< 詩篇 77 >

1 亞薩的詩,照耶杜頓的作法,交與伶長。 我要向上帝發聲呼求; 我向上帝發聲,他必留心聽我。
Ho an’ ny mpiventy hira. Al-jedotona. Salamo nataon’ i Asafa. Ny feoko dia mankany amin’ Andriamanitra, ka mitaraina aho; eny, ny feoko mankany amin’ Andriamanitra, ka mihaino ahy Izy.
2 我在患難之日尋求主; 我在夜間不住地舉手禱告; 我的心不肯受安慰。
Tamin’ ny andro fahoriako no nitadiavako ny Tompo; ny tanako nasandratra nony alina ka tsy vizana; ny fanahiko tsy nety nampiononina.
3 我想念上帝,就煩燥不安; 我沉吟悲傷,心便發昏。 (細拉)
Ta-hahatsiaro an’ Andriamanitra aho, ka dia nisento; te-hieritreritra aho, ka dia reraka ny fanahiko. (Sela)
4 你叫我不能閉眼; 我煩亂不安,甚至不能說話。
Mampiari-tory ny masoko Hianao; mitebiteby aho ka tsy mahateny.
5 我追想古時之日, 上古之年。
Nihevitra ny andro fahiny aho, dia ny taon-dasa ela.
6 我想起我夜間的歌曲,捫心自問; 我心裏也仔細省察。
Ta-hahatsiaro ny nitendreko valiha tamin’ ny alina aho; te-hidinidinika amin’ ny foko aho, ary ny fanahiko nanontany mafy hoe:
7 難道主要永遠丟棄我, 不再施恩嗎?
Hanary mandrakizay va ny Tompo? Tsy hankasitraka intsony va Izy?
8 難道他的慈愛永遠窮盡, 他的應許世世廢棄嗎?
Efa nitsahatra mandrakizay va ny famindram-pony? Efa tapitra mandrakizay va ny teniny?
9 難道上帝忘記開恩, 因發怒就止住他的慈悲嗎? (細拉)
Efa nanadino hamindra fo va Andriamanitra? Efa nohidiany an-katezerana va ny fiantràny? (Sela)
10 我便說:這是我的懦弱, 但我要追念至高者顯出右手之年代。
Ary hoy izaho: Izao no mahararirary ny foko, dia ny niovan’ ny tanana ankavanan’ ny Avo Indrindra.
11 我要提說耶和華所行的; 我要記念你古時的奇事。
Hampahatsiaro ny asan’ i Jehovah aho, fa ta-hahatsiaro ny fahagagana nataonao fony taloha;
12 我也要思想你的經營, 默念你的作為。
Eny hisaina ny asanao rehetra aho, ary hihevitra ny nataonao.
13 上帝啊,你的作為是潔淨的; 有何神大如上帝呢?
Andriamanitra ô, amin’ ny fitoerana masìna ny lalanao; iza no andriamani-dehibe tahaka an’ Andriamanitra?
14 你是行奇事的上帝; 你曾在列邦中彰顯你的能力。
Hianao no Andriamanitra Izay manao fahagagana; efa nampahalala ny herinao teny amin’ ny firenena Hianao.
15 你曾用你的膀臂贖了你的民, 就是雅各和約瑟的子孫。 (細拉)
Navotan’ ny sandrinao ny olonao, dia ny taranak’ i Jakoba sy Josefa. (Sela)
16 上帝啊,諸水見你, 一見就都驚惶; 深淵也都戰抖。
Ny rano be nahita Anao, Andriamanitra ô, ny rano be nahita Anao ka toran-kovitra; eny, nanonjanonja ny lalina.
17 雲中倒出水來; 天空發出響聲; 你的箭也飛行四方。
Nandatsaka ranonorana ny rahona; nikotrokotroka ny lanitra; nifanaretsaka koa ny zana-tsipìkanao.
18 你的雷聲在旋風中; 電光照亮世界; 大地戰抖震動。
Ny fikotrokotroky ny kotrokorana dia teo amin’ ny tadio; nahazava izao rehetra izao ny helatra; nihovotrovotra sy nihorohoro ny tany.
19 你的道在海中; 你的路在大水中; 你的腳蹤無人知道。
Tany amin’ ny ranomasina ny lalanao, ary ny nalehanao dia tany amin’ ny rano mandriaka, ka tsy fantatra ny dian-tongotrao.
20 你曾藉摩西和亞倫的手引導你的百姓, 好像羊群一般。
Ny tanan’ i Mosesy sy Arona no nitondranao ny olonao toy ny ondry.

< 詩篇 77 >