< ペテロの手紙第一 5 >

1 第二項 牧師及び信徒に関する特別の勧告。 汝等の中の長老には、我も共に長老として、又キリストの苦難の證人として、将來顕るべき光榮に與る者として希ふ。
Koa ny amin’ ny loholona izay eo aminareo, izaho, izay naman ny loholona sy vavolombelon’ ny fijalian’ i Kristy ary mpiombona ny voninahitra efa haseho koa, dia mananatra azy hoe:
2 汝等の中に在る所の神の羊の群を牧せよ、之を監督するに、強ひられてせずして喜びて神の御為にし、耻かしき利の為にせずして特志を以て行ひ、
Andraso ny ondrin’ Andriamanitra izay eo aminareo, mitandrina azy tsy an-terỳ, fa amin’ ny sitrapo [araka an’ Andriamanitra]; tsy amin’ ny fitiavana harena maloto, fa amin’ ny zotom-panahy;
3 托せられたる人々を壓制せずして、心より群の模範と成るべし。
tsy ho mpanjakazaka, amin’ ny anjara-fiandrasana, fa ho fianaran’ ny ondry.
4 然らば大牧者の顕れ給はん時、汝等凋まざる光榮の冠を得べし。
Ary rehefa miseho ny Lohan’ ny mpiandry, dia hahazo ny satro-boninahitra tsy mety simba ianareo,
5 若き者よ、汝等も亦長老に服せよ、皆互に謙遜を帯びよ、神は傲慢なる者に逆らひて、謙遜なる者に恩寵を賜へばなり。
Ary ianareo izay mbola tanora fanahy kosa, dia maneke ny loholona. Eny, samia misikìna fanetren-tena ianareo ka mifanompoa; fa “Andriamanitra manohitra ny miavonavona, fa manome fahasoavana ho an’ ny manetry tena”.
6 然れば汝等、神の全能なる御手の下に謙れ、然せば時至りて彼汝等を高め給はん。
Koa amin’ izany manetre tena ambanin’ ny tàna-maherin’ Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin’ ny fotoan’ andro;
7 思ひ煩ふ所を悉く神に委ね奉れ、神は汝等の為に慮り給へばなり。
ary apetraho aminy ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo.
8 汝等節制して警戒せよ、其は汝等の仇なる惡魔は、吼ゆる獅子の如く、食盡すべきものを探しつつ行廻ればなり、
Mahonòna tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany;
9 汝等此世に在る兄弟等の同じく苦しめる事を知りて、信仰に心を堅めて之に抵抗せよ。
tohero izy, ka miorena tsara amin’ ny finoana ianareo, satria fantatrareo fa izany fahoriana izany dia manjo ny rahalahinareo rehetra eran’ izao tontolo izao.
10 一切の恩寵の神はキリスト、イエズスによりて其永遠の光榮に汝等を呼び給ひしものなれば、聊苦しみたる上は、御自ら完全にし堅うし強からしめ給はん、 (aiōnios g166)
Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, Izay efa niantso anareo ho any amin’ ny voninahiny mandrakizay ao amin’ i Kristy, rehefa niaritra fahoriana vetivety ianareo, dia Izy no hahatanteraka sy hampiorina ary hampitoetra anareo. (aiōnios g166)
11 光榮と主権と世々之に歸す、アメン。 (aiōn g165)
Ho Azy anie ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena. (aiōn g165)
12 結末。 忠信なる兄弟シルヴァノを以て我が汝等に書贈りし所は、我思ふに簡単なり。是此神の恩寵の眞なる事を勧告し、且保證するもののにして、汝等宜しく之に立つべし。
Efa manoratra teny fohifohy ho aminareo aho hampitondraina an’ i Silasy, izay ataoko ho rahalahy mahatoky, dia mananatra anareo aho ka manambara fa izany no tena fahasoavan’ Andriamanitra, ― tomoera tsara amin’ izany ianareo.
13 汝等と共に選まれてバビロンに在る教會、及び我子マルコは汝等に宜しくと言へり。
Izay any Babylona, voafidy ho namanareo, manao veloma anareo, ary Marka zanako koa.
14 愛の接吻を以て互に宜しく傳へよ。願はくは、キリストに在る汝等一同に平安あらん事を、アメン。
Mifanaova veloma amin’ ny fanoroham-pitiavana. Ho aminareo rehetra izay ao amin’ i Kristy anie ny fiadanana.

< ペテロの手紙第一 5 >