< 詩篇 59 >

1 掃羅打發人窺探大衛的房屋,要殺他。那時,大衛作這金詩,交與伶長。調用休要毀壞。 我的上帝啊,求你救我脫離仇敵, 把我安置在高處,得脫那些起來攻擊我的人。
Ho an’ ny mpiventy hira. Al-tasheth. Miktama nataon’ i Davida, fony Saoly naniraka, ka nisy niambina ny trano hamonoana azy. Afaho amin’ ny fahavaloko aho, Andriamanitro ô; asondroty eo amin’ ny avo aho tsy ho azon’ izay miodina amiko.
2 求你救我脫離作孽的人 和喜愛流人血的人!
Afaho amin’ ny mpanao ratsy aho, ary vonjeo amin’ ny mpandatsa-drà.
3 因為,他們埋伏要害我的命; 有能力的人聚集來攻擊我。 耶和華啊,這不是為我的過犯, 也不是為我的罪愆。
Fa, indro, manotrika hahazo ny aiko izy; miangona hanohitra ahy ny mahery, nefa tsy fahadisoako ary tsy fahotako, Jehovah ô.
4 我雖然無過,他們預備整齊,跑來攻擊我。 求你興起鑒察,幫助我!
Tsy heloko no ihazakazahany sy iomanany, koa mifohaza hitsena ahy, ka jereo.
5 萬軍之上帝-耶和華以色列的上帝啊! 求你興起,懲治萬邦! 不要憐憫行詭詐的惡人! (細拉)
Ary Hianao, Jehovah ô, Andriamanitry ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, mifohaza hitsara ny firenen-tsamy hafa; aza mamindra fo amin’ izay mpivadika ratsy fanahy. (Sela)
6 他們晚上轉回, 叫號如狗,圍城繞行。
Miverina nony hariva ireny ka mierona tahaka ny alika, sady mandehandeha eran’ ny tanàna.
7 他們口中噴吐惡言,嘴裏有刀; 他們說:有誰聽見?
Indro, mirezadrezatra amin’ ny vavany izy; sabatra no eo amin’ ny molony, fa iza, hono, no handre?
8 但你-耶和華必笑話他們; 你要嗤笑萬邦。
Kanjo Hianao, Jehovah ô, hihomehy azy; Hianao haneso ny firenena rehetra.
9 我的力量啊,我必仰望你, 因為上帝是我的高臺。
Koa noho ny herin’ ireny dia hiandry Anao aho; fa Andriamanitra no fiarovana avo ho ahy.
10 我的上帝要以慈愛迎接我; 上帝要叫我看見我仇敵遭報。
Andriamanitra, Izay mamindra fo amiko, no hialoha ahy; hataon’ Andriamanitra faly mijery ny amin’ ny fahavaloko aho.
11 不要殺他們,恐怕我的民忘記。 主啊,你是我們的盾牌; 求你用你的能力使他們四散, 且降為卑。
Aza mahafaty azy Hianao, fandrao hanadino izany ny fireneko. Ampirenireneo amin’ ny herinao izy, ka aripaho, ry Tompo ô, Ampinganay.
12 因他們口中的罪和嘴裏的言語, 並咒罵虛謊的話, 願他們在驕傲之中被纏住了。
Ny fahotan’ ny vavany dia ny tenin’ ny molony; aoka hosamborina amin’ ny fireharehany izy, eny, noho ny ozona sy ny lainga ataony.
13 求你發怒,使他們消滅, 以致歸於無有, 叫他們知道上帝在雅各中間掌權, 直到地極。 (細拉)
Aringano an-katezerana izy, aringano mba tsy ho ao intsony; ary aoka ho fantany fa Andriamanitra no manapaka eo amin’ ny Jakoba ka hatramin’ ny faran’ ny tany. (Sela)
14 到了晚上,任憑他們轉回; 任憑他們叫號如狗,圍城繞行。
Ary miverina nony hariva ireny ka mierona tahaka ny alika, sady mandehandeha eran’ ny tanàna.
15 他們必走來走去,尋找食物, 若不得飽就終夜在外。
Miriorio mitady hanina izy; raha tsy voky izy, dia any ihany mandritra ny alina.
16 但我要歌頌你的力量, 早晨要高唱你的慈愛; 因為你作過我的高臺, 在我急難的日子作過我的避難所。
Fa izaho kosa dia hihira ny herinao, ary hihoby ny famindram-ponao nony maraina, satria fiarovana avo ho ahy Hianao, ary fandosirako amin’ ny andro fahoriana.
17 我的力量啊,我要歌頌你; 因為上帝是我的高臺, 是賜恩與我的上帝。
Ry Heriko ô, Hianao no hankalazaiko; fa Andriamanitra no fiarovana avo ho ahy, dia Andriamanitra Izay mamindra fo amiko.

< 詩篇 59 >