< 箴言 2 >

1 我兒,你若領受我的言語, 存記我的命令,
Anaka, raha raisinao ny teniko, Ary raketinao ao am-ponao ny didiko,
2 側耳聽智慧, 專心求聰明,
Ka atongilanao amin’ ny fahendrena ny sofinao, Ary ampitandremanao fahalalana ny fonao;
3 呼求明哲, 揚聲求聰明,
Eny, raha miantso ny fahalalana ianao Ary manandratra ny feonao hahazo saina,
4 尋找它,如尋找銀子, 搜求它,如搜求隱藏的珍寶,
Raha mitady azy toy ny fitady volafotsy ianao Ary mikatsaka azy toy ny fikatsaka harena afenina:
5 你就明白敬畏耶和華, 得以認識上帝。
Dia ho fantatrao marina ny fahatahorana an’ i Jehovah, Ary ho hitanao ny fahalalana an’ Andriamanitra.
6 因為,耶和華賜人智慧; 知識和聰明都由他口而出。
Fa Jehovah no manome fahendrena; Avy amin’ ny vavany no ihavian’ ny fahalalana sy ny fahazavan-tsaina.
7 他給正直人存留真智慧, 給行為純正的人作盾牌,
Izy mitahiry fanambinanaho an’ ny mahitsy Sady ampingan’ izay mandeha tsy misy tsiny;
8 為要保守公平人的路, 護庇虔敬人的道。
Ka dia mitandrina ny lalan’ ny fahamarinana Izy Ary miambina ny lalan’ ny olony masìna.
9 你也必明白仁義、公平、 正直、一切的善道。
Ary amin’ izay dia ho fantatrao ny fahamarinana sy ny rariny Ary ny hitsiny, dia ny lalana tsara rehetra.
10 智慧必入你心; 你的靈要以知識為美。
Raha latsaka ao am-ponao ny fahendrena, Ary mamin’ ny fanahinao ny fahalalana,
11 謀略必護衛你; 聰明必保守你,
Dia hiaro anao ny fisainana mazava, Ary hiambina anao ny fahalalana,
12 要救你脫離惡道, 脫離說乖謬話的人。
Ka hamonjy anao amin’ ny lalan-dratsy Sy amin’ ny lehilahy izay miteny fitaka,
13 那等人捨棄正直的路, 行走黑暗的道,
Izay mahafoy ny lalan’ ny fahamarinana Mba hizorany amin’ ny lalan’ ny fahamaizinana,
14 歡喜作惡, 喜愛惡人的乖僻,
Dia izay faly hanao ratsy Sy finaritra amin’ ny fitaky ny ratsy,
15 在他們的道中彎曲, 在他們的路上偏僻。
Dia izay melo-dalana Sy maniasia amin’ ny alehany;
16 智慧要救你脫離淫婦, 就是那油嘴滑舌的外女。
Ary hamonjy anao amin’ ny vehivavy jejo koa izany, Dia amin’ ny vahiny janga izay mandrobo amin’ ny teniny,
17 她離棄幼年的配偶, 忘了上帝的盟約。
Izay mahafoy ny vadin’ ny fahatanorany Sy manadino ny fanekeny teo amin’ Andriamaniny.
18 她的家陷入死地; 她的路偏向陰間。 (questioned)
Fa ny tranony milentika ho amin’ ny fahafatesana, Ary ny alehany mankany amin’ ny maty.
19 凡到她那裏去的,不得轉回, 也得不着生命的路。
Tsy misy afa-miverina izay mankany aminy, Na mihazo amin’ ny lalan’ aina,
20 智慧必使你行善人的道, 守義人的路。
Handehananao amin’ ny lalan’ ny tsara fanahy Sy hitandremanao ny alehan’ ny marina.
21 正直人必在世上居住; 完全人必在地上存留。
Fa ny olona mahitsy no honina amin’ ny tany, Ary ny tsy manan-tsiny ihany no ho sisa mitoetra ao;
22 惟有惡人必然剪除; 奸詐的,必然拔出。
Fa ny ratsy fanahy kosa hofongorana amin’ ny tany, Ary ny mpivadika hongotana.

< 箴言 2 >