< レビ記 15 >

1 ヱホバ、モーセとアロンに告て言たまはく
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
2 イスラエルの子孫に告て言へ凡そ人その肉に流出あらばその流出のために汚るべし
Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Ny lehilahy rehetra izay marary mitsika dia haloto noho ny fitsihany.
3 その流出に由て汚るること是のごとし即ちその肉の流出したたるもその肉の流出滞ほるも共にその汚穢となるなり
Ary izao no ho fahalotoany, raha marary mitsika izy: na mandeha ny fitsihany, na tsy mandeha, dia samy fahalotoana ihany izany.
4 流出ある者の臥たる床は凡て汚るまたその人の坐したる物は凡て汚るべし
Maloto ny fandriana rehetra izay andrian’ ny marary mitsika; ary maloto ny zavatra rehetra izay ipetrahany.
5 その床に觸る人は衣服をあらひ水に身を滌ぐべしその身は晩まで汚るるなり
Ary izay rehetra mikasika ny fandriany, dia hanasa fitafiana sy handro amin’ ny rano ary haloto mandra-paharivan’ ny andro.
6 流出ある人の坐したる物の上に坐する人は衣服を洗ひ水に身をそそぐべしその身は晩まで汚るるなり
Ary izay mipetraka amin’ ny zavatra izay efa nipetrahan’ ny marary mitsika dia hanasa fitafiana sy handro amin’ ny rano ary haloto mandra-paharivan’ ny andro.
7 流出ある者の身に觸る人は衣服を洗ひ水に身を滌ぐべしその身は晩まで汚るるなり
Ary izay mikasika ny tenan’ ny marary mitsika dia hanasa fitafiana sy handro amin’ ny rano ary haloto mandra-paharivan’ ny andro.
8 もし流出ある者の唾潔き者にかからばその人衣服を洗ひ水に身を滌ぐべしその身は晩まで汚るるなり
Ary raha misy olona madio voaroran’ ny marary mitsika, dia hanasa fitafiana izy sy handro amin’ ny rano ary haloto mandra-paharivan’ ny andro
9 流出ある者の乗たる物は凡て汚るべし
Ary haloto ny lasely rehetra izay itaingenan’ ny marary mitsika.
10 またその下になりし物に觸る人は皆晩まで汚るまた其等の物を携ふる者は衣服を洗ひ水に身をそそぐべしその身は晩まで汚るるなり
Ary izay rehetra mikasika izay zavatra teo ambaniny dia haloto mandra-paharivan’ ny andro; ary izay mitondra izany zavatra izany dia hanasa fitafiana sy handro amin’ ny rano ary haloto mandra-paharivan’ ny andro.
11 流出ある者手を水に洗はずして人にさはらばその人は衣服を洗ひ水に身を滌ぐべしその身は晩まで汚るるなり
Ary izay rehetra voakasiky ny marary mitsika, kanefa ilay marary tsy mbola nanasa ny tànany tamin’ ny rano, dia hanasa fitafiana sy handro amin’ ny rano ary haloto mandra-paharivan’ ny andro.
12 流出ある者の捫りし瓦の器は凡て碎くべし木の器は凡て水に洗ふべし
Ary hovakivakina ny vilany tany izay voakasiky ny marary mitsika; ary hosasana amin’ ny rano kosa ny fanaka hazo rehetra.
13 流出ある者その流出やみて潔くならば己の成潔のために七日を數へその衣服を洗ひ活る水にその體を滌ぐべし然せば潔くなるべし
Ary raha sitrana amin’ ny fitsihany ny marary mitsika, dia hiandry hafitoana ny amin’ ny fanadiovana azy izy; ary hanasa fitafiana sy handro amin’ ny rano mandeha izy, dia hadio.
14 而して第八日に鳲鳩二羽または雛き鴿二羽を自己のために取り集會の幕屋の門にきたりてヱホバの前にゆき之を祭司に付すべし
Ary amin’ ny andro fahavalo dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa izy ka hankeo anatrehan’ i Jehovah, eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana, dia hanolotra ireo ho amin’ ny mpisorona izy.
15 祭司はその一を罪祭に一を燔祭に献げ而して祭司その人の流出のためにヱホバの前に贖罪をなすべし
Dia haterin’ ny mpisorona ireo, ny anankiray hatao fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa hatao fanatitra odorana; dia hanao fanavotana ho azy eo anatrehan’ i Jehovah ny mpisorona noho ny fitsihany.
16 人もし精の洩ることあらばその全身を水にあらふべしその身は晩まで汚るるなり
Ary raha miala amin’ ny lehilahy ny azy, dia hanasa ny tenany rehetra amin’ ny rano izy ary haloto mandra-paharivan’ ny andro;
17 凡て精の粘着たる衣服皮革などは皆水に洗ふべし是は晩まで汚るるなり
ary hosasana amin’ ny rano ny fitafiany rehetra sy ny hoditra rehetra, izay nilatsahan’ ny azy; dia haloto mandra-paharivan’ ny andro izany.
18 男もし女と寝て精を洩さば二人ともに水に身を滌ぐべしその身は晩まで汚るるなり
Ny vehivavy izay andrian-dehilahy koa, dia samy handro amin’ ny rano izy roroa ary haloto mandra-paharivan’ ny andro.
