< 詩篇 115 >

1 耶和華啊,榮耀不要歸與我們, 不要歸與我們; 要因你的慈愛和誠實歸在你的名下!
Jehovah ô, aza izahay, aza izahay no omena voninahitra, Fa ny anaranao ihany, Noho ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao.
2 為何容外邦人說: 他們的上帝在哪裏呢?
Nahoana ny jentilisa no manao hoe: Aiza izay Andriamaniny?
3 然而,我們的上帝在天上, 都隨自己的意旨行事。
Nefa any an-danitra Andriamanitsika; Efa nanao izay sitrapony rehetra Izy.
4 他們的偶像是金的,銀的, 是人手所造的,
Volafotsy sy volamena ny sampin’ ireny, Asan’ ny tanan’ olona:
5 有口卻不能言, 有眼卻不能看,
Manam-bava izy, fa tsy miteny; Mana-maso izy, fa tsy mahita;
6 有耳卻不能聽, 有鼻卻不能聞,
Manan-tsofina izy, fa tsy mandre; Manana orona izy, fa tsy manimbolo:
7 有手卻不能摸, 有腳卻不能走, 有喉嚨也不能出聲。
Manan-tanana izy, fa tsy mandray; Manan-tongotra izy, fa tsy mandeha; Ary tsy mahaloa-peo ny tendany.
8 造他的要和他一樣; 凡靠他的也要如此。
Ho tahaka azy izay manao azy Sy izay rehetra matoky azy.
9 以色列啊,你要倚靠耶和華! 他是你的幫助和你的盾牌。
Ry Isiraely ô, matokia an’ i Jehovah; Heriny sy ampingany Izy.
10 亞倫家啊,你們要倚靠耶和華! 他是你們的幫助和你們的盾牌。
Ry taranak’ i Arona ô, matokia an’ i Jehovah; Heriny sy ampingany Izy.
11 你們敬畏耶和華的,要倚靠耶和華! 他是你們的幫助和你們的盾牌。
Hianareo izay matahotra an’ i Jehovah, matokia an’ i Jehovah; Heriny sy ampingany Izy.
12 耶和華向來眷念我們; 他還要賜福給我們: 要賜福給以色列的家, 賜福給亞倫的家。
Jehovah mahatsiaro ka mitahy antsika; Hitahy ny taranak’ i Isiraely Izy; Hitahy ny taranak’ i Arona Izy;
13 凡敬畏耶和華的,無論大小, 主必賜福給他。
Hotahiny izay matahotra an’ i Jehovah, Na ny kely na ny lehibe.
14 願耶和華叫你們 和你們的子孫日見加增。
Jehovah anie hampitombo anareo, Dia ianareo mbamin’ ny zanakareo.
15 你們蒙了造天地之耶和華的福!
Hitahy anareo anie Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany.
16 天,是耶和華的天; 地,他卻給了世人。
Ny lanitra dia an’ i Jehovah: fa ny tany nomeny ho an’ ny zanak’ olombelona.
17 死人不能讚美耶和華; 下到寂靜中的也都不能。
Ny maty tsy mba hidera an’ i Jehovah. Na izay midìna any amin’ ny mangingina;
18 但我們要稱頌耶和華, 從今時直到永遠。 你們要讚美耶和華!
Fa izahay hisaotra an’ i Jehovah Hatramin’ izao ka ho mandrakizay. Haleloia.

< 詩篇 115 >