< コリント人への手紙第一 1 >

1 神の思召に由りてイエズス、キリストの使徒と召されたるパウロ、並に兄弟ソステネス、
Paoly, voantso ho Apostolin’ i Jesosy Kristy noho ny sitrapon’ Andriamanitra, ary Sostena rahalahy,
2 コリントに在る神の教會、即ちキリスト、イエズスに於て聖とせられ聖徒と召されたる人々、及び彼等の處我等の處何れの處にも在りて、我主イエズス、キリストの御名を呼べる人々一同に[書簡を贈る]。
mamangy ny fiangonan’ Andriamanitra any Korinto, dia izay nohamasinina ao amin’ i Kristy Jesosy, olona voantso sady masìna, mbamin’ izay rehetra miantso ny anaran’ i Jesosy Kristy Tompontsika eny amin’ ny tany rehetra, dia azy sy antsika:
3 願はくは我父にて在す神及び主イエズス、キリストより恩寵と平安とを汝等に賜はらんことを。
ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
4 キリスト、イエズスに於て汝等に賜はりたる神の恩寵に就きて、我絶えず汝等の為に我神に感謝し奉る。
Misaotra an’ Andriamanitro mandrakariva ny aminareo aho noho ny fahasoavan’ Andriamanitra izay nomena anareo ao amin’ i Kristy Jesosy,
5 其は汝等彼に於て、凡ての教、凡ての智識、何物にも富める者となりたればなり。
dia ny nampananana harena anareo ao aminy amin’ ny zavatra rehetra, na ny teny rehetra, na ny fahalalana rehetra,
6 蓋キリストの證明汝等の中に堅くせられたれば、
araka ny niorenan’ ny filazana an’ i Kristy teo aminareo,
7 汝等如何なる恩寵にも缼くる所なくして、我主イエズス、キリストの顕れ給ふを待てるなり。
ka dia tsy latsaka amin’ ny fanomezam-pahasoavana rehetra ianareo, miandry ny fisehoan’ i Jesosy Kristy Tompontsika,
8 神は汝等を終まで堅固ならしめ、無罪にして我主イエズス、キリストの降臨の日に至らしめ給ふべし。
Izay hampiorina anareo koa hatramin’ ny farany, ka dia tsy hanan-tsiny ianareo amin’ ny andron’ i Jesosy Kristy Tompontsika.
9 其は其御子にて在す我主イエズス、キリストに與すべく、汝等を召し給へる神は、眞實にて在せばなり。
Mahatoky Andriamanitra, Izay nahatonga ny fiantsoana anareo hanananareo firaisana amin’ ny Zanany, dia Jesosy Kristy Tompontsika.
10 第一項 分裂の第一原因即ち此世の智恵 第一編 コリント信者間の分裂を咎む 兄弟等よ、我主イエズス、キリストの御名によりて我汝等に勧告す、汝等皆言ふ所を同うして、其間に分裂ある事なく、同意同説に全く相一致せんことを。
Ary mananatra anareo aho, ry rahalahy, amin’ ny anaran’ i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hiray teny ianareo rehetra, ka tsy hisy fisarahana eo aminareo, fa mba ho tafakambana tsara ianareo hiray saina sy hevitra.
11 蓋我兄弟等よ、クロエの家の人々より報じ來りし所に據れば、汝等の間に[種々の]争論ある由。
Fa efa voalazan’ ny avy amin’ ny ankohonan’ i Kloa tamiko ny amin’ ny toetrareo, ry rahalahiko, fa misy fifampiandaniana eo aminareo.
12 我之を云はんに、汝等各、我はパウロのもの、我はアポルロのもの我はケファのもの、我はキリストのものなりと云ふ。
Izao anefa no anaovako izany: Hianareo samy manao hoe: Izaho an’ i Paoly, na: Izaho an’ i Apolosy, na: Izaho an’ i Kefasy, na: Izaho an’ i Kristy.
13 キリスト豈分割せられ給ひし者ならんや、パウロは汝等の為に十字架に釘けられしか、或は汝等はパウロの名に由りて洗せられしか。
Voazarazara va Kristy? Paoly va no voahombo tamin’ ny hazo fijaliana hamonjy anareo, sa ho amin’ ny anaran’ i Paoly no nanaovam-batisa anareo?
14 我は汝等の中、クリスポとカヨとの外、誰をも洗せざりし事を神に感謝す、
Misaotra an’ Andriamanitra aho fa tsy nisy nataoko batisa ianareo afa-tsy Krispo sy Gaio,
15 然れば一人も我名によりて洗せられたりと云ふ者はあらじ。
fandrao misy milaza fa efa natao batisa ho amin’ ny anarako ianareo.