19 また婦女流出あらんにその肉の流出もし血ならば七日の間不潔なり凡て彼に捫る者は晩まで汚るべし
Ary raha misy vehivavy mararin’ ny fadim-bolany, dia haloto hafitoana izy; ary izay rehetra mikasika azy dia haloto mandra-paharivan’ ny andro.
20 その不潔の間に彼が臥たるところの物は凡て汚るべし又彼がその上に坐れる物も皆汚れん
Ary ny zavatra rehetra izay andriany amin’ ny andro fahalotoany dia haloto koa; ary ny zavatra rehetra izay ipetrahany dia haloto koa.
21 その床に捫る者は皆衣服を洗ひ水に身を滌ぐべしその身は晩まで汚るるなり
Ary izay rehetra mikasika ny fandriany dia hanasa fitafiana sy handro amin’ ny rano ary haloto mandra-paharivan’ ny andro.
22 彼が凡て坐りし物に捫る者は皆衣服を洗ひ水に身を滌ぐべしその身は晩まで汚るるなり
Ary izay rehetra mikasika ny zavatra izay efa nipetrahany dia hanasa fitafiana sy handro amin’ ny rano ary haloto mandra-paharivan’ ny andro.
23 彼の床の上またはその凡て坐りし物の上にある血に捫らばその人は晩まで汚るるなり
Ary raha ao amin’ ny fandriana izany, na ao amin’ ny zavatra izay efa nipetrahany, raha nikasika izany izy, dia haloto mandra-paharivan’ ny andro.
24 人もし婦女と寝てその不潔を身に得ば七日汚るべしその人の臥たる床は凡て汚れん
Ary raha misy lehilahy mandry amin-dravehivavy, ary mankeo aminy ny fadim-bolany, dia haloto hafitoana izy, ary izay rehetra andriany dia haloto koa.
25 婦女もしその血の流出不潔の期の外にありて多くの日に渉ることあり又その流出する事不潔の期に逾るあらばその汚穢の流出する日の間は凡てその不潔の時の如くにしてその身汚る
Ary raha misy vehivavy marary mitsi-drà ela, na dia tsy amin’ ny andro fahalotoany amin’ ny fadim-bolany aza, na raha misy mararin’ ny fadim-bolana ka mandeha mihoatra noho ny fihaviny, dia haloto izy amin’ ny andron’ ny faharariany rehetra, tahaka ny amin’ ny andro fahalotoany ihany.
26 凡てその流出ある日の間彼が臥ところの床は彼におけること不潔の床のごとし凡そ彼が坐れる物はその汚るること不潔の汚穢のごとし
Ny fandriana rehetra andriany amin’ ny andron’ ny fahalotoany rehetra dia hataony tahaka ny fandriana nandriany tamin’ ny andro fahalotoany; ary izay rehetra ipetrahany dia haloto koa tahaka ny fahalotoany amin’ ny fadim-bolany.
27 是等の物に捫る人は凡て汚るその衣服を洗ひ水に身を滌ぐべしその身は晩まで汚るるなり
Ary izay rehetra mikasika izany zavatra izany dia haloto; ary hanasa fitafiana sy handro amin’ ny rano izy ary haloto mandra-paharivan’ ny andro.
28 彼もしその流出やみて淨まらば七日を算ふべし而して後潔くならん
Fa raha sitrana amin’ ny faharariany ravehivavy, dia hiandry hafitoana izy, ary rehefa afaka izany, dia hadio izy.
29 彼第八日に鳲鳩二羽または雛き鴿二羽を自己のために取りこれを祭司に携へ來り集會の幕屋の門にいたるべし
Ary amin’ ny andro fahavalo dia haka domohina roa na zana-boromailala roa ho azy izy ka hitondra ireo ho eo amin’ ny mpisorona, eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana.
30 祭司その一を罪祭に一を燔祭に献げ而して祭司かれが汚穢の流出のためにヱホバの前に贖を爲べし
Dia haterin’ ny mpisorona ny anankiray hatao fanatitra noho ny ota ary ny anankiray hatao fanatitra odorana; dia hanao fanavotana ho an-dravehivavy eo anatrehan’ i Jehovah ny mpisorona noho ny faharariany izay nahaloto azy.
31 斯汝等イスラエルの子孫をその汚穢に離れしむべし是は彼等その中間にある吾が幕屋を汚してその汚穢に死ることなからん爲なり
Dia hampisarahinareo amin’ ny fahalotoany ny Zanak’ Isiraely, tsy handotoany ny tabernakeliko izay eo aminy, ka tsy hahafaty azy ny fahalotoany.
32 是すなはち流出ある者その精を洩してこれに身を汚せし者
Izany no lalàna ny amin’ ny marary mitsika, sy ny amin’ izay ialan’ ny azy, ka mahaloto azy izany,
33 その不潔を患ふ婦女或は男あるひは女の流出ある者汚たる婦女と寝たる者等に關るところの條例なり
ary ny amin’ ny mararin’ ny fadim-bolany, ary ny amin’ ny marary mitsika, na lehilahy na vehivavy, ary ny amin’ izay mandry amin’ ny vehivavy maloto.

< レビ記 15 >