< レビ記 16 >

1 アロンの子等二人がヱホバの前に献ぐることを爲て死たる後にヱホバ、モーセに斯告たまへり
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy, rehefa maty izy roa lahy zanak’ i Arona, tamin’ izy nanatona teo anatrehan’ i Jehovah ka maty;
2 即ちヱホバ、モーセに言たまひけるは汝の兄弟アロンに告よ時をわかたずして障蔽の幕の内なる聖所にいり櫃の上なる贖罪所の前にいたるべからず是死ることなからんためなり其は我雲のうちにありて贖罪所の上にあらはるべければなり
dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Lazao amin’ i Arona rahalahinao mba tsy hiditra mandrakariva ao amin’ ny fitoerana masìna izy; dia ao anatin’ ny efitra lamba, eo anoloan’ ny rakotra fanaovam-panavotana, izay eo ambonin’ ny fiara, mba tsy hahafaty azy; fa hiseho eo amin’ ny rahona eo ambonin’ ny rakotra fanaovam-panatovana Aho.
3 アロン聖所にいるには斯すべしすなはち犢の牡を罪祭のために取り牡羊を燔祭のために取り
Ary izao no ho entin’ i Arona, raha miditra ao amin’ ny fitoerana masìna izy: vantotr’ ombilahy iray hatao fanatitra noho ny ota sy ondrilahy iray hatao fanatitra dorana.
4 聖き麻の裏衣を着麻の褌をその肉にまとひ麻の帶をもて身に帶し麻の頭帽を冠るべし是は聖衣なりその身を水にあらひてこれを着べし
Akanjo lava masìna rongony fotsy no hiakanjoany, ary kalisaona rongony fotsy no hataony manolo-koditra, ary fehin-kibo rongony fotsy no hifehezany, ary hamama rongony fotsy no hisatrohany: fitafiana masìna ireo, ka handro amin’ ny rano izy vao hiakanjo azy.
5 またイスラエルの子孫の會衆の中より牡山羊二匹を罪祭のために取り牡羊一匹を燔祭のために取べし
Ary ny fiangonan’ ny Zanak’ Isiraely, dia handraisany osilahy roa hatao fanatitra noho ny ota sy ondrilahy izay hatao fanatitra dorana.
6 アロンは自己のためなるその罪祭の牡牛を牽きたりて自己とその家族のために贖罪をなすべし
Dia hampanatonin’ i Arona ny vantotr’ ombilahy izay hatao fanatitra noho ny ota ho an’ ny tenany, ka dia hanao fanavotana ho an’ ny tenany sy ny ankohonany izy.
7 アロンまたその兩隻の山羊を取り集會の幕屋の門にてヱホバの前にこれを置き
Ary dia halainy koa ny osilahy roa ka hapetrany eo anatrehan’ i Jehovah, eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana.
8 その兩隻の山羊のために籤を掣べし即ち一の籤をヱホバのためにし一の籤をアザゼルのためにすべし
Dia hanaovan’ i Arona filokana ny osilahy roa: ny loka anankiray ho an’ i Jehovah, ary ny loka anankiray ho an’ i Azazela.
9 而してアロンそのヱホバの籤にあたりし山羊を献げて罪祭となすべし
Ary hampanatonin’ i Arona ny osilahy izay niharan’ ny filokana ho an’ i Jehovah ka hataony fanatitra noho ny ota.
10 又アザゼルの籤にあたりし山羊はこれをヱホバの前に生しおきこれをもて贖罪をなしこれを野におくりてアザゼルにいたらすべし
Fa ny osilahy izay niharan’ ny filokana ho an’ i Azazela kosa dia hapetraka velona eo anatrehan’ i Jehovah hanaovana fanavotana ho azy, mba handefasana azy hankany an-efitra ho an’ i Azazela.
11 即ちアロン己のためなるその罪祭の牡牛を牽きたりて自己とその家族のために贖罪をなし自己のためなる其罪祭の牡牛を宰り
Ary hampanatonin’ i Arona ny vantotr’ ombilahy, izay hatao fanatitra noho ny ota ho an’ ny tenany, ka dia hanao fanavotana ho azy sy ny ankohonany izy, dia hovonoiny ny vantotr’ ombilahy, izay hatao fanatitra noho ny ota ho an’ ny tenany.
12 而して火鼎をとりヱホバの前の壇よりして熱れる火を之に盈てまた兩手に細末の馨しき香を盈て之を障蔽の幕の中に携へいり
Dia haka vain’ afo eran’ ny fitondran’ afo avy amin’ ny alitara eo anatrehan’ i Jehovah izy, ary ditin-kazo mani-pofona voatorotoro madinika eran-tanan-droa, ka ho entiny miditra ao anatin’ ny efitra lamba.
