< 詩篇 73 >

1 亞薩的詩。 上帝實在恩待以色列那些清心的人!
Salamo nataon’ i Asafa.
2 至於我,我的腳幾乎失閃; 我的腳險些滑跌。
Fa izaho, dia saiky nibolasitra ny tongotro; saiky solafaka ny diako,
3 我見惡人和狂傲人享平安就心懷不平。
Satria nialona ny mpirehareha aho, raha nahita ny fiadanan’ ny ratsy fanahy.
4 他們死的時候沒有疼痛; 他們的力氣卻也壯實。
Fa tsy misy fanaintainana amin’ ny fahafatesany, ary fatratra ny heriny.
5 他們不像別人受苦, 也不像別人遭災。
Tsy mba misy manavesatra azy, tahaka ny olona sasany, ary tsy mba azom-pahoriana tahaka ny olon-kafa izy.
6 所以,驕傲如鏈子戴在他們的項上; 強暴像衣裳遮住他們的身體。
Dia izany no iambozonany rehareha toy ny rojo, sy itafiany fahalozàna tahaka ny lamba.
7 他們的眼睛因體胖而凸出; 他們所得的,過於心裏所想的。
Bongon-tavy ny masony; miloatra ny hevitry ny fony.
8 他們譏笑人,憑惡意說欺壓人的話; 他們說話自高。
Manazimbazimba izy ka miresaka fampahoriana an-dolom-po; avo vava izy.
9 他們的口褻瀆上天; 他們的舌毀謗全地。
Manao vava manakatra ny lanitra izy, ary ny lelany mandeha mitety ny tany.
10 所以上帝的民歸到這裏, 喝盡了滿杯的苦水。
Izany no itodihan’ ny olony hankany aminy; ary rano be no gohin’ ireny;
11 他們說:上帝怎能曉得? 至高者豈有知識呢?
Ka hoy izy: Hataon’ Andriamanitra ahoana no fahalala? ary manam-pahalalana va ny Avo Indrindra?
12 看哪,這就是惡人; 他們既是常享安逸,財寶便加增。
Indro, ireny dia olona ratsy fanahy; miadana mandrakariva izy ka mitombo harena.
13 我實在徒然潔淨了我的心, 徒然洗手表明無辜。
Foana mihitsy ny nanadiovako ny foko sy ny nanasàko ny tanako tamin’ ny fahamarinana.
14 因為,我終日遭災難; 每早晨受懲治。
Azom-pahoriana mandritra ny andro aho, ary faizana isa-maraina.
15 我若說,我要這樣講, 這就是以奸詐待你的眾子。
Raha tahìny aho nanao hoe: Hiteny izany aho, dia ho namitaka ireo zanakao.
16 我思索怎能明白這事, 眼看實係為難,
Dia nieritreritra ta-hahalala izany zavatra izany aho, kanjo sarotra teo imasoko izany.
17 等我進了上帝的聖所, 思想他們的結局。
Mandra-piditro tao amin’ ny fitoera-masin’ Andriamanitra ka nihevitra izay ho farany.
18 你實在把他們安在滑地, 使他們掉在沉淪之中。
Eo amin’ izay mahasolafaka tokoa no ametrahanao azy, ary aripakao ho ringana izy.
19 他們轉眼之間成了何等的荒涼! 他們被驚恐滅盡了。
Hià! rava indray mipi-maso izy! levona izy, matin-java-mahatahotra izy!
20 人睡醒了,怎樣看夢; 主啊,你醒了也必照樣輕看他們的影像。
Tahaka ny anaovan’ ny olona ny nofiny ho tsinontsinona, dia tahaka izany, Tompo ô, no anaovanao ny endrik’ ireny ho tsinontsinona, raha mifoha Hianao.
21 因而,我心裏發酸, 肺腑被刺。
Raha lotika ny foko, ka voatsindrona ny voako,
22 我這樣愚昧無知, 在你面前如畜類一般。
Dia ketrina aho ka tsy nahalala; eny, biby teo anatrehanao aho.
23 然而,我常與你同在; 你攙着我的右手。
Nefa izaho dia eo aminao ihany mandrakariva, mihazona ny tanako ankavanana Hianao.
24 你要以你的訓言引導我, 以後必接我到榮耀裏。
Ny saina omenao no hitondranao ahy, ary rehefa afaka izany, dia horaisinao ho amin’ ny voninahitra aho.
25 除你以外,在天上我有誰呢? 除你以外,在地上我也沒有所愛慕的。
Iza no ahy any an-danitra? ary tsy misy etỳ ambonin’ ny tany iriko tahaka Anao.
26 我的肉體和我的心腸衰殘; 但上帝是我心裏的力量, 又是我的福分,直到永遠。
Na dia levona aza ny nofoko sy ny foko, dia mbola vatolampin’ ny foko sy anjarako mandrakizay Andriamanitra.
27 遠離你的,必要死亡; 凡離棄你行邪淫的,你都滅絕了。
Fa, indro, very izay lavitra Anao; aringanao izay rehetra mijangajanga mahafoy Anao.
28 但我親近上帝是與我有益; 我以主耶和華為我的避難所, 好叫我述說你一切的作為。
Fa, izaho, dia ny ho akaikin’ Andriamanitra no mahatsara ahy; Hianao, Jehovah Tompo ô, no nataoko aroko, mba hilaza ny asanao rehetra aho.

< 詩篇 73 >