< 詩篇 2 >

1 外邦為甚麼爭鬧? 萬民為甚麼謀算虛妄的事?
Nahoana no mitabataba ny jentilisa, ary misaina anoano foana ny firenena?
2 世上的君王一齊起來, 臣宰一同商議, 要敵擋耶和華並他的受膏者,
Ireo mpanjakan’ ny tany mitsangana, Ary ny mpanapaka miara-mioko hanohitra an’ i Jehovah sy ny Mesiany ka manao hoe:
3 說:我們要掙開他們的捆綁, 脫去他們的繩索。
“Aoka hotosantsika ny famatorany, ka hariantsika hiala amintsika ny famehezany.”
4 那坐在天上的必發笑; 主必嗤笑他們。
Izay mipetraka any an-danitra mihomehy, ny Tompo maneso ireo.
5 那時,他要在怒中責備他們, 在烈怒中驚嚇他們,
Dia hiteny azy amin’ ny fahavinirany Izy ka hampangorohoro azy amin’ ny fahatezerany hoe:
6 說:我已經立我的君 在錫安-我的聖山上了。
“Izaho kosa efa nanendry ny Mpanjakako Tambonin’ i Ziona, tendrombohitro masìna.”
7 受膏者說:我要傳聖旨。 耶和華曾對我說:你是我的兒子, 我今日生你。
“Hilaza zava-boatendry Aho; Jehovah nilaza tamiko hoe: Zanako Hianao, Izaho niteraka anao androany.
8 你求我,我就將列國賜你為基業, 將地極賜你為田產。
Mangataha amiko, dia homeko ho lovanao ny jentilisa ary ny faran’ ny tany ho fanananao.
9 你必用鐵杖打破他們; 你必將他們如同窯匠的瓦器摔碎。
Hotorotoroinao amin’ ny tehim-by izy: toy ny famaky vilany tany no hanamontsamontsananao azy.”
10 現在,你們君王應當省悟! 你們世上的審判官該受管教!
Ary amin’ izany dia hendre ianareo, ry mpanjaka; minoa anatra ianareo, ry mpitsaran’ ny tany.
11 當存畏懼事奉耶和華, 又當存戰兢而快樂。
Manompoa an’ i Jehovah amin’ ny fahatahorana, ary mifalia amin’ ny fangovitana.
12 當以嘴親子,恐怕他發怒, 你們便在道中滅亡, 因為他的怒氣快要發作。 凡投靠他的,都是有福的。
Manoroha ny zanaka, fandrao ho tezitra izy, ka ho very eny an-dalana ianareo; fa vetivety dia hirehitra ny fahatezerany. Sambatra izay rehetra mialoka aminy.

< 詩篇 2 >