13 ヱホバの前に於て香をその火に放べ香の煙の雲をして律法の上なる贖罪所を蓋はしむべし然せば彼死ることあらじ
Ary hataony eo amin’ ny afo eo anatrehan’ i Jehovah ny ditin-kazo, ka hosaronan’ ny setroky ny ditin-kazo ny rakotra fanaovan-panavotana, izay eo ambonin’ ny Vavolombelona, mba tsy hahafaty azy.
14 彼またその牡牛の血をとり指をもて之を贖罪所の東面に灑ぎまた指をもてその血を贖罪所の前に七回灑ぐべし
Dia hangalany ny ran’ ny vantotr’ ombilahy ka hafafin’ ny fanondrony amin’ ny rakotra fanaovam-panavotana eo amin’ ny lafiny atsinanana; ary ny eo anoloan’ ny rakotra fanaovam-panavotana koa dia hofafazany ny rà impito amin’ ny fanondrony.
15 斯してまた民のためなるその罪祭の山羊を宰りその血を障蔽の幕の内に携へいりかの牡牛の血をもて爲しごとくその血をもて爲しこれを贖罪所の上と贖罪所の前に灑ぎ
Dia hovonoiny ny osilahy izay hatao fanatitra noho ny ota ho an’ ny olona, ka ho entiny miditra ao anatin’ ny efitra lamba ny ràny, dia hataony tahaka ny efa nataony tamin’ ny ran’ ny vantotr’ ombilahy ihany ka hafafiny eo amin’ ny rakotra fanaovam-panavotana sy eo anoloany.
16 イスラエルの子孫の汚穢とその諸の悸れる罪とに縁て聖所のために贖罪を爲べし即ち彼等の汚穢の中間にある集會の幕屋のために斯なすべきなり
Dia hanao fanavotana ho an’ ny fitoerana masìna izy noho ny fahalotoan’ ny Zanak’ Isiraely sy ny fahadisoany, dia ny fahotany rehetra; ary toy izany koa no hataony ho an’ ny trano-lay fihaonana, izay mitoetra eo aminy, eo afovoan’ ny fahalotoany.
17 彼が聖所において贖罪をなさんとて入たる時はその自己と己の家族とイスラエルの全會衆のために贖罪をなして出るまでは何人も集會の幕屋の内に居べからず
Ary aza avela hisy olona ao amin’ ny trano-lay fihaonana, raha miditra hanao fanavotana ao amin’ ny fitoerana masìna Arona mandra-pivoakany avy nanao fanavotana ho an’ ny tenany sy ny ankohonany ary ho an’ ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra.
18 斯て彼ヱホバの前の壇に出きたり之がために贖罪をなすべし即ちその牡牛の血と山羊の血を取て壇の四周の角につけ
Dia hivoaka ho eo amin’ ny alitara eo anatrehan’ i Jehovah izy ka hanao fanavotana ho an’ ny alitara; dia hangalany ny ran’ ny vantotr’ ombilahy sy ny ran’ ny osilahy ka hatentiny amin’ ny tandroky ny alitara eo amin’ ny zorony efatra.
19 また指をもて七回その血を其の上に灑ぎイスラエルの子孫の汚穢をのぞきて其を潔ようし且聖別べし
Dia hofafazany ny rà impito amin’ ny fanondrony izy ka hodioviny sy hohamasininy ho afaka amin’ ny fahalotoan’ ny Zanak’ Isiraely.
20 斯かれ聖所と集會の幕屋と壇のために贖罪をなしてかの生る山羊を牽きたるべし
Ary rehefa vitany ny fanavotana ho an’ ny fitoerana masìna sy ny trano-lay fihaonana ary ny alitara, dia hampanatoniny ny osilahy velona.
21 然る時アロンその生る山羊の頭に兩手を按きイスラエルの子孫の諸の惡事とその諸の悸反る罪をことごとくその上に承認はしてこれを山羊の頭に載せ選びおける人の手をもてこれを野に遣るべし
Dia hapetrak’ i Arona amin’ ny lohan’ ny osilahy velona ny tànany roa, ka hekeny eo amboniny ny heloky ny Zanak’ Isiraely rehetra sy ny fahadisoany rehetra, dia ny fahotany rehetra; dia hametraka izany eo amin’ ny lohan’ ny osilahy izy ka hampandeha azy ho entin’ ny lehilahy voatendry hankany an-efitra.
