< 詩篇 81 >

1 亞薩的詩,交與伶長。用迦特樂器。 你們當向上帝-我們的力量大聲歡呼, 向雅各的上帝發聲歡樂!
Ho an’ ny mpiventy hira. Al-gitith. Nataon’ i Asafa. Mihobia ho an’ Andriamanitra herintsika; manaova feo fifaliana ho an’ Andriamanitr’ i Jakoba.
2 唱起詩歌,打手鼓, 彈美琴與瑟。
Asandrato ny hira, ka velezo ny ampongatapaka, ary tendreo ny lokanga mahafinaritra mbamin’ ny valiha.
3 當在月朔並月望- 我們過節的日期吹角,
Tsofy ny anjomara amin’ ny volana; eny, amin’ ny feno-volana, dia amin’ ny andro firavoravoantsika.
4 因這是為以色列定的律例, 是雅各上帝的典章。
Fa lalàna ho an’ ny Isiraely izany, ary fitsipik’ Andriamanitr’ i Jakoba.
5 他去攻擊埃及地的時候, 在約瑟中間立此為證。 我在那裏聽見我所不明白的言語:
Notendreny ho vavolombelona eo amin’ i Josefa izany, raha nandeha namely ny tany Egypta Izy; nandre teny tsy fantatro aho.
6 上帝說:我使你的肩得脫重擔, 你的手放下筐子。
Nampiala ny sorony tamin’ ny entana Aho; nitsahatra tsy nitondra sobiky ny tànany.
7 你在急難中呼求,我就搭救你; 我在雷的隱密處應允你, 在米利巴水那裏試驗你。 (細拉)
Fony azom-pahoriana ianao, dia niantso Ahy, ka namonjy anao Aho; namaly anao tao amin’ ny fiafenan’ ny kotrokorana Aho, ary nizaha toetra anao tao amin’ ny ranon’ i Meriba. (Sela)
8 我的民哪,你當聽,我要勸戒你; 以色列啊,甚願你肯聽從我。
Mihainoa, ry oloko, dia hambarako aminao; enga anie hihaino Ahy ianao, ry Isiraely.
9 在你當中,不可有別的神; 外邦的神,你也不可下拜。
Aza asiana andriamani-kafa eo aminao; ary aza mivavaka amin’ ny andriamanitry ny firenena hafa.
10 我是耶和華-你的上帝, 曾把你從埃及地領上來; 你要大大張口,我就給你充滿。
Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta; atanatanao ny vavanao, dia hofenoiko.
11 無奈,我的民不聽我的聲音; 以色列全不理我。
Fa tsy nihaino ny feoko ny oloko; ary ny Isiraely tsy nankato Ahy;
12 我便任憑他們心裏剛硬, 隨自己的計謀而行。
Ka dia navelako hanaraka ny ditry ny fony Izy, handehanany manaraka ny fisainan’ ny tenany.
13 甚願我的民肯聽從我, 以色列肯行我的道,
Enga anie ka hihaino Ahy ny oloko, dia handeha amin’ ny lalako ny Isiraely;
14 我便速速治服他們的仇敵, 反手攻擊他們的敵人。
Vetivety dia hampietry ny fahavalony Aho, ka hamerina ny tanako hamely ny rafiny;
15 恨耶和華的人必來投降, 但他的百姓必永久長存。
Izay mankahala an’ i Jehovah dia hikoy aminy, ka dia haharitra mandrakizay ny andron’ ny oloko;
16 他也必拿上好的麥子給他們吃, 又拿從磐石出的蜂蜜叫他們飽足。
Ary hampihinana azy vary tsara indrindra Izy; eny, tantely avy amin’ ny vatolampy no hamokisako anao.

< 詩篇 81 >