< 使徒の働き 12 >

1 第三項 ヘロデ、アギリッパ第一世教會を迫害す 當時ヘロデ王は、教會の或人々を悩まさんとして手を下し、
Ary tamin’ izany andro izany Heroda mpanjaka naninjitra ny tànany hampahory ny sasany tamin’ ny fiangonana.
2 刃を以てヨハネの兄弟ヤコボを殺ししが、
Ary izy namono an’ i Jakoba, rahalahin’ i Jaona, tamin’ ny sabatra.
3 其がユデア人の心に適へるを見て、亦ペトロをも捕へたり。時は無酵麪の祭日なりしかば、
Ary rehefa hitany fa sitraky ny Jiosy izany, dia nandroso nisambotra an’ i Petera koa izy. (Efa mby tamin’ ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira tamin’ izany.)
4 之を捕へて監獄に入れ、過越祭の後人民の前に出さん心構にて、四人組の兵卒四組に之を守らせたり。
Ary rehefa nosamboriny izy, dia nataony tao an-tranomaizina ka natolony tamin’ ny miaramila enina ambin’ ny folo hambenany; dia nikasa hamoaka azy ho eo amin’ ny vahoaka izy, rehefa afaka ny Paska.
5 斯てペトロは監獄に守られつつあるに、教會は頻に彼が為に神に祈りを為し居たり。
Ary Petera nambenana tao an-tranomaizina; ary ny fiangonana nahery nangataka tamin’ Andriamanitra ho azy.
6 然てヘロデが彼を出さんとする其前の夜、ペトロ二個の鎖に繋がれて二人の兵卒の間に眠り、看守等門前に在りて監獄を守り居たるに、
Ary nony efa hamoaka azy Heroda, dia natory teo anelanelan’ ny miaramila roa lahy Petera tamin’ iny alina iny, sady voafatotra tamin’ ny gadra roa izy; ary nisy mpiambina niambina ny tranomaizina teo am-baravarana.
7 折しも主の使傍に現れ、光明室内に輝きたり。天使ペトロの脇を叩きて之を覚まし、急ぎ起きよ、と云ひければ、鎖其手より落ちたり。
Ary, indro, nisy anjelin’ ny Tompo tonga teo, sady nisy mazava namirapiratra tao an-trano; ary izy nanohina ny tehezan’ i Petera, dia namoha azy ka nanao hoe: Mitsangàna faingana. Dia niala tamin’ ny tànany ny gadra.
8 天使又、汝帯を締めて履物を穿け、と云ひしに、ペトロ然為ししかば、又、上衣を身に纏ひて我に随へ、と云へり。
Ary hoy ilay anjely taminy: Misikìna, ary fehezo ny kapanao. Dia nataony izany. Ary hoy koa izy taminy: Tafio ny lambanao, ka manaraha ahy.
9 ペトロ出でて之に随ひ居たりしが、天使より為らるる事の眞なるを知らず、幻影を見る心地し居たり。
Dia nivoaka izy ka nanaraka ary; ary tsy fantany ho marina izay nataon’ ny anjely, fa nataony ho nahita fahitana ihany izy.
10 然て第一第二の番所を過ぎて、市に通ずる鉄の門に至りしかば、其門自ら彼等の為に開け、共に出でて一筋の街を往きしに、天使俄に彼を去れり。
Fa rehefa nandalo ny fiambenana voalohany sy faharoa izy, dia tonga teo amin’ ny vavahady vy izay mahazo ny lalana ho any an-tanàna; ary nivoha ho azy io mba halehany; ary nony nivoaka izy, dia nandroso tamin’ ny lalana iray; ary niaraka tamin’ izay dia nandao azy izay anjely.
11 其時ペトロ我に還りて、主が其使を遣りて我をヘロデの手、及びユデア人民の待設けし凡ての事より救出し給ひたるを今ぞ眞に覚りたる、と言ひて、
Ary rehefa nahatsiaro fanahy Petera, dia nanao hoe: Ankehitriny fantatro marina tokoa fa ny Tompo efa naniraka ny anjeliny ka namonjy ahy tamin’ ny tànan’ i Heroda sy ny fanantenan’ ny Jiosy rehetra.
12 思案しつつ、マルコと呼ばるるヨハネの母マリアの家に至れり。多くの人此處に集りて祈り居けるを、
Ary rehefa fantany tsara izany, dia nankany an-tranon’ i Maria, renin’ i Jaona, izay atao hoe koa Marka, izy; ary nisy olona maro niangona nivavaka tao.
