< ガラテヤ人への手紙 6 >

1 第二項 特別の勧告 兄弟等よ、人若誘はれて過つ事ありとも、汝等は霊に導かるる者なれば、己も亦誘はるる事あるべきを省みて、柔和なる精神を以て之を改善せしめよ。
Ry rahalahy, raha misy olona azon’ ny ota tsy nahy aza, dia atsanganonareo izay manana ny Fanahy amin’ ny fahamorana izy, ka mihevera ny tenanao, fandrao ianao koa mba halaim-panahy ihany.
2 汝等は互の荷を負へ、然らばキリストの律法を全うすべし。
Mifampitondrà izay mahavesatra, ary aoka izany no hahatanterahanareo ny lalàn’ i Kristy.
3 蓋人何者にも非ざるに、何者かなりと思ふは自ら欺くなり。
Fa raha misy manao ny tenany ho zavatra, kanjo tsinontsinona, dia mamitaka ny tenany izy.
4 各己が行状を試し見よ、然らば他人に對して誇らず、己のみによりて誇るならん、
Fa aoka ny olona rehetra samy hizaha toetra ny asany avy, dia samy hanana hafaliana ny amin’ ny tenany ihany izy, fa tsy ny amin’ ny olon-kafa;
5 其は人各己が荷を負ふべければなり。
fa samy hitondra ny entany avy ny olona rehetra.
6 教を學ぶ人は、學ばしむる人に一切の所有物の内を分與へよ。
Aoka izay ampianarina ny teny mba hahafoy zava-tsoa ho an’ izay mampianatra.
7 自ら欺く勿れ、神は侮られ給ふものに非ず、人は其撒きし所を刈取らん、
Aza mety hofitahina ianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ ny olona no hojinjany.
8 即ち己が肉の為に蒔く人は、又肉より腐敗を刈取り、霊の為に撒く人は、又霊より永遠の生命を刈取らん。 (aiōnios g166)
Fa izay mamafy ho an’ ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin’ ny nofo; ary izay mamafy ho an’ ny Fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin’ ny Fanahy. (aiōnios g166)
9 我等は善を為すに倦むべからず、其は時機至らば、倦まずして刈取るべければなり。
Ary aza mba ketraka amin’ ny fanaovan-tsoa isika; fa amin’ ny fotoan’ andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika.
10 然れば暇ある間は、我等は衆人特に信仰の家人に善を為すべし。
Koa araka ny ananantsika andro hanaovana, dia aoka isika hanao soa amin’ ny olona rehetra, indrindra fa amin’ ny mpianakavin’ ny finoana.
11 結末 看よ、我手づから如何なる大字にて汝等に書贈れるかを。
Indro ny havaventin’ ny soratra izay soratan’ ny tanako ho aminareo.
12 凡肉に於て人心を獲んと欲する人は、強ひて汝等に割禮を受けしむ、是唯キリストの十字架によりて迫害を受けざらん為のみ。
Na iza na iza te-hiseho ho tsara amin’ ny nofo, dia ireo no manery anareo hoforana, nefa noho izao ihany: fandrao henjehina noho ny hazo fijalian’ i Kristy izy.
13 斯く割禮を受くる人々が、自ら律法を守らずして汝等に割禮を受けしめんとするは、汝等の肉身に就きて誇らん為なり。
Fa na dia ny tenan’ izy voafora aza dia tsy mitandrina ny lalàna; kanefa tiany ho forana koa ianareo, mba hireharehany amin’ ny nofonareo.
14 我は我主イエズス、キリストの十字架に於ての外は決して誇る事なかるべし。彼を以て世は我に取りて十字架に釘けられたるものにして、我が世に於るも亦然り。
Fa sanatria raha mba misy hataoko rehareha afa-tsy ny hazo fijalian’ i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nahavoahombo izao tontolo izao tamin’ ny hazo fijaliana, raha ny amiko, ary izaho kosa, raha ny amin’ izao tontolo izao.
15 蓋キリスト、イエズスに於て價値あるは、割禮に非ず無割禮に非ず、新なる被造物なり。
Fa samy tsy mahasoa na ny famorana na ny tsi-famorana, fa ny ho olom-baovao.
16 誰にもあれ、此法に從へる人々の上に、冀はくは平安と慈悲とあれかし、神のイスラエルの上にも亦然あれかし。
Ary izay rehetra mandeha araka ity fitsipika ity, dia ho aminy anie ny fiadanana sy ny famindram-po, ary ho amin’ ny Isiraelin’ Andriamanitra.
17 今より後誰も我を煩はすべからず、其は我主イエズスの傷痕を身に負へばなり。
Amin’ izao sisa izao aoka tsy hisy hanahirana ahy intsony; fa izaho mitondra ny marik’ i Jesosy voatomboka eo amin’ ny tenako.
18 兄弟等よ、願はくは我主イエズス、キリストの恩寵、汝等の霊と共に在らん事を、アメン。
Ho amin’ ny fanahinareo anie, ry rahalahy, ny fahasoavan’ i Jesosy Kristy Tompontsika. Amena.

< ガラテヤ人への手紙 6 >