< 詩篇 41 >

1 大衛的詩,交與伶長。 眷顧貧窮的有福了! 他遭難的日子,耶和華必搭救他。
Ho an’ ny mpiventy hira. Salamo nataon’ i Davida. Sambatra izay mahatsiaro ny malahelo; Jehovah hamonjy azy amin’ ny andro fahoriana.
2 耶和華必保全他,使他存活; 他必在地上享福。 求你不要把他交給仇敵,遂其所願。
Jehovah hitandrina sy hiaro azy tsy ho faty; hatao ho sambatra ambonin’ ny tany izy, ary tsy mba hatolotrao amin’ ny sitrapon’ ny fahavalony.
3 他病重在榻,耶和華必扶持他; 他在病中,你必給他鋪床。
Jehovah hanohana azy eo ambonin’ ny farafara hitsaboana azy. Ny fandriany rehetra eo am-paharariany dia hovanao.
4 我曾說:耶和華啊,求你憐恤我,醫治我! 因為我得罪了你。
Hoy izaho: Jehovah ô, mamindrà fo amiko; sitrano ny fanahiko, fa efa nanota taminao aho.
5 我的仇敵用惡言議論我說: 他幾時死,他的名才滅亡呢?
Ny fahavaloko maniry ahy ho simba ka manao hoe: Rahoviana no ho faty izy, ka ho very ny anarany?
6 他來看我就說假話; 他心存奸惡,走到外邊才說出來。
Ary raha avy mamangy, izy dia miteny zava-poana; ny fony mamory faharatsiana ho an’ ny tenany; mivoaka eny ivelany izy ka milazalaza.
7 一切恨我的,都交頭接耳地議論我; 他們設計要害我。
Mitakoritsika ahy izay rehetra mankahala ahy; misaina hanisy ratsy ahy izy.
8 他們說:有怪病貼在他身上; 他已躺臥,必不能再起來。
Tena zava-dratsy, hoy izy, no aidina aminy; ary raha mandry izy dia tsy hitsangana intsony.
9 連我知己的朋友, 我所倚靠、吃過我飯的也用腳踢我。
Eny, ny sakaizako, izay maha-toky ahy sady nihinana ny haniko, no nanangana ny ombelahin-tongony hamely ahy.
10 耶和華啊,求你憐恤我, 使我起來,好報復他們!
Fa ianao kosa Jehovah ô, mamindrà fo amiko, ka atsangano aho mba hamaliako azy.
11 因我的仇敵不得向我誇勝, 我從此便知道你喜愛我。
Izao no hahafantarako fa mankasitraka ahy Hianao, dia ny tsy anakoran’ ny fahavaloko ahy.
12 你因我純正就扶持我, 使我永遠站在你的面前。
Ary ny amiko, dia manohana ahy amin’ ny fahitsiako Hianao, ka mampitoetra ahy eo anatrehanao mandrakizay.
13 耶和華-以色列的上帝是應當稱頌的, 從亙古直到永遠。阿們!阿們!
Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, hatramin’ ny taloha indrindra ka mandrakizay. Amena dia Amena.

< 詩篇 41 >