< テサロニケ人への手紙第二 1 >

1 パウロ、シルヴァノ及びチモテオ、我父にて在す神、及び主イエズス、キリストに在るテサロニケ人の教會に[書簡を贈る]。
Paoly sy Silasy ary Timoty mamangy ny fiangonan’ ny Tesaloniana, izay ao amin’ Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo:
2 願はくは我父にて在す神、及び主イエズス、キリストより、恩寵と平安とを汝等に賜はらん事を。
ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo.
3 兄弟等よ、我等は絶えず汝等に就きて相當に神に感謝せざるべからず。是汝等の信仰益増加して、面々の愛情も皆互に豊なればなり。
Tsy maintsy misaotra an’ Andriamanitra mandrakariva izahay noho ny aminareo, ry rahalahy, fa mahamendrika isany, satria mitombo fatratra ny finoanareo, ary be ny fifankatiavanareo rehetra,
4 然れば我等自らも汝等を以て、即ち其忍べる凡ての迫害及び患難に於る忍耐と信仰とを以て、神の諸教會の間に誇とす。
ka reharehan’ ny tenanay ianareo eny amin’ ny fiangonan’ Andriamanitra noho ny faharetanareo sy ny finoanareo amin’ ny fanenjehana rehetra izay manjo anareo sy ny fahoriana izay iaretanareo ―
5 此患難は神の正しき審判の徴にして、汝等が神の國の為に苦しみて之に入るに足る者とせられん為なり。
famantarana ny fitsarana marin’ Andriamanitra izany ― mba hatao ho miendrika ny fanjakan’ Andriamanitra ianareo, sady izany koa no iaretanareo
6 其は汝等を悩ます人々に悩を以て報い給ふは、神に取りて正當の事なれば、
fa zavatra marina amin’ Andriamanitra ny hamaly fahoriana izay mampahory anareo,
7 悩める汝等にも我等と共に安息を賜ふ事正當なり。是主イエズス、其能力の天使等を随へて天より顕れ給ふ時の事にして、
ary ny hanome fitsaharana anareo izay ampahorina kosa mbamin’ ny tenanay, raha hiseho Jesosy Tompo, avy any an-danitra mbamin’ ny anjelin’ ny heriny,
8 即ち焔の中に於て、神を知らざる人々、我主イエズス、キリストの福音に從はざる人々に報い給ふ時に當りて、
amin’ ny afo midedadeda, hamaly izay tsy mahalala an’ Andriamanitra sy izay tsy manaiky ny filazantsaran’ i Jesosy Tompontsika,
9 彼等は主の御顔と其能力の光榮とを離れて終なき亡の罰を受けん、 (aiōnios g166)
dia olona izay hiharan’ ny famaliana marina dia fahaverezana mandrakizay avy amin’ ny fanatrehan’ ny Tompo sy ny voninahitry ny heriny, (aiōnios g166)
10 其時主來り給ひて、其聖徒によりて光榮を受け給ひ、信じたる凡ての人より誉を得給ふべし、是我等の證する所、汝等に信ぜられたればなり。
raha tonga Izy mba hankalazaina eo amin’ ny olony masìna sy higagana eo amin’ izay rehetra mino amin izany andro izany, satria ninoana ny fanambaranay taminareo.
11 故に我等常に汝等の為に祈りて、我神汝等をして其召に適はしめ、且及ぶ限り凡ての善意と信仰の業とを全うし給はん事を願ひ奉る。
Ary izany no angatahinay mandrakariva ny aminareo, mba hataon’ Andriamanitsika ho miendrika ny fiantsoana ianareo, ary hotanterahiny amin’ ny hery ny fankasitrahana tsara rehetra sy ny asan’ ny finoana,
12 是我神と主イエズス、キリストとの恩寵に由りて、我主イエズス、キリストの御名汝等の中に光榮を着せられ、汝等も彼に在りて光榮を得ん為なり。
mba hankalazaina ao aminareo ny anaran’ i Jesosy Tompontsika, ary ianareo ao aminy kosa, araka ny fahasoavan’ Andriamanitsika sy Jesosy Kristy Tompo.

< テサロニケ人への手紙第二 1 >