< コリント人への手紙第一 16 >

1 聖徒等の為にする據金に就きては、我がガラチアの諸教會に命ぜし如く、汝等も亦然せよ。
Ary ny amin’ ny famoriam-bola ho an’ ny olona masìna, dia mba manaova koa ianareo toy izay nasaiko nataon’ ny fiangonana any Galatia.
2 我が汝等の許に至りて後據金せざらん為に、一週間の初の日毎に、汝等各成功に應じて自宅に貯金すべし。
Amin’ ny andro voalohany isan-kerinandro dia samia manokana ao aminy avy ho rakitra na amin’ inona na amin’ inona no anambinana azy, mba ho vita rahateo ny famoriam-bola mandra-pahatongako.
3 斯て我汝等の許に至りなば、添書して汝等の選まん人々を遣はし、汝等の恵をエルザレムに齎さしめん。
Ary rehefa tonga aho, dia izay sitrakareo no hirahiko hitondra taratasy hanatitra ny fiantranareo ho any Jerosalema.
4 若我も行くべき價値あらば、彼等は我と共に行くべきなり。
Ary raha tokony handehanako izany, dia hiaraka amiko ireo.
5 我はマケドニアを通らんとする故に、マケドニアを通りて汝等の許に至り、
Hankatỳ aminareo aho, rehefa namaky an’ i Makedonia ― fa hamaky an’ i Makedonia aho ―
6 多くは汝等と共に留り、或は冬を過す事もあらん。是何處に行くも汝等より送られん為なり。
ary angamba hitoetra eo aminareo aho, na handany ny ririnina aza, mba hanateranareo ahy amin’ izay halehako.
7 其は我路の次に汝等を見る事を好まず、主の許し給はば暫く汝等の中に留らん事を希望すればなり。
Fa tsy mikasa hamangy anareo toy ny mandalo aho ankehitriny; fa manantena hitoetra elaela eo aminareo aho, raha sitrapon’ ny Tompo.
8 ペンテコステまではエフェゾに留らんとす、
Nefa hitoetra any Efesosy aho mandra-pihavin’ ny Pentekosta;
9 其は広くして且貢献あるべき門、我前に開け、又敵對する者多ければなり。
fa varavarana lehibe no voavoha ho ahy hahazoako miasa tsara, nefa maro ny mpanohitra.
10 チモテオ汝等の許に至らば、注意して懼るる所なからしめよ。彼は我と齊しく主の業を行へる者なればなり。
Ary rehefa tonga Timoty, dia tandremo mba tsy hanan-tahotra eo aminareo izy; fa ny asan’ ny Tompo no ataony, tahaka ny ataoko koa.
11 故に誰も彼を蔑にせず、途中を安らかに送りて我方に來る事を得しめよ、蓋我は彼と兄弟等とを待てるなり。
Koa aza avela hisy olona hanao tsinontsinona azy; fa atero soa aman-tsara izy mba ho tonga atỳ amiko; fa miandry azy mbamin’ ny rahalahy sasany aho.
12 兄弟アポルロの事を告げんに、我篤く彼が兄弟等と共に汝等の許に至らん事を願ひたれど、彼今は行く事を肯ぜず、機よき時を以て行くならん。
Ary ny amin’ i Apolosy rahalahy, dia nangataka azy fatratra aho hiara-mandeha amin’ ny rahalahy hankatỳ aminareo, saingy tsy sitrapony akory ny handeha tamin’ izany; nefa ho avy ihany izy, rehefa misy andro mahalalaka azy.
13 汝等警戒して固く信仰に立ち、雄々しく挙動ひ、且堅固なれ。
Miambena ianareo, tomoera tsara amin’ ny finoana, aoka hitombandahy, mahereza.
14 汝等の業悉く愛を以て行はれよかし。
Izay rehetra ataonareo dia ataovy amin’ ny fitiavana.
15 兄弟等よ、我汝等に希ふ、ステファナの家はアカヤ州の初穂にして、聖徒等の世話に身を委ねたるは汝等の知る所なれば、
Fantatrareo ny ankohonan’ i Stefanasy, fa voaloham-bokatr’ i Akaia izy sady efa nanolo-tena ho amin’ ny fanompoana ny olona masìna; dia mangataka aminareo aho, ry rahalahy,
16 汝等も斯の如き人々及び総て協力して働ける人々に服せよ。
mba hanaiky tsara ny olona tahaka ireny sy izay rehetra miara-miasa sy mikely aina koa ianareo.
17 我ステファナ、フォルツナト、及びアカイコの此處に居るを喜ぶ、其は汝等の不在を補ひ、
Faly aho noho ny fihavian’ i Stefanasy sy Fortonato ary Akaiko; fa ireo no nahefa ny tsy vitanareo;
18 即ち我と汝等との精神を安んぜしめたればなり。然れば汝等斯の如き人物を重んぜよ。
fa namelombelona ny fanahiko sy ny anareo koa izy; ka mba ekeo ny tahaka ireny.
19 [小]アジアの諸教會汝等に宜しくと言へり。アクィラとプリシルラ及び其家の教會は、主に於て懇に宜しくと言へり、(我彼等の家に宿る)。
Manao veloma anareo ny fiangonana atỳ Asia. Manao veloma anareo indrindra ao amin’ ny tompo Akoila sy Prisila mbamin’ ny fiangonana izay ao an-tranony.
20 凡ての兄弟汝等に宜しくと云へり。聖なる接吻を以て互に宜しく傳へよ。
Manao veloma anareo ny rahalahy rehetra. Mifanaova veloma amin’ ny fanorohana masìna.
21 我パウロ自筆を以て宜しく言ふ。
Ny tanako, izaho Paoly, no anaovako veloma.
22 人若我主イエズス、キリストを愛せずば排斥せられよ。我主來り給ふ。
Raha misy tsy tia ny Tompo, aoka ho voaozona izy. Maran ata.
23 願はくは我主イエズス、キリストの恩寵汝等と共に在らん事を。
Ho aminareo anie ny fahasoavan’ i Jesosy Kristy Tompo;
24 我愛はキリスト、イエズスに於て汝等一同と共に在るなり、アメン。
ny fitiavako dia ao aminareo rehetra ao amin’ i Kristy Jesosy. Amena.

< コリント人への手紙第一 16 >