< 撒迦利亞書 2 >

1 我又舉目觀看,見一人手拿準繩。
Dia natopiko ny masoko, ka hitako fa, indro, nisy lehilahy manana kofehy famolaina eny an-tànany.
2 我說:「你往哪裏去?」他對我說:「要去量耶路撒冷,看有多寬多長。」
Dia hoy izaho: Ho aiza moa ianao? Ary hoy izy tamiko: Handrefy an’ i Jerosalema hizaha ny sakany sy ny lavany aho.
3 與我說話的天使去的時候,又有一位天使迎着他來,
Ary, indro, nivoaka ilay anjely niresaka tamiko, ary nisy anjely anankiray koa nivoaka hitsena azy
4 對他說:「你跑去告訴那少年人說,耶路撒冷必有人居住,好像無城牆的鄉村,因為人民和牲畜甚多。
ka nanao taminy hoe: Mihazakazaha, ka milazà amin’ io zatovo io hoe: Honenana toy ny tanana tsy mimanda Jerosalema noho ny hamaroan’ ny olona sy ny biby fiompy ao aminy.
5 耶和華說:我要作耶路撒冷四圍的火城,並要作其中的榮耀。」
Fa Izaho, hoy Jehovah, ho manda afo manodidina azy ary ho voninahitra ao afovoany.
6 耶和華說:「我從前分散你們在天的四方,現在你們要從北方之地逃回。這是耶和華說的。
He! he! mandosira avy any amin’ ny tany avaratra, hoy Jehovah; fa aeliko ho toy ny rivotra efatry ny lanitra ianareo, hoy Jehovah.
7 與巴比倫人同住的錫安民哪,應當逃脫。
He! vonjeo ny tenanao, ry Ziona, izay monina ao Babylona zanakavavy.
8 萬軍之耶和華說,在顯出榮耀之後,差遣我去懲罰那擄掠你們的列國,摸你們的就是摸他眼中的瞳人。
Fa izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Hampiseho voninahitra no nanirahany ahy tany amin’ ny firenena izay namabo anareo; fa izay mikasika anareo dia mikasika ny anakandriamasony.
9 看哪,我要向他們掄手,他們就必作服事他們之人的擄物,你們便知道萬軍之耶和華差遣我了。
Fa, indro, hahinjitro eo amboniny ny tanako, ka hobaboin’ ireo nanompo azy izy; dia ho fantatrareo fa Jehovah, Tompon’ ny maro, no naniraka ahy.
10 錫安城啊,應當歡樂歌唱,因為我來要住在你中間。這是耶和華說的。」
Mihobia sy mifalia, ry Ziona zanakavavy, fa, indro, avy honina ao afovoanao Aho, hoy Jehovah.
11 那時,必有許多國歸附耶和華,作他的子民。他要住在你中間,你就知道萬軍之耶和華差遣我到你那裏去了。
Ary firenena maro no hanaiky ho an’ i Jehovah amin’ izany andro izany ka ho oloko; ary hitoetra ao afovoanao aho, ka dia ho fantatrao fa Jehovah, Tompon’ ny maro, no naniraka ahy ho aminao.
12 耶和華必收回猶大作他聖地的分,也必再揀選耶路撒冷。
Ary Jehovah hanana an’ i Joda ho anjarany ao amin’ ny tany masìna ary mbola hifidy an’ i Jerosalema indray.
13 凡有血氣的都當在耶和華面前靜默無聲;因為他興起,從聖所出來了。
Mangìna eo anatrehan’ i Jehovah, ry nofo rehetra! fa nifoha avy ao amin’ ny fitoerany masìna Izy.

< 撒迦利亞書 2 >