< 詩篇 71 >

1 耶和華啊,我投靠你; 求你叫我永不羞愧!
Hianao, Jehovah ô, no itokiako; aoka tsy ho menatra mandrakizay aho.
2 求你憑你的公義搭救我,救拔我; 側耳聽我,拯救我!
Vonjeo ny fahamarinanao aho, ka afaho; atongilano amiko ny sofinao, ka vonjeo aho.
3 求你作我常住的磐石; 你已經命定要救我, 因為你是我的巖石,我的山寨。
Aoka ho vatolampy fonenana hohatoniko mandrakariva Hianao, Izay efa nandidy hamonjy ahy; fa harambatoko sy batery fiarovana ho ahy Hianao.
4 我的上帝啊,求你救我脫離惡人的手, 脫離不義和殘暴之人的手。
Andriamanitro ô, afaho amin’ ny tanan’ ny ratsy fanahy aho, dia amin’ ny tanan’ ny mpanao meloka sy ny lozabe.
5 主-耶和華啊,你是我所盼望的; 從我年幼,你是我所倚靠的。
Fa Hianao no fanantenako, Jehovah Tompo ô, ry tokiko hatry ny fony aho mbola tanora.
6 我從出母胎被你扶持; 使我出母腹的是你。 我必常常讚美你!
Hianao no nanankinana ahy hatrany am-bohoka; ianao namoaka ahy avy tany an-kibon-dreniko; ianao no deraiko mandrakariva.
7 許多人以我為怪, 但你是我堅固的避難所。
Tonga toa zava-mahagaga eo imason’ ny maro aho; nefa Hianao no fiarovana mafy ho ahy.
8 你的讚美,你的榮耀 終日必滿了我的口。
Ny vavako ho feno ny fideràna Anao sy ny fankalazana Anao mandrakariva.
9 我年老的時候,求你不要丟棄我! 我力氣衰弱的時候,求你不要離棄我!
Aza manary ahy, rehefa antitra aho; ary aza mahafoy ahy, rehefa ketraka ny heriko.
10 我的仇敵議論我; 那些窺探要害我命的彼此商議,
Fa miresaka ahy ny fahavaloko; ary miara-mioko izay manotrika hahazo ny aiko.
11 說:上帝已經離棄他; 我們追趕他,捉拿他吧! 因為沒有人搭救。
Ka manao hoe: Andriamanitra efa nahafoy azy; enjeho izy, ka sambory, fa tsy misy hamonjy.
12 上帝啊,求你不要遠離我! 我的上帝啊,求你速速幫助我!
Andriamanitra ô, aza manalavitra ahy; Andriamanitro ô, faingana hamonjy ahy.
13 願那與我性命為敵的,羞愧被滅; 願那謀害我的,受辱蒙羞。
Aoka ho menatra sy ho levona ny mpanohitra ny fanahiko; aoka hitafy henatra sy fahafaham-baraka izay mitady hanisy ratsy ahy.
14 我卻要常常盼望, 並要越發讚美你。
Fa izaho kosa dia hanantena mandrakariva, ary hitombo lalandava ny fideràko Anao.
15 我的口終日要述說你的公義和你的救恩, 因我不計其數。
Ny vavako hitory ny fahamarinanao sy ny famonjenao mandrakariva, fa tsy fantatro ny isany.
16 我要來說主-耶和華大能的事; 我單要提說你的公義。
Ho entiko ny asa lehibe nataon’ i Jehovah Tompo; hampahatsiaro ny fahamarinanao aho, dia ny Anao ihany.
17 上帝啊,自我年幼時,你就教訓我; 直到如今,我傳揚你奇妙的作為。
Andriamanitra ô, Hianao efa nampianatra ahy hatry ny fony aho mbola tanora; ary mandraka ankehitriny dia nitory ny fahagaganao aho.
18 上帝啊,我到年老髮白的時候, 求你不要離棄我! 等我將你的能力指示下代, 將你的大能指示後世的人。
Koa mandra-pahantitro sy fotsy volo, dia aza mahafoy ahy, Andriamanitra ô, mandra-pilazako ny sandrinao amin’ ny taranaka sy ny asanao lehibe amin’ izay rehetra mbola ho avy.
19 上帝啊,你的公義甚高; 行過大事的上帝啊,誰能像你!
Ary mihatra amin’ izay avo indrindra ny fahamarinanao, Andriamanitra ô, Izay nanao zava-dehibe: Andriamanitra ô, iza no tahaka Anao?
20 你是叫我們多經歷重大急難的, 必使我們復活, 從地的深處救上來。
Hianao Izay nampahita ahy fahoriana be sady mafy no hamelona ahy indray, ka hampiakatra ahy indray hiala amin’ ny fitoerana lalina amin’ ny tany.
21 求你使我越發昌大, 又轉來安慰我。
Ampitomboy ny voninahitro, ary aoka hampionona ahy indray Hianao.
22 我的上帝啊,我要鼓瑟稱讚你, 稱讚你的誠實! 以色列的聖者啊,我要彈琴歌頌你!
Izaho kosa hidera Anao amin’ ny valiha, dia ny fahamarinanao, Andriamanitro; hankalaza Anao amin’ ny lokanga aho, ry Iray Masin’ ny Isiraely ô.
23 我歌頌你的時候, 我的嘴唇和你所贖我的靈魂都必歡呼;
Hihoby ny molotro raha mankalaza Anao; ny fanahiko koa izay efa navotanao;
24 並且我的舌頭必終日講論你的公義, 因為那些謀害我的人已經蒙羞受辱了。
Ary ny lelako hitory ny fahamarinanao mandrakariva; fa efa menatra sy mangaihay izay mitady hanisy ratsy ahy.

< 詩篇 71 >