< 詩篇 66 >

1 一篇詩歌,交與伶長。 全地都當向上帝歡呼!
Ho an’ ny mpiventy hira. Tonon-kira. Salamo.
2 歌頌他名的榮耀! 用讚美的言語將他的榮耀發明!
Mankalazà ny voninahitry ny anarany; omeo voninahitra Izy ho fiderana Azy.
3 當對上帝說:你的作為何等可畏! 因你的大能,仇敵要投降你。
Lazao amin’ Andriamanitra hoe: endrey, mahatahotra ny asanao! ny fahalehibiazan’ ny herinao no hikoizan’ ny fahavalonao Anao.
4 全地要敬拜你,歌頌你, 要歌頌你的名。 (細拉)
Ny tany rehetra hiankohoka eo anatrehanao ka hankalaza Anao; eny, hankalaza ny anaranao izy. (Sela)
5 你們來看上帝所行的, 他向世人所做之事是可畏的。
Avia, ka jereo ny asan’ Andriamanitra, mahatahotra ny zavatra ataony amin’ ny zanak’ olombelona.
6 他將海變成乾地,眾民步行過河; 我們在那裏因他歡喜。
Efa nampody ny ranomasina ho tany maina Izy; nandeha an-tongotra nita ny ony ny olona; tao no nifaliantsika tamin’ Andriamanitra.
7 他用權能治理萬民,直到永遠。 他的眼睛鑒察列邦; 悖逆的人不可自高。 (細拉)
Manjaka mandrakizay amin’ ny heriny Izy, ary ny masony mandinika ny firenen-tsamy hafa; aoka tsy hanandra-tena ny maditra. (Sela)
8 萬民哪,你們當稱頌我們的上帝, 使人得聽讚美他的聲音。
Misaora an’ Andriamanitsika, ry firenena; ary asandrato ny feo fiderana Azy,
9 他使我們的性命存活, 也不叫我們的腳搖動。
Izay mampitoetra ny fanahintsika amin’ ny fiainana ka tsy mamela ny tongotsika hangozohozo.
10 上帝啊,你曾試驗我們, 熬煉我們,如熬煉銀子一樣。
Fa efa nizaha toetra anay Hianao, Andriamanitra ô; efa nanadio anay Hianao, tahaka ny fanadio volafotsy amin’ ny memy.
11 你使我們進入網羅, 把重擔放在我們的身上。
Efa nampiditra anay tamin’ ny fandrika Hianao; efa nanisy enta-mavesatra teo am-balahanay Hianao.
12 你使人坐車軋我們的頭; 我們經過水火, 你卻使我們到豐富之地。
Efa nampandeha ny olona hanitsaka ny lohanay Hianao; nandeha namaky ny afo sy ny rano izahay; fa nitondra anay nivoaka ho amin’ ny fitahiana mahatretrika Hianao.
13 我要用燔祭進你的殿, 向你還我的願,
Hiditra ao an-tranonao mitondra fanatitra dorana aho; hefaiko aminao ny voadiko,
14 就是在急難時我嘴唇所發的、 口中所許的。
Izay notononin’ ny molotro sy naloaky ny vavako, fony aho azom-pahoriana.
15 我要把肥牛作燔祭, 將公羊的香祭獻給你, 又把公牛和山羊獻上。 (細拉)
Hateriko aminao ho fanatitra dorana ny matavy mbamin’ ny setroky ny ondrilahy; hanatitra omby sy osilahy aho. (Sela)
16 凡敬畏上帝的人,你們都來聽! 我要述說他為我所行的事。
Avia, mihainoa ianareo rehetra izay matahotra an’ Andriamanitra, fa holazaiko izay nataony ho an’ ny fanahiko.
17 我曾用口求告他; 我的舌頭也稱他為高。
Izy no nantsoin’ ny vavako; ary ny fanandratana Azy no teo ambanin’ ny lelako.
18 我若心裏注重罪孽, 主必不聽。
Raha nankasitraka ota tao am-poko aho, dia tsy mba hihaino ny Tompo;
19 但上帝實在聽見了; 他側耳聽了我禱告的聲音。
Kanefa efa nihaino tokoa Andriamanitra; efa nihaino ny feon’ ny fivavako Izy.
20 上帝是應當稱頌的! 他並沒有推卻我的禱告, 也沒有叫他的慈愛離開我。
Isorana anie Andriamanitra, izay tsy nandà ny fivavako, na nanaisotra ny famindram-pony tamiko.

< 詩篇 66 >