< 箴言 3 >

1 我兒,不要忘記我的法則; 你心要謹守我的誡命;
Anaka, aza manadino ny lalàko; Fa aoka ny fonao hitandrina ny didiko;
2 因為它必將長久的日子, 生命的年數與平安,加給你。
Fa andro maro sy taona ela iainana Ary fiadanana no hanampiny ho anao.
3 不可使慈愛、誠實離開你, 要繫在你頸項上,刻在你心版上。
Aoka tsy handao anao ny famindram-po sy ny fahamarinana; Afehezo eo am-bozonao izany, Ary soraty ao amin’ ny fonao tahaka ny amin’ ny vato fisaka,
4 這樣,你必在上帝和世人眼前 蒙恩寵,有聰明。
Ka dia hahazo fitia sy fahalalana tsara Eo anatrehan’ Andriamanitra sy ny olona ianao.
5 你要專心仰賴耶和華, 不可倚靠自己的聰明,
Matokia an’ i Jehovah amin’ ny fonao rehetra, Fa aza miankina amin’ ny fahalalanao;
6 在你一切所行的事上都要認定他, 他必指引你的路。
Maneke Azy amin’ ny alehanao rehetra, Fa Izy handamina ny lalanao,
7 不要自以為有智慧; 要敬畏耶和華,遠離惡事。
Aza manao anao ho hendry; Matahora an’ i Jehovah, ka mifadia ny ratsy.
8 這便醫治你的肚臍, 滋潤你的百骨。
Dia ho famelombelomana ny nofonao izany Sy ho fanamandoana ny taolanao.
9 你要以財物 和一切初熟的土產尊榮耶和華。
Mankalazà an’ i Jehovah amin’ ny fanananao Sy amin’ izay voaloham-bokatrao rehetra;
10 這樣,你的倉房必充滿有餘; 你的酒醡有新酒盈溢。
Ka dia ho feno mitafotafo ny fitoeram-barinao, Ary hihoatra ny ranom-boaloboka eo amin’ ny vata fanantazanao.
11 我兒,你不可輕看耶和華的管教, 也不可厭煩他的責備;
Anaka, aza manamavo ny famaizan’ i Jehovah, Ary aza tofoka amin’ ny fananarany;
12 因為耶和華所愛的,他必責備, 正如父親責備所喜愛的兒子。
Fa izay tian’ i Jehovah no anariny, Dia tahaka ny ataon’ ny ray amin’ ny zanaka tiany.
13 得智慧,得聰明的, 這人便為有福。
Sambatra izay olona mahita fahendrena Sy izay olona mahazo fahalalana.
14 因為得智慧勝過得銀子, 其利益強如精金,
Fa ny fandrantoana azy dia tsara noho ny fandrantoana volafotsy, Ary ny tombom-barotra aminy dia mihoatra noho ny volamena tsara.
15 比珍珠寶貴; 你一切所喜愛的,都不足與比較。
Sarobidy noho ny voahangy izy; Ary izay rehetra irinao tsy misy azo ampitahaina aminy.
16 她右手有長壽, 左手有富貴。
Fa andro maro no eo an-tànany ankavanana; Ary harena sy voninahitra no eo an-tànany ankavia.
17 她的道是安樂; 她的路全是平安。
Làlana mahafinaritra ny lalany, Ary fiadanana ny alehany rehetra.
18 她與持守她的作生命樹; 持定她的,俱各有福。
Hazon’ aina ho an’ izay rehetra mifikitra aminy izy; Ary izay rehetra mitana azy no hatao hoe sambatra.
19 耶和華以智慧立地, 以聰明定天,
Fahendrena no nanorenan’ i Jehovah ny tany, Ary fahalalana no nampitoerany ny lanitra.
20 以知識使深淵裂開, 使天空滴下甘露。
Ny fahalalany no entiny mampiboiboika ny rano any amin’ ny lalina Sy ampitetevany ando avy amin’ ny rahona.
21 我兒,要謹守真智慧和謀略, 不可使她離開你的眼目。
Anaka, aoka tsy hiala amin’ ny masonao izany; Raketo ny tena fahendrena sy ny fisainana mazava,
22 這樣,她必作你的生命, 頸項的美飾。
Ka dia ho ain’ ny fanahinao izany Ary ho firavaky ny vozonao,
23 你就坦然行路, 不致碰腳。
Dia handroso aman-toky ianao, Ka tsy ho tafintohina ny tongotrao.
24 你躺下,必不懼怕; 你躺臥,睡得香甜。
Tsy hatahotra ianao, raha mandry; Eny, handry ianao, ary ho mamy ny torimasonao.
25 忽然來的驚恐,不要害怕; 惡人遭毀滅,也不要恐懼。
Aza manahy ny tahotra avy tampoka, Na ny rivo-doza mamely ny ratsy fanahy, raha avy izany;
26 因為耶和華是你所倚靠的; 他必保守你的腳不陷入網羅。
Fa Jehovah no ho tokinao Ka hiambina ny tongotrao tsy ho voafandrika.
27 你手若有行善的力量,不可推辭, 就當向那應得的人施行。
Aza mamihina ny soa amin’ izay tokony homena azy, Raha azon’ ny tananao atao ihany;
28 你那裏若有現成的,不可對鄰舍說: 去吧,明天再來,我必給你。
Aza manao amin’ ny namanao hoe: Mandehana, ka avia indray, fa rahampitso no homeko; Kanefa manana ihany ianao.
29 你的鄰舍既在你附近安居, 你不可設計害他。
Aza mamorona sain-dratsy ho enti-mamely ny namanao, Saingy mitoetra matoky eo aminao izy.
30 人未曾加害與你, 不可無故與他相爭。
Aza miady amin’ olona foana, Raha tsy mbola nanisy ratsy anao izy.
31 不可嫉妒強暴的人, 也不可選擇他所行的路。
Aza mialona ny olon-dozabe, Na mifidy izay lalany akory,
32 因為,乖僻人為耶和華所憎惡; 正直人為他所親密。
Satria fahavetavetana eo imason’ i Jehovah ny maniasia, Fa ao amin’ ny marina kosa ny fisakaizany.
33 耶和華咒詛惡人的家庭, 賜福與義人的居所。
Ny ozon’ i Jehovah dia ao an-tranon’ ny ratsy fanahy; Fa ny fonenan’ ny marina dia tahìny kosa.
34 他譏誚那好譏誚的人, 賜恩給謙卑的人。
Na dia tsiratsirainy aza ny mpaniratsira, Dia omeny fahasoavana kosa ny mpandefitra.
35 智慧人必承受尊榮; 愚昧人高升也成為羞辱。
Ny hendry handova voninahitra; Fa henatra kosa no ho anjaran’ ny adala.

< 箴言 3 >