< 詩篇 62 >

1 大衛的詩,照耶杜頓的作法,交與伶長。 我的心默默無聲,專等候上帝; 我的救恩是從他而來。
Ho an’ ny mpiventy hira. Al-jedotona. Salamo nataon’ i Davida. Andriamanitra tokoa no iantombenan’ ny fanahiko; avy aminy ny famonjena ahy.
2 惟獨他是我的磐石,我的拯救; 他是我的高臺,我必不很動搖。
Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy, dia fiarovana avo ho ahy ka tsy hangozohozo loatra aho.
3 你們大家攻擊一人,把他毀壞, 如同毀壞歪斜的牆、將倒的壁,要到幾時呢?
Mandra-pahoviana no hirohotanareo hamely olona sy handrodananareo rehetra azy toy ny manda mirona sy ny rova mihozongozona;
4 他們彼此商議,專要從他的尊位上把他推下; 他們喜愛謊話,口雖祝福,心卻咒詛。 (細拉)
Misaina hanongana azy hiala amin’ ny voninahiny ireny; lainga no ifaliany, misaotra amin’ ny vavany izy, fa manozona amy ny fony. (Sela)
5 我的心哪,你當默默無聲,專等候上帝, 因為我的盼望是從他而來。
Miantombena amin’ Andriamanitra tokoa ianao, ry fanahiko; fa Izy no antenaiko.
6 惟獨他是我的磐石,我的拯救; 他是我的高臺,我必不動搖。
Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy, dia fiarovana avo ho ahy, ka tsy mba hangozohozo aho.
7 我的拯救、我的榮耀都在乎上帝; 我力量的磐石、我的避難所都在乎上帝。
Andriamanitra no iankinan’ ny famonjena ahy sy ny voninahitro; ny vatolampiko mafy sy ny aroko dia ao amin’ Andriamanitra.
8 你們眾民當時時倚靠他, 在他面前傾心吐意; 上帝是我們的避難所。 (細拉)
Matokia Azy mandrakariva ianareo, ry olona; loary eo anatrehany ny fonareo; Andriamanitra no aro ho antsika. (Sela)
9 下流人真是虛空; 上流人也是虛假; 放在天平裏就必浮起; 他們一共比空氣還輕。
Zava-poana tokoa ny ambany, ary lainga ny ambony; raha hatao amin’ ny mizana izy, dia maivana; zava-poana mihitsy izy.
10 不要仗勢欺人, 也不要因搶奪而驕傲; 若財寶加增,不要放在心上。
Aza matoky ny fanaovana an-keriny, ary aza miantehitra amin’ ny halatra; raha mitombo ny harena, dia aza anorenana ny fonareo.
11 上帝說了一次、兩次,我都聽見: 就是能力都屬乎上帝。
Indray mandeha no nitenenan’ Andriamanitra; indroa no nandrenesako hoe: an’ Andriamanitra ny hery.
12 主啊,慈愛也是屬乎你, 因為你照着各人所行的報應他。
Ary Anao koa, ry Tompo ô, ny famindram-po, fa Hianao no mamaly ny olona rehetra araka ny asany avy.

< 詩篇 62 >