< 詩篇 84 >

1 可拉後裔的詩,交與伶長。用迦特樂器。 萬軍之耶和華啊, 你的居所何等可愛!
Ho an’ ny mpiventy hira. Al-hagitith. Salamo nataon’ ny Koraïta. Endrey ny hatsaran’ ny tabernakelinao, Jehovah, Tompon’ ny maro, ô!
2 我羨慕渴想耶和華的院宇; 我的心腸,我的肉體向永生上帝呼籲。
Manina sady vonton’ alahelo ny kianjan’ i Jehovah ny fanahiko; ny foko sy ny nofoko mihoby an’ Andriamanitra velona.
3 萬軍之耶和華-我的王,我的上帝啊, 在你祭壇那裏,麻雀為自己找着房屋, 燕子為自己找着菢雛之窩。
Eny, ny tsikirity mahita trano, ary ny sidintsidina mahita akany ho azy hametrahany ny zanany. Dia ny alitaranao, Jehovah, Tompon’ ny maro ô, Mpanjakako sy Andriamanitro.
4 如此住在你殿中的便為有福! 他們仍要讚美你。 (細拉)
Sambatra izay mitoetra ao an-tranonao; hidera Anao mandrakariva izy. (Sela)
5 靠你有力量、心中想往錫安大道的, 這人便為有福!
Sambatra izay olona manan-kery avy aminao; ao am-pony ny lalana;
6 他們經過「流淚谷」,叫這谷變為泉源之地; 並有秋雨之福蓋滿了全谷。
Raha mandeha mamaky ny lohasaha Baka izy, Dia ataony misy loharano izany, ary ny loha-orana manarom-pitahiana azy.
7 他們行走,力上加力, 各人到錫安朝見上帝。
Miampy hery eny am-pandehanana izy; samy miseho eo anatrehan’ Andriamanitra any Ziona izy rehetra.
8 耶和華-萬軍之上帝啊,求你聽我的禱告! 雅各的上帝啊,求你留心聽! (細拉)
Jehovah, Andriamanitry ny maro ô, henoy ny fivavako; mandrenesa ry Andriamanitr’ i Jakoba ô. (Sela)
9 上帝啊,你是我們的盾牌; 求你垂顧觀看你受膏者的面!
Andriamanitra, Ampinganay ô, tsinjovy ka jereo ny tavan’ ny voahosotrao.
10 在你的院宇住一日, 勝似在別處住千日; 寧可在我上帝殿中看門, 不願住在惡人的帳棚裏。
Fa ny indray andro eo an-kianjanao dia tsara noho ny arivo; aleoko mipetraka eo amin’ ny tokonam-baravaran’ ny tranon’ Andriamanitra, toy izay mitoetra ao an-dain’ ny ratsy fanahy.
11 因為耶和華-上帝是日頭,是盾牌, 要賜下恩惠和榮耀。 他未嘗留下一樣好處不給那些行動正直的人。
Fa Masoandro sy Ampinga Jehovah Andriamanitra; fahasoavana sy voninahitra no homen’ i Jehovah; tsy hiaro zava-tsoa amin’ izay mandeha amin’ ny fahitsiana izy.
12 萬軍之耶和華啊, 倚靠你的人便為有福!
Jehovah, Tompon’ ny maro ô, sambatra izay olona matoky Anao.

< 詩篇 84 >