16 尚ステファナの一家をも洗したれど、其外には我人を洗したるを知らざるなり。
Nefa mba efa nanao batisa ny ankohonan’ i Stefanasy koa aho; afa-tsy ireo dia tsy hitako izay nataoko batisa.
17 蓋我がキリストより遣はされしは、洗する為に非ずして福音を傳へん為なり。而も言の智恵を以てすべきに非ず、是キリストの十字架の空しくならざらん為なり。
Fa Kristy tsy naniraka ahy hanao batisa, fa hitory ny filazantsara, tsy tamin’ ny teny fahendrena, fandrao ho foana ny hazo fijalian’ i Kristy.
18 蓋十字架の言は亡ぶる人には愚なる事なれども、救はるる者即ち我等には神の大能なり。
Fa ny teny ny amin’ ny hazo fijaliana dia fahadalana amin’ izay ho very, fa herin’ Andriamanitra kosa amintsika izay hovonjena.
19 録して、「我は智者の智恵を亡ぼし、賢者の賢さを傷はん」、とあればなり。
Fa voasoratra hoe: Hofoanako ny fahendren’ ny hendry, Ary holaviko ny fahalalan’ ny mahalala.
20 此世の智者何處にか在る、律法學者何處にか在る、論者何處にか在る。神は此世の智を愚ならしめ給ひしに非ずや。 (aiōn g165)
Aiza ny hendry? Aiza ny mpanora-dalàna? Aiza ny mpiady hevitra avy amin’ izao tontolo izao? Tsy nampodin’ Andriamanitra ho fahadalana va ny fahendren’ izao tontolo izao? (aiōn g165)
21 蓋世[の人]は其智恵を以て、神の全智[の業]に於て神を認めざりしかば、神は宣教の愚を以て信者を救ふを善しとし給へり。
Fa satria, na dia naseho aza ny fahendren’ Andriamanitra, ny fahendrena dia tsy nahatonga izao tontolo izao hahalala an’ Andriamanitra, ka dia ny fahadalan’ ny fitorian-teny no sitrak’ Andriamanitra hamonjeny izay mino;
22 即ちユデア人は徴を求め、ギリシア人は智恵を探ぬるに、
fa ny Jiosy mila famantarana, ary ny jentilisa mitady fahendrena,
23 我等は十字架に釘けられ給へるキリストを宣傳ふるなり。是ユデア人に取りては躓くもの、ギリシア人に取りては愚なる事なれども、
fa izahay kosa mitory an’ i Kristy voahombo tamin’ ny hazo fijaliana, dia fahatafintohinana amin’ ny Jiosy ary fahadalana amin’ ny jentilisa,
24 召されしユデア人及びギリシア人に取りては神の大能、神の智恵たるキリストなり。
fa amin’ izay voantso kosa, na Jiosy na jentilisa, dia Kristy, Izay herin’ Andriamanitra sy fahendren’ Andriamanitra.
25 其は神の愚なる所は人よりも敏く、神の弱き所は人よりも強ければなり。
Fa ny fahadalan’ Andriamanitra dia hendry noho ny olona; ary ny fahalemen’ Andriamanitra mahery noho ny olona.
26 兄弟等よ、汝等の召されし者を看よ、肉に由れる智者は多からず、有力者は多からず、尊き者は多からず、
Fa hevero ny fiantsoana anareo, ry rahalahy, fa tsy firy no olon-kendry araka ny nofo, tsy firy no olona mahery, tsy firy no avo razana;
27 却て智者を辱めんとて、神は世の愚なる所を召し給ひ、強き所を辱めんとて、神は世の弱き所を召し給ひ、
fa ny adala amin’ izao tontolo izao no nofidin’ Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; ary ny malemy amin’ izao tontolo izao no nofidin’ Andriamanitra hampahamenatra ny mahery;
28 現に在る所を亡ぼさんとて、神は世の卑しき所、蔑にせらるる所、無き所をば召し給ひしなり。
ary ny iva razana amin’ izao tontolo izao sy izay fanevateva no nofidin’ Andriamanitra, dia ny atao ho tsy misy aza, mba hahafoana ny misy,
29 是何人も御前に於て驕らざらん為なり。
mba tsy hisy nofo hahazo mirehareha eo anatrehan’ Andriamanitra.
30 汝等は神に由りてこそ、我等の智恵と義と成聖と贖とに成り給ひしキリスト、イエズスに在るなれ。
Fa avy aminy no nanaovana anareo ho ao amin’ i Kristy Jesosy, Izay nataon’ Andriamanitra fahendrena sy fahamarinana sy fahamasinana ary fanavotana ho antsika,
31 是録されたる如く、「誇る者は主に於て誇らん」為なり。
mba ho araka ny voasoratra hoe: Izay mirehareha, aoka Jehovah no ho reharehany.

< コリント人への手紙第一 1 >