< 詩篇 30 >

1 大衛在獻殿的時候,作這詩歌。 耶和華啊,我要尊崇你, 因為你曾提拔我,不叫仇敵向我誇耀。
Salamo. Fihirana tamin’ ny nitokanana ny trano. Nataon’ i Davida. Hanandratra Anao aho, Jehovah ô; fa nanintona ahy niakatra Hianao, ka tsy nataonao ho fifalian’ ny fahavaloko aho.
2 耶和華-我的上帝啊, 我曾呼求你,你醫治了我。
Jehovah Andriamanitro ô, nitaraina taminao aho, dia nahasitrana ahy Hianao.
3 耶和華啊,你曾把我的靈魂從陰間救上來, 使我存活,不至於下坑。 (Sheol h7585)
Jehovah ô, efa nampakatra ny fanahiko avy tany amin’ ny fiainan-tsi-hita Hianao; efa nampody ny aiko Hianao, mba tsy ho isan’ izay midìna any an-davaka aho. (Sheol h7585)
4 耶和華的聖民哪,你們要歌頌他, 稱讚他可記念的聖名。
Mankalazà an’ i Jehovah, ry olony masìna, ka miderà ny anarany masìna.
5 因為,他的怒氣不過是轉眼之間; 他的恩典乃是一生之久。 一宿雖然有哭泣, 早晨便必歡呼。
Fa indray mipi-maso ihany ny fahatezerany; nefa mandritra ny andro iainana kosa ny fankasitrahany; amin’ ny hariva dia misy fitomaniana tonga hivahiny miloaka alina; Fa nony maraina kosa dia misy fihobiana.
6 至於我,我凡事平順,便說: 我永不動搖。
Ary hoy izaho, raha mbola niadana: tsy hangozohozo mandrakizay aho.
7 耶和華啊,你曾施恩,叫我的江山穩固; 你掩了面,我就驚惶。
Jehovah ô, noho ny fankasitrahanao dia nampitoerinao mafy ny tendrombohitro; nanafina ny tavanao Hianao, dia ory aho.
8 耶和華啊,我曾求告你; 我向耶和華懇求,說:
Hianao no nantsoiko, Jehovah ô; ary Jehovah no nifonako hoe:
9 我被害流血,下到坑中,有甚麼益處呢? 塵土豈能稱讚你,傳說你的誠實嗎?
Inona no soa azo amin’ ny rako sy ny hidinako any an-davaka? Hidera Anao va ny vovoka? Hanambara ny fahamarinanao va izany?
10 耶和華啊,求你應允我,憐恤我! 耶和華啊,求你幫助我!
Mihainoa, Jehovah ô, ka mamindrà fo amiko; Jehovah ô, aoka ho Mpamonjy ahy Hianao.
11 你已將我的哀哭變為跳舞, 將我的麻衣脫去,給我披上喜樂,
Efa nampody ny fisaonako ho fandihizana Hianao; efa nanaisotra ny lamba fisaonako Hianao ka nampisikina ahy fifaliana,
12 好叫我的靈歌頌你,並不住聲。 耶和華-我的上帝啊,我要稱謝你,直到永遠!
Mba hankalazan’ ny fanahiko Anao ka tsy hangina. Jehovah Andriamanitro ô, hidera Anao mandrakizay aho.

< 詩篇 30 >