< 使徒の働き 6 >

1 第一 執事の選挙 其頃弟子の數の加はるに随ひ、ギリシア語のユデア人、其寡婦等が毎日の施に漏らされたりとて、ヘブレオ語のユデア人に對して呟くに至りしかば、
Ary tamin’ izany andro izany, rehefa nihamaro ny isan’ ny mpianatra, dia nimonomonona tamin’ ny Hebreo ny Helenista, satria tsy mba enina tamin’ ny fiantrana isan’ andro ny mpitondratenany.
2 十二使徒許多の弟子を呼集めて云ひけるは、我等が神の御言を措て食卓に給仕するは、道理に非ず。
Ary ny roa ambin’ ny folo lahy nampiangona ny mpianatra rehetra ka nanao hoe: Tsy mety raha mandao ny tenin’ Andriamanitra hitandrina latabatra izahay.
3 故に兄弟等よ、汝等の中より、聖霊と知慮とに充ちて好評ある者七人を選め、我等之に此事務を宰らしめ、
Koa amin’ izany, ry rahalahy, mizahà fito lahy eo aminareo, izay tsara laza sady feno ny Fanahy sy fahendrena, mba hotendrenay hitandrina izany raharaha izany.
4 自らは祈祷と宣教とに身を委ねん、と。
Fa izahay kosa haharitra amin’ ny fivavahana sy ny fampianarana.
5 此言群衆一同の心に適ひしかば、信仰と聖霊とに充てるステファノ並にフィリッポ、プロコロ、ニカノル、チモン、パルメナ、又ユデア教に歸依したりしアンチオキアのニコラを選みて、
Dia sitraky ny olona rehetra ny teniny, ka nifidy an’ i Stefana izy, lehilahy feno finoana sy ny Fanahy Masìna, ary Filipo sy Prokoro sy Nikanora sy Timona sy Parmena ary Nikoleo (proselyta avy any Antiokia),
6 使徒等の前に差出したるに、使徒等は祈祷しつつ之に按手せり。
ireo dia narosony teo anatrehan’ ny Apostoly; ary rehefa nivavaka ny Apostoly, dia nametra-tanana taminy.
7 斯て主の御言益弘まり、エルザレムに於て弟子の數の増す事非常にして、司祭の信仰に歸服したる者も亦夥しかりき。
Dia nandroso ny tenin’ Andriamanitra; ary nihamaro indrindra ny isan’ ny mpianatra tany Jerosalema; ary maro be kosa ny mpisorona nanaiky ny finoana.
8 第二 ステファノ衆議所に引かる 斯てステファノは恩寵と勇氣とに充ちて、大いなる奇蹟と徴とを人民の中に行ひ居たりしが、
Ary Stefana, feno fahasoavana sy hery, dia nanao fahagagana sy famantarana lehibe teo amin’ ny vahoaka.
9 或人々は、所謂被解放者の會堂、及びクレネ人、アレキサンドリア人、及びシリシアと[小]アジアとの出身者の諸會堂より起ちて、ステファノと争論すれども、
Fa ny sasany, izay avy amin’ ny synagoga atao hoe Synagogan’ ny Libertina sy ny Kyreniana sy ny Aleksandriana mbamin’ izay avy any Kilikia sy Asia, dia nitsangana ka niady hevitra tamin’ i Stefana.
10 彼の智恵と彼に於て語り給へる聖霊とに抵抗する事能はざりき。
Fa tsy nahatohitra ny fahendrena sy ny Fanahy izay nitenenany ireo;
11 然れば彼等或人々を教唆して、我等は彼がモイゼと神とを冒涜する言を出せるを聞けり、と云はしめ、
dia nisy olona nomeny vava hanao hoe: Efa renay niteny ratsy an’ i Mosesy sy Andriamanitra ity.
12 終に人民と長老と律法學士とを煽動して、一斉に飛掛りて之を捕へ、衆議所に引出し、
Ary nampitaitra ny olona sy ny loholona ary ny mpanora-dalàna izy, dia nankeo amin’ i Stefana ka nisarika azy, dia nitondra azy ho eo amin’ ny Synedriona;
13 僞證人を立てて云はせけるは、此人は聖所と律法とに反する言を語りて止まず、
ary izy nanangana vavolombelona mandainga, izay nanao hoe: Io lehilahy io tsy mitsahatra miteny ratsy ity fitoerana masìna ity sy ny lalàna;
14 即ち我等は、彼ナザレトのイエズス此所を亡ぼし、モイゼの我等に傳へし例を變ふべし、と彼が言ふを聞けり、と。
Fa efa renay izy nilaza fa ilay Jesosy avy any Nazareta dia handrava ity fitoerana ity sy hanova ny fomba izay natolotr’ i Mosesy antsika.
15 斯て議會に列座せる人、一同に目を注ぎてステファノを見れば、其顔恰も天使の顔の如くなりき。
Ary izay rehetra nipetraka teo amin’ ny Synedriona, raha nandinika an’ i Stefana, dia nahita ny tarehiny tahaka ny tarehin’ anjely.

< 使徒の働き 6 >