< 詩篇 55 >

1 大衛的訓誨詩,交與伶長。用絲弦的樂器。 上帝啊,求你留心聽我的禱告, 不要隱藏不聽我的懇求!
Ho an’ ny mpiventy hira. Hampiarahina amin’ ny valiha. Maskila nataon’ i Davida. Mihainoa ny fivavako, Andriamanitra ô, ary aza miery amin’ ny fitarainako.
2 求你側耳聽我,應允我。 我哀歎不安,發聲唉哼,
Henoy aho, ka valio; miriorio ny eritreritro, ka mitoloko aho,
3 都因仇敵的聲音,惡人的欺壓; 因為他們將罪孽加在我身上,發怒氣逼迫我。
Noho ny feon’ ny fahavalo sy ny fampahorian’ ny ratsy fanahy; fa mampianjera loza amiko ireny, ary amin’ ny fahatezerana no ankahalany ahy.
4 我心在我裏面甚是疼痛; 死的驚惶臨到我身。
Mangorohoro ato anatiko ny foko, ary mamely ahy ny tahotra ny fahafatesana.
5 恐懼戰兢歸到我身; 驚恐漫過了我。
Tahotra sy hovitra no mahazo ahy, ary manafotra ahy ny horohoro.
6 我說:但願我有翅膀像鴿子, 我就飛去,得享安息。
Ka hoy izaho: enga anie ka manana elatra tahaka ny voromailala aho, dia handositra aho ka hahita izay hitoerako;
7 我必遠遊, 宿在曠野。 (細拉)
Eny, handositra lavitra aho ka hitoetra any an-efitra. (Sela)
8 我必速速逃到避所, 脫離狂風暴雨。
Handeha faingana aho hamonjy fialofana, mba tsy ho azon’ ny tafio-drivotra sy ny ranonoram-baratra.
9 主啊,求你吞滅他們,變亂他們的舌頭! 因為我在城中見了強暴爭競的事。
Aringano izy, ary akoroy ny fiteniny, Tompo ô; fa mahita loza sy ady ao an-tanàna aho.
10 他們在城牆上晝夜繞行; 在城內也有罪孽和奸惡。
Hodidininy andro aman’ alina eny ambonin ny mandany io; ary heloka sy fampahoriana no ao aminy;
11 邪惡在其中; 欺壓和詭詐不離街市。
Ratsy no ao anatiny; ary ny fitaka sy ny fanangolena tsy mba miala amin’ ny lalàmbeny.
12 原來不是仇敵辱罵我, 若是仇敵,還可忍耐; 也不是恨我的人向我狂大, 若是恨我的人就必躲避他。
Fa tsy fahavalo no nanaratsy ahy, ― fa raha izany, dia niaritra ihany aho; tsy olona nankahala ahy no nanandra-tena namely ahy, fa raha izany, dia niery azy aho;
13 不料是你;你原與我平等, 是我的同伴,是我知己的朋友!
Fa ianao, lehilahy mitovy saranga amiko, namako sy sakaizako indrindra,
14 我們素常彼此談論,以為甘甜; 我們與群眾在上帝的殿中同行。
Dia isika izay nifankamamy resaka ka niara-nandeha tamin’ ny maro ho ao an-tranon’ Andriamanitra.
15 願死亡忽然臨到他們! 願他們活活地下入陰間! 因為他們的住處,他們的心中,都是邪惡。 (Sheol h7585)
Aoka hanampoka azy ny fahafatesana. Aoka hidina velona any amin’ ny fiainan-tsi-hita izy; fa ratsy no ao amin’ ny fonenany, dia ao afovoany. (Sheol h7585)
16 至於我,我要求告上帝; 耶和華必拯救我。
Raha izaho, dia Andriamanitra no hantsoiko; ary Jehovah no hamonjy ahy.
17 我要晚上、早晨、晌午哀聲悲歎; 他也必聽我的聲音。
Hariva sy maraina ary mitatao vovonana no hitarainako sy hitolokoako; dia hihaino ny feoko Izy,
18 他救贖我命脫離攻擊我的人, 使我得享平安, 因為與我相爭的人甚多。
Ka hanavotra ny fanahiko ho amin’ ny fiadanana hahafahako amin’ ny adin’ ireny amiko, fa maro no miady amiko.
19 那沒有更變、不敬畏上帝的人, 從太古常存的上帝必聽見而苦待他。
Hihaino Andriamanitra, Izay mipetraka hatramin’ ny taloha, (Sela) ka hamaly ireo olona tsy miova toetra, sady tsy matahotra an’ Andriamanitra.
20 他背了約, 伸手攻擊與他和好的人。
Efa naninjitra ny tànany hamely izay nihavana taminy izy; namadika ny fanekeny izy.
21 他的口如奶油光滑, 他的心卻懷着爭戰; 他的話比油柔和, 其實是拔出來的刀。
Malambo noho ny rononomandry ny vavany, kanjo ady no ao am-pony; malemy noho ny diloilo ny teniny, kanjo sabatra voatsoaka ireny.
22 你要把你的重擔卸給耶和華, 他必撫養你; 他永不叫義人動搖。
Apetraho amin’ i Jehovah ny entanao, ary Izy no hanohana anao; tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina.
23 上帝啊,你必使惡人下入滅亡的坑; 流人血、行詭詐的人必活不到半世, 但我要倚靠你。
Fa Hianao, Andriamanitra ô, no hampidina ireo any an-davaka fanimbana; ny mpandatsa-drà sy mpamitaka tsy hahatratra ny an-tsasaky ny androny; fa izaho kosa dia hatoky Anao.

< 詩篇 55 >