< 詩篇 47 >

1 可拉後裔的詩,交與伶長。 萬民哪,你們都要拍掌! 要用誇勝的聲音向上帝呼喊!
Ho an’ ny mpiventy hira. Nataon’ ny Koraïta. Salamo. Mitehafa tanana, ry firenena rehetra; mihobia ho an’ Andriamanitra.
2 因為耶和華至高者是可畏的; 他是治理全地的大君王。
Fa Jehovah no avo indrindra ka tokony hatahorana; Mpanjaka lehibe ambonin’ ny tany rehetra Izy.
3 他叫萬民服在我們以下, 又叫列邦服在我們腳下。
Mandresy firenena maro Izy ho ambanintsika, ary firenen-tsamy hafa ho ambanin’ ny tongotsika.
4 他為我們選擇產業, 就是他所愛之雅各的榮耀。 (細拉)
Mifidy ny lovantsika ho antsika Izy, dia ny voninahitr’ i Jakoba izay tiany. (Sela)
5 上帝上升,有喊聲相送; 耶和華上升,有角聲相送。
Efa niakatra tamin’ ny fihobiana Andriamanitra, Jehovah niakatra tamin’ ny fitsofana ny anjomara.
6 你們要向上帝歌頌,歌頌! 向我們王歌頌,歌頌!
Mankalazà an’ Andriamanitra, eny mankalazà; mankalazà ny Mpanjakantsika, eny, mankalazà.
7 因為上帝是全地的王; 你們要用悟性歌頌。
Fa Mpanjaka amin’ ny tany rehetra Andriamanitra; mahaiza mankalaza tsara ianareo.
8 上帝作王治理萬國; 上帝坐在他的聖寶座上。
Andriamanitra manjaka amin’ ny firenen-tsamy hafa; Andriamanitra mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianany masìna.
9 列邦的君王聚集要作亞伯拉罕之上帝的民。 因為世界的盾牌是屬上帝的; 他為至高!
Ny mpanapaka ny firenen-tsamy hafa miangona ho olon’ Andriamanitr’ i Abrahama; fa an’ Andriamanitra ny ampingan’ ny tany; Avo indrindra Izy.

< 詩篇 47 >