< 撒迦利亞書 1 >

1 大流士王第二年八月,耶和華的話臨到易多的孫子、比利家的兒子先知撒迦利亞,說:
Tamin’ ny volana fahavalo tamin’ ny taona faharoa nanjakan’ i Dariosa no nahatongavan’ ny tenin’ i Jehovah tamin’ i Zakaria mpaminany, zanak’ i Berekia, zanak’ Ido, nanao hoe:
2 「耶和華曾向你們列祖大大發怒。
Tezitra indrindra tamin’ ny razanareo Jehovah.
3 所以你要對以色列人說,萬軍之耶和華如此說:你們要轉向我,我就轉向你們。這是萬軍之耶和華說的。
Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Miverena amiko ianareo, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
4 不要效法你們列祖。從前的先知呼叫他們說,萬軍之耶和華如此說:『你們要回頭離開你們的惡道惡行。』他們卻不聽,也不順從我。這是耶和華說的。
Aza mba toy ny razanareo, izay nantsoin’ ny mpaminany fahiny hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Mialà amin’ ny lalanareo ratsy ianareo sy amin’ ny ratsy fanaonareo; nefa tsy nitandrina izy, na nihaino Ahy, hoy Jehovah.
5 你們的列祖在哪裏呢?那些先知能永遠存活嗎?
Ny razanareo ― aiza moa ireny izao? Ary ny mpaminany ― moa velona mandrakizay va ireny?
6 只是我的言語和律例,就是所吩咐我僕人眾先知的,豈不臨到你們列祖嗎?他們就回頭,說:『萬軍之耶和華定意按我們的行動作為向我們怎樣行,他已照樣行了。』」
Fa ny teniko sy ny didiko, izay nandidiako ny mpaminany mpanompoko, tsy nahatratra ny razanareo va izany? Ary izy nitodika ka nanao hoe: Araka izay nosainin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, hatao amintsika, araka ny alehantsika sy ny ataontsika, dia araka izany no nataony tamintsika.
7 大流士第二年十一月,就是細罷特月二十四日,耶和華的話臨到易多的孫子、比利家的兒子先知撒迦利亞,說:
Tamin’ ny andro fahefatra amby roa-polo tamin’ ny volana fahiraika ambin’ ny folo (volana Sebata izany) tamin’ ny taona faharoa nanjakan’ i Dariosa dia tonga tamin i Zakaria mpaminany, zanak’ i Berekia, zanak’ Ido, ny tenin’ i Jehovah nanao, hoe:
8 「我夜間觀看,見一人騎着紅馬,站在窪地番石榴樹中間。在他身後又有紅馬、黃馬,和白馬。」
Nahita tamin’ ny alina aho fa, indro, nisy lehilahy nitaingina soavaly mena ka nijanona teny amin’ ny rotra teny an-dohasaha, ary teo aoriany nisy soavaly mena sy mavo ary fotsy.
9 我對與我說話的天使說:「主啊,這是甚麼意思?」他說:「我要指示你這是甚麼意思。」
Dia hoy izaho: Tompoko ô, inona moa ireo? Ary ilay anjely niresaka tamiko dia nanao tamiko hoe: Izaho haneho anao ny amin’ ireo.
10 那站在番石榴樹中間的人說:「這是奉耶和華差遣在遍地走來走去的。」
Ary ralehilahy izay nijanona teny amin’ ny rotra dia namaly hoe: Ireo dia nirahin’ Jehovah hivoivoy eny amin’ ny tany.
11 那些騎馬的對站在番石榴樹中間耶和華的使者說:「我們已在遍地走來走去,見全地都安息平靜。」
Ary namaly Ilay Anjelin’ i Jehovah nijanona teny amin’ ny rotra ireo ka nanao hoe: Efa nivoivoy teny amin’ ny tany izahay, ary, indro, ny tany rehetra dia miadana sy mandry fahizay.
12 於是,耶和華的使者說:「萬軍之耶和華啊,你惱恨耶路撒冷和猶大的城邑已經七十年,你不施憐憫要到幾時呢?」
Ary Ilay Anjelin’ i Jehovah namaly hoe: He, Jehovah, Tompon’ ny maro ô! mandra-pahoviana no tsy hamindranao fo amin’ i Jerosalema sy amin’ ny tanànan’ ny Joda, izay efa nahatezitra Anao fito-polo taona izay.
13 耶和華就用美善的安慰話回答那與我說話的天使。
Dia novalian’ i Jehovah teny tsara sy mampionona ilay anjely niresaka tamiko.
14 與我說話的天使對我說:「你要宣告說,萬軍之耶和華如此說:我為耶路撒冷為錫安,心裏極其火熱。
Ary ilay anjely niresaka tamiko dia nanao tamiko hoe: Miantsoa hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Saro-piaro dia saro-piaro an’ i Jerosalema sy Ziona Aho.
15 我甚惱怒那安逸的列國,因我從前稍微惱怒我民,他們就加害過分。
Ary tezitra indrindra Aho amin’ ireo firenena miadana; satria Izaho dia tezitra kely ihany, fa ireo kosa dia nampitombo ny fahoriana.
16 所以耶和華如此說:現今我回到耶路撒冷,仍施憐憫,我的殿必重建在其中,準繩必拉在耶路撒冷之上。這是萬軍之耶和華說的。
Koa izao no lazain’ i Jehovah: Efa tafaverina eto Jerosalema amin’ ny indrafo Aho; ny tranoko haorina eto, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, ary ny famolaina hohenjanina eto Jerosalema.
17 你要再宣告說,萬軍之耶和華如此說:我的城邑必再豐盛發達。耶和華必再安慰錫安,揀選耶路撒冷。」
Miantsoa indray hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Hihoa-pampana ny fanambinana ny tanànako; ary Jehovah hampionona an’ i Ziona ary mbola hifidy an’ i Jerosalema indray.
18 我舉目觀看,見有四角。
Ary natopiko ny masoko, ka hitako fa, indreo, nisy tandroka efatra.
19 我就問與我說話的天使說:「這是甚麼意思?」他回答說:「這是打散猶大、以色列,和耶路撒冷的角。」
Ary hoy izaho tamin’ ilay anjely niresaka tamiko: Inona moa ireo? Dia hoy izy tamiko: Ireo no tandroka izay nampihahaka ny Joda sy ny Isiraely ary Jerosalema.
20 耶和華又指四個匠人給我看。
Ary dia nanehoan’ i Jehovah mpiasa efatra aho.
21 我說:「他們來做甚麼呢?」他說:「這是打散猶大的角,使人不敢抬頭;但這些匠人來威嚇列國,打掉他們的角,就是舉起打散猶大地的角。」
Dia hoy izaho: Avy hanao inona moa ireto? Ary Izy nanao hoe: Ireo no tandroka nampihahaka ny Joda, ka tsy nisy olona nanandrandra loha; fa ireto kosa dia avy hampahatahotra azy mba hampiongana ny tandroky ny firenena, dia izay nanandratra ny tandrony tamin’ ny tanin’ ny Joda hanely azy.

< 撒迦利亞書 1 >