< 詩篇 57 >

1 大衛逃避掃羅,藏在洞裏。那時,他作這金詩,交與伶長。調用休要毀壞。 上帝啊,求你憐憫我,憐憫我! 因為我的心投靠你。 我要投靠在你翅膀的蔭下, 等到災害過去。
Ho an’ ny mpiventy hira. Al-tasheth. Miktama nataon’ i Davida tamin’ ny nandosirany an’ i Saoly tao anaty zohy. Mamindrà fo amiko. Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko; fa Hianao no ialofan’ ny fanahiko; eny, ao amin’ ny aloky ny elatrao no ialofako, mandra-pahalasan’ ny loza.
2 我要求告至高的上帝, 就是為我成全諸事的上帝。
Hitaraina amin’ Andriamanitra Avo Indrindra aho, dia amin’ Andriamanitra Izay mahatanteraka ho ahy.
3 那要吞我的人辱罵我的時候, 上帝從天上必施恩救我, 也必向我發出慈愛和誠實。
Haniraka avy any an-danitra Izy ka hamonjy ahy, raha miteny ratsy izay misafoaka manenjika ahy. (Sela) Eny, Andriamanitra haniraka ny famindram-pony sy ny fahamarinany.
4 我的性命在獅子中間; 我躺臥在性如烈火的世人當中。 他們的牙齒是槍、箭; 他們的舌頭是快刀。
Ny fanahiko dia eo afovoan’ ny liona; handry eo amin’ ny masiaka aho, dia eo amin’ ny zanak’ olombelona, ― lefona sy zana-tsipìka ny nifiny, ary sabatra maranitra ny lelany.
5 上帝啊,願你崇高過於諸天! 願你的榮耀高過全地!
Misandrata any ambonin’ ny lanitra Hianao, Andriamanitra ô! aoka ho ambonin’ ny tany rehetra ny voninahitrao.
6 他們為我的腳設下網羅,壓制我的心; 他們在我面前挖了坑,自己反掉在其中。 (細拉)
Efa namela-pandrika harato haningotra ny diako izy, ary nampitanondrika ny fanahiko; nihady lavaka teo anoloako izy, kanjo ny tenany ihany no latsaka ao anatiny. (Sela)
7 上帝啊,我心堅定,我心堅定; 我要唱詩,我要歌頌!
Tafatoetra ny foko, Andriamanitra ô, eny, tafatoetra ny foko; hihira sy hankalaza aho.
8 我的靈啊,你當醒起! 琴瑟啊,你們當醒起! 我自己要極早醒起!
Mifohaza, ry voninahitro; mifohaza ry valiha sy lokanga; hifoha maraina koa aho.
9 主啊,我要在萬民中稱謝你, 在列邦中歌頌你!
Hidera Anao eny amin’ ny vahoaka aho, Tompo ô, hankalaza Anao eny amin’ ny firenena aho.
10 因為,你的慈愛高及諸天; 你的誠實達到穹蒼。
Fa lehibe mihatra amin’ ny lanitra ny famindram-ponao, ary mihatra amin’ ny rahona ny fahamarinanao.
11 上帝啊,願你崇高過於諸天! 願你的榮耀高過全地!
Misandrata any ambonin’ ny lanitra Hianao, Andriamanitra ô; aoka ho ambonin’ ny tany rehetra ny voninahitrao.

< 詩篇 57 >