< 詩篇 21 >

1 大衛的詩,交與伶長。 耶和華啊,王必因你的能力歡喜; 因你的救恩,他的快樂何其大!
Ho an’ ny mpiventy hira. Salamo nataon’ i Davida. Jehovah ô, ny herinao no hifalian’ ny mpanjaka; ary endrey ny haben’ ny hiravoravoany amin’ ny famonjenao!
2 他心裏所願的,你已經賜給他; 他嘴唇所求的,你未嘗不應允。 (細拉)
Ny nirin’ ny fony dia nomenao azy, ary ny nangatahin’ ny molony tsy mba nolavinao. (Sela)
3 你以美福迎接他, 把精金的冠冕戴在他頭上。
Fa notsenainao fitahiana soa izy; teo an-dohany nasianao satro-boninahitra tena volamena.
4 他向你求壽,你便賜給他, 就是日子長久,直到永遠。
Aina no nangatahiny taminao, dia nomenao azy izany, dia andro lava mandrakizay doria.
5 他因你的救恩大有榮耀; 你又將尊榮威嚴加在他身上。
Lehibe ny voninahiny amin’ ny famonjenao; Laza sy voninahitra no nataonao taminy.
6 你使他有洪福,直到永遠, 又使他在你面前歡喜快樂。
Fa nataonao ho fitahiana mandrakizay izy; ampifalinao indrindra amin’ ny tavanao izy.
7 王倚靠耶和華, 因至高者的慈愛必不搖動。
Fa ny mpanjaka matoky an’ i Jehovah, ary noho ny famindram-pon’ ny Avo Indrindra dia tsy hangozohozo izy.
8 你的手要搜出你的一切仇敵; 你的右手要搜出那些恨你的人。
Ho azon’ ny tananao ny fahavalonao rehetra; eny, ho azon’ ny tananao ankavanana ny mankahala anao;
9 你發怒的時候,要使他們如在炎熱的火爐中。 耶和華要在他的震怒中吞滅他們; 那火要把他們燒盡了。
Hataonao tahaka ny fatana misy afo mirehitra izy amin’ ny andro hisehoanao, Jehovah handany azy amin’ ny fahatezerany, ary handevona azy ny afo.
10 你必從世上滅絕他們的子孫, 從人間滅絕他們的後裔。
Ny zanany haringanao tsy ho eo amin’ ny tany, ary ny taranany tsy ho eo amin’ ny zanak’ olombelona;
11 因為他們有意加害於你; 他們想出計謀,卻不能做成。
Fa nikasa hanisy ratsy anao izy, ka namoron-kevi-dratsy fa tsy nahefa.
12 你必使他們轉背逃跑, 向他們的臉搭箭在弦。
Fa hampiamboho azy ianao; ny tsipìkanao no ikendrenao ny tavany.
13 耶和華啊,願你因自己的能力顯為至高! 這樣,我們就唱詩,歌頌你的大能。
Misandrata amin’ ny herinao, Jehovah ô, hihira sy hankalaza ny herinao izahay.

< 詩篇 21 >