga rà ny ampahatelon’ ny ranomasina;
9 海の中に活ける被造物の三分の一死し、船の三分の一も亡びたり。
ary maty ny ampahatelon’ ny zava-manan’ aina tao an dranomasina; ary rava ny ampahatelon’ ny sambo.
10 第三の天使喇叭を吹きしに、松明の如くに燃ゆる大いなる星天より落ちて、河の三分の一と水の源との上に落ちたり。
Ary ny anjely fahatelo nitsoka, dia nisy kintana lehibe mirehitra toy ny fanilo latsaka avy tany an-danitra; ny latsaka tamin’ ny ampahatelon’ ny ony sy tamin’ ny loharano izany;
11 此星は名を苦艾と云ひ、水の三分の一は苦艾の如くに成りて、水の苦く成りしが為に多くの人死せり。
ary ny anaran’ ilay kintana dia atao hoe Zava-mangidy; dia tonga mangidy ny ampahatelon’ ny rano; ary maro ny olona no matin’ ny rano, satria efa nangidy izany.
12 第四の天使喇叭を吹きしに、日の三分の一と月の三分の一と打たれしかば、其三分の一は暗み、晝も三分の一は光らず、夜も亦同じ。
Ary ny anjely fahefatra nitsoka, dia nasiana ny ampahatelon’ ny masoandro sy ny ampahatelon’ ny volana ary ny ampahatelon’ ny kintana rehetra, mba ho maizina ny ampahatelony, ka tsy hazava ny ampahatelon’ ny andro, mba ho toy izany koa ny alina.
13 我尚見たるに、天の中央を飛べる一の鷲聲高く、禍なる哉、禍なる哉、禍なる哉、地上に住める人々、尚喇叭を吹かんとする三の天使の聲によりて、と言へるを聞けり。
Dia nahita ny nahare voromahery anankiray nanidina teny afovoan’ ny lanitra aho, izay nanao tamin’ ny feo mahery hoe: Loza, loza, loza ho an’ izay monina eny ambonin’ ny tany noho ny feo sisa an’ ny trompetry ny anjely telo izay efa hitsoka!

< ヨハネの黙示録 8 >