22 その山羊彼等の諸惡を人なき地に任ゆくべきなり即ちその山羊を野に遣るべし
Ary ho entin’ ny osilahy ho any an-efitra ny helok’ izy rehetra; dia halefany any ny osilahy.
23 斯してアロン集會の幕屋にいりその聖所にいりし時に穿たる麻の衣を脱て其處に置き
Dia hiditra ao amin’ ny trano-lay fihaonana Arona, ary hanala ny fitafiany rongony fotsy, izay niakanjoany raha niditra ao amin’ ny fitoerana masìna izy, ka hamela azy ao.
24 聖所においてその身を水にそそぎ衣服をつけて出で自己の燔祭と民の燔祭とを献げて自己と民とのために贖罪をなすべし
Dia handro amin’ ny rano eo amin’ izay fitoerana masìna izy ka hitafy ny fitafiany; dia hivoaka izy ka hanatitra ny fanatitra dorana ho an’ ny tenany sy ny fanatitra dorana ho an’ ny olona ka hanao fanavotana ho an’ ny tenany sy ny olona.
25 また罪祭の牲の脂を壇の上に焚べきなり
Ary ny saboran’ ny fanatitra noho ny ota dia hodorany ho fofona eo ambonin’ ny alitara.
26 かの山羊をアザゼルに遣りし者は衣服を濯ひ水に身を滌ぎて然る後營にいるべし
Ary ilay mandefa ny osilahy ho an’ i Azazela dia hanasa fitafiana ka handro amin’ ny rano, vao mahazo mankeo an-toby.
27 聖所において贖罪をなさんために其血を携へ入たる罪祭の牡牛と罪祭の山羊とは之を營の外に携へいだしその皮と肉と糞を火に燒べし
Ary ny vantotr’ ombilahy natao fanatitra noho ny ota sy ny osilahy natao fanatitra noho ny ota, izay efa nampidirina tao amin’ ny fitoerana masìna ny ràny hatao fanavotana, dia ho entina mivoaka ho eny ivelan’ ny amin’ ny afo ny hodiny sy ny henany ary ny toby; ary hodorana tain-drorohany.
28 之を燒たる者は衣服を濯ひ水に身を滌ぎて然る後營にいるべし
Ary izay mandoro ireo dia hanasa fitafiana sy handro amin’ ny rano, vao mahazo mankeo an-toby.
29 汝等永く此例を守るべし即ち七月にいたらばその月の十日に汝等その身をなやまし何の工をも爲べからず自己の國の人もまた汝等の中に寄寓る外國の人も共に然すべし
Ary izao no ho lalàna mandrakizay ho anareo: amin’ ny andro fahafolo amin’ ny volana fahafito dia aoka hampahory ny tenanareo ianareo ary tsy hanao raharaha akory, na ny tompon-tany, na ny vahiny eo aminareo.
30 其はこの日に祭司汝らのために贖罪をなして汝らを淨むればなり是汝らがヱホバの前にその諸の罪を清められんためになす者なり
Fa amin’ izany andro izany no hanaovana fanavotana ho anareo hanadiovana anareo, ka dia hadio ho afaka amin’ ny fahotanareo rehetra eo anatrehan’ i Jehovah ianareo
31 是は汝らの大安息日なり汝ら身をなやますべし是永く守るべき例なり
Ho tena andro fitsaharana ho anareo izany, ka hampahory ny tenanareo ianareo: ho lalàna mandrakizay izany.
32 膏をそそがれて任ぜられその父に代りて祭司の職をなすところの祭司贖罪をなすべし彼は麻の衣すなはち聖衣を衣べし
Ary ny mpisorona, izay hohosorana sy hatokana ho mpisorona hisolo ny rainy, dia hanao fanavotana; ary hitafy ny fitafiana rongony fotsy izy, dia ny fitafiana masìna.
33 彼すなはち至聖所のために贖罪をなしまた集會の幕屋のためと壇のために贖罪をなしまた祭司等のためと民の會衆のために贖罪をなすべし
Dia hanao fanavotana ho an’ ny fitoerana masìna izy sy ho an’ ny trano-lay fihaonana sy ny alitara sy ny mpisorona ary ny olona rehetra amin’ ny fiangonana.
34 是汝等が永く守るべき例にしてイスラエルの子孫の諸の罪のために年に一度贖罪をなす者なり彼すなはちヱホバのモーセに命じたまひしごとく爲ぬ
Ary ho lalàna mandrakizay ho anareo izany, hanaovana fanavotana ho an’ ny Zanak’ Isiraely indray mandeha isan-taona hahafahany amin’ ny fahotany rehetra. Dia nataon’ i Arona araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.

< レビ記 16 >