< 詩篇 45 >

1 可拉後裔的訓誨詩,又是愛慕歌,交與伶長。調用百合花。 我心裏湧出美辭; 我論到我為王做的事, 我的舌頭是快手筆。
Ho an’ ny mpiventy hira. Al-shoshanim. Nataon’ ny Koraïta. Maskila. Tonon-kiram-pitiavana. Mampiboiboika teny tsara ny foko; miteny aho, ka ny hilaza ny mpanjaka no teny ataoko; fanoratan’ ny faingan-tsoratra ny lelako.
2 你比世人更美; 在你嘴裏滿有恩惠; 所以上帝賜福給你,直到永遠。
Tsara tarehy noho ny zanak’ olombelona ianao; fahasoavana no naidina tamin’ ny molotrao; izany no nitahian’ Andriamanitra anao mandrakizay.
3 大能者啊,願你腰間佩刀, 大有榮耀和威嚴!
Fehezo eo am-balahanao ny sabatrao, ry ilay mahery, dia ny fiandriananao sy ny voninahitrao.
4 為真理、謙卑、公義赫然坐車前往,無不得勝; 你的右手必顯明可畏的事。
Ary mitangena handroso soa aman-tsara amin’ ny voninahitrao, noho ny teny marina ny fahalemem-panahim-pahamamarinana; ary hampianatra anao zava-mahatsiravina ny tananao ankavanana.
5 你的箭鋒快,射中王敵之心; 萬民仆倒在你以下。
Ny zana-tsipìkanao dia voaranitra ― Firenena maro no ringana ka hitsakitsahinao ― ka mitsatoka ao am-pon’ ny fahavalon’ ny mpanjaka.
6 上帝啊,你的寶座是永永遠遠的; 你的國權是正直的。
Ny seza fiandriananao, Andriamanitra ô, dia mandrakizay doria; tehim-pahamarinana ny tehim-panjakanao.
7 你喜愛公義,恨惡罪惡; 所以上帝-就是你的上帝-用喜樂油膏你, 勝過膏你的同伴。
Tianao ny fahamarinana, fa halanao ny heloka; koa Andriamanitra, dia Andriamanitrao, efa nanoso-diloilo fifaliana anao mihoatra noho ny namanao.
8 你的衣服都有沒藥、沉香、肉桂的香氣; 象牙宮中有絲弦樂器的聲音使你歡喜。
Miora sy hazo manitra ary kasia ny fitafianao rehetra, zava-maneno avy ao amin’ ny lapa ivory no mampifaly anao.
9 有君王的女兒在你尊貴婦女之中; 王后佩戴俄斐金飾站在你右邊。
Zanakavavin’ andriamanjaka no isan’ ny malalanao; eo ankavananao no itoeran’ ny vadin’ ny mpanjaka, miravaka volamena avy any Ofira.
10 女子啊,你要聽,要想,要側耳而聽! 不要記念你的民和你的父家,
Henoy, razazavavy, dia jereo, ka atongilano ny sofinao, ary hadinoy ny firenenao sy ny tranon-drainao;
11 王就羨慕你的美貌; 因為他是你的主,你當敬拜他。
Raha irin’ ny mpanjaka ny hatsaran-tarehinao ― fa izy no tomponao ― dia miankohofa eo anatrehany.
12 泰爾的民必來送禮; 民中的富足人也必向你求恩。
Ary ny zanakavavin’ i Tyro hitondra fanatitra; eny, ny manan-karena amin’ ny vahoaka hila sitraka aminao.
13 王女在宮裏極其榮華; 她的衣服是用金線繡的。
Be voninahitra ny zanakavavin’ ny mpanjaka ao anaty trano; tenona misy volamena no fitafiany.
14 她要穿錦繡的衣服,被引到王前; 隨從她的陪伴童女也要被帶到你面前。
Mitafy lamba misoratsoratra izy ka entina ho ao amin’ ny mpanjaka: ny zazavavy sakaizany izay manaraka azy dia entina ao aminao.
15 她們要歡喜快樂被引導; 她們要進入王宮。
Entina amin’ ny fifaliana sy ny firavoravoana ireny; hiditra ao an-dapan’ ny mpanjaka izy.
16 你的子孫要接續你的列祖; 你要立他們在全地作王。
Ho solon-drainao ny zanakao, hotendrenao ho mpanapaka eny amin’ ny tany rehetra izy.
17 我必叫你的名被萬代記念, 所以萬民要永永遠遠稱謝你。
Hampahatsiaro ny anaranao hatramin’ ny taranaka fara mandimby aho. Izany rehetra izany no hideran’ ny firenena anao mandrakizay doria.

< 詩篇 45 >