13 ペトロ門の扉を叩きければ、ロデと云へる下女聞きに出で、
Ary raha nandondona ny vavahady Petera, dia nisy ankizivavy atao hoe Roda nankeo hihaino.
14 ペトロの聲を聞知るや、喜の餘り門を開かずして奥に駈入り、ペトロ門前に立てり、と告げしかば、
Ary rehefa nahalala ny feon’ i Petera izy, dia tsy namoha ny vavahady noho ny hafaliany, fa lasa nihazakazaka ary niditra ka nilaza fa Petera no mijanona eo am-bavahady.
15 人々ロデに向ひ、汝は心狂へり、と云ひたれど、下女は、其なりと断言するに、人々、其はペトロの天使ならん、と云ひ居たり。
Fa hoy ny olona taminy: Very saina ianao. Fa izy nitompo rariny fa izany tokoa. Dia hoy indray ny olona: Anjeliny izany.
16 然れどペトロ叩きて止まざれば、人々門を開き、彼を見て驚きしが、
Fa Petera naharitra nandòndòna ihany, ary rehefa novohany, dia nahita azy ireo ka talanjona.
17 彼手眞似にて人々を静め、主の己を監獄より取出し給ひし次第を語り、是等の事をヤコボ及び兄弟等に告げよ、と云ひて、出でて他の處に往けり。
Fa izy nanofa tanana azy mba hangina, dia nanambara taminy izay namoahan’ ny Tompo azy avy tao an-tranomaizina. Ary dia hoy izy: Ambarao amin’ i Jakoba sy ny rahalahy izany zavatra izany. Dia niala izy ka lasa nankany amin’ ny fitoerana hafa.
18 拂暁に及びて、ペトロは如何にせしぞ、とて兵卒中の騒一方ならず、
Ary rehefa nazava ny andro, dia nifanaritaka be ihany ny miaramila ka nanao hoe: Nankaiza Petera?
19 ヘロデはペトロを索めて之を見出さざりしかば、看守を審問して死罪に處し、斯てユデアよりカイザリアに下りて、其處に留れり。
Ary rehefa nitady azy fatratra Heroda, fa tsy nahita, dia nadininy ny mpiambina ka nasainy novonoina. Ary Heroda nidina niala tany Jodia hankany Kaisaria, dia nitoetra tany.
20 然てチロ及シドンの人々、ヘロデの怒に触れしにより、心を合せて彼が許に至り、王室の侍從プラストの紹介を得て和睦を求めたり、其は彼等の地方は王の國によりて糊口すればなり。
Ary Heroda tezitra loatra tamin’ ny Tyriana sy ny Sidoniana; fa niray saina kosa ireo ka nankany aminy, ary rehefa nahazo an’ i Blasto, mpitandrina ny trano fandrian’ ny mpanjaka, ho sakaizany, dia nangataka fihavanana, satria ny taniny nivelona tamin’ ny tanin’ i Heroda.
21 期日に當りてヘロデ王服を着し、高座に就きて彼等に談話を為しけるを、
Ary tamin’ ny andro voatendry dia niakanjo akanjom-panjakana Heroda ka nipetraka teo ambonin’ ny seza fiandrianany, dia nikabary tamin’ ny vahoaka.
22 人民、是神の聲なり、人の聲に非ず、と稱讃せるに、
Ary ny vahoaka niantso hoe: Feon’ Andriamanitra izany, fa tsy an’ olona!
23 ヘロデ神に光榮を歸せざりければ、忽ち主の使に打たれ、蟲に喰まれて死せり。
Ary niaraka tamin’ izay dia nisy anjelin’ ny Tompo namely azy, satria tsy nanome voninahitra an’ Andriamanitra izy; ka dia nohanin’ ny kankana izy ka maty.
24 斯て、主の御言榮え広がりつつありしが、
Ary nandroso sy niely ny tenin’ Andriamanitra.
25 バルナバとサウロとは聖役を終へ、マルコとも呼ばるるヨハネを携へてエルザレムより歸れり。
Ary Barnabasy sy Saoly niverina avy tany Jerosalema, rehefa vita ny fanompoany, dia nitondra an’ i Jaona, izay atao hoe Marka, hiaraka aminy.

< 使徒の働き 12 >