< 民數記 9 >

1 以色列人出埃及地以後,第二年正月,耶和華在西奈的曠野吩咐摩西說:
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy tany an-efitr’ i Sinay tamin’ ny volana voalohany tamin’ ny taona faharoa taorian’ ny nivoahany avy tany amin’ ny tany Egypta ka nanao hoe:
2 「以色列人應當在所定的日期守逾越節,
Aoka hotandreman’ ny Zanak’ Isiraely ny Paska amin’ ny fotoany.
3 就是本月十四日黃昏的時候,你們要在所定的日期守這節,要按這節的律例典章而守。」
Amin’ ny harivan’ ny andro fahefatra ambin’ ny folo amin’ ity volana ity no hitandremanareo azy amin’ ny fotoany; araka ny didy sy ny fanao rehetra aminy no hitandremanareo azy.
4 於是摩西吩咐以色列人守逾越節。
Ary Mosesy niteny tamin’ ny Zanak’ Isiraely mba hitandrina ny Paska.
5 他們就在西奈的曠野,正月十四日黃昏的時候,守逾越節。凡耶和華所吩咐摩西的,以色列人都照樣行了。
Dia nitandrina ny Paska tany an-efitr’ i Sinay izy tamin’ ny harivan’ ny andro fahefatra ambin’ ny folo tamin’ ny volana voalohany; araka izay rehetra efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy no nataon’ ny Zanak’ Isiraely.
6 有幾個人因死屍而不潔淨,不能在那日守逾越節。當日他們到摩西、亞倫面前,
Ary nisy olona sasany izay naloto tamim-paty ka tsy nahazo nitandrina ny Paska tamin’ izany andro izany; dia nankeo anatrehan’ i Mosesy sy Arona izy tamin’ izany andro izany
7 說:「我們雖因死屍而不潔淨,為何被阻止、不得同以色列人在所定的日期獻耶和華的供物呢?」
ka nanao taminy hoe: Maloto tamim-paty izahay, ka nahoana no sakanana tsy hiaraka amin’ ny Zanak’ Isiraely hanatitra ny fanatitra ho an’ i Jehovah amin’ ny fotoany?
8 摩西對他們說:「你們暫且等候,我可以去聽耶和華指着你們是怎樣吩咐的。」
Fa hoy Mosesy taminy: Andraso aloha, fa hanontaniako izay handidian’ i Jehovah ny aminareo.
9 耶和華對摩西說:
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
10 「你曉諭以色列人說:你們和你們後代中,若有人因死屍而不潔淨,或在遠方行路,還要向耶和華守逾越節。
Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Raha misy olona eo aminareo, na eo amin’ ny taranakareo hatramin’ ny fara mandimby, maloto amim-paty, na lasan-davitra, dia mbola hitandrina ny Paska ho an’ i Jehovah ihany koa izy.
11 他們要在二月十四日黃昏的時候,守逾越節。要用無酵餅與苦菜,和逾越節的羊羔同吃。
Amin’ ny harivan’ ny andro fahefatra ambin’ ny folo amin’ ny volana faharoa no hitandremany azy; ary hampiarahina amin’ ny mofo tsy misy masirasira sy ny anana mangidy no fihinany azy.
12 一點不可留到早晨;羊羔的骨頭一根也不可折斷。他們要照逾越節的一切律例而守。
Aza avela hasiany sisa ho tra-maraina, ary aza avela hisy hotapahiny ny taolany; araka ny lalàna rehetra ny amin’ ny Paska ihany koa no hitandremany azy.
13 那潔淨而不行路的人若推辭不守逾越節,那人要從民中剪除;因為他在所定的日期不獻耶和華的供物,應該擔當他的罪。
Fa ny olona izay madio sady tsy lasan-davitra, nefa tsy mety mitandrina ny Paska, dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny, satria tsy nanatitra ny fanatitra ho an’ i Jehovah tamin’ ny fotoany izy; ho meloka izany olona izany.
14 若有外人寄居在你們中間,願意向耶和華守逾越節,他要照逾越節的律例典章行,不管是寄居的是本地人,同歸一例。」
Ary raha misy mivahiny eo aminareo ka mba te-hitandrina ny Paska ho an’ i Jehovah, dia araka ny didy sy ny fanao amin’ ny Paska ihany no hanaovany azy; lalàna iray ihany no ho aminareo, na vahiny, na tompon-tany.
15 立起帳幕的那日,有雲彩遮蓋帳幕,就是法櫃的帳幕;從晚上到早晨,雲彩在其上,形狀如火。
Ary tamin’ ny andro izay nananganana ny tabernakely ny rahona dia nanarona ny tabernakely, dia ny trano-lain’ ny Vavolombelona; ary nony hariva dia niseho teo ambonin’ ny tabernakely tahaka ny afo izy mandra-pahamarain’ ny andro.
16 常是這樣,雲彩遮蓋帳幕,夜間形狀如火。
Dia toy izany mandrakariva izy: ny rahona nanarona azy, nefa niseho tahaka ny afo izy nony alina.
17 雲彩幾時從帳幕收上去,以色列人就幾時起行;雲彩在哪裏停住,以色列人就在那裏安營。
Ary rehefa niakatra niala tamin’ ny tranolay ny rahona, dia niainga ny Zanak’ Isiraely, ka teo amin’ izay nijanonan’ ny rahona no nitobiany.
18 以色列人遵耶和華的吩咐起行,也遵耶和華的吩咐安營。雲彩在帳幕上停住幾時,他們就住營幾時。
Araka ny didin’ i Jehovah no niaingan’ ny Zanak’ Isiraely, ary araka ny didin’ i Jehovah koa no nitobiany; tamin’ ny andro rehetra izay nijanonan’ ny rahona teo ambonin’ ny tabernakely no nitobiany.
19 雲彩在帳幕上停留許多日子,以色列人就守耶和華所吩咐的不起行。
Ary na dia nijanona ela teo ambonin’ ny tabernakely aza ny rahona, dia nitandrina izay nasain’ i Jehovah notandremana ihany ny Zanak’ Isiraely ka tsy niainga.
20 有時雲彩在帳幕上幾天,他們就照耶和華的吩咐住營,也照耶和華的吩咐起行。
Fa indraindray kosa dia andro vitsy ihany no nijanonan’ ny rahona teo ambonin’ ny tabernakely; araka ny didin’ i Jehovah ihany no nitobiany, ary araka ny didin’ i Jehovah no niaingany.
21 有時從晚上到早晨,有這雲彩在帳幕上;早晨雲彩收上去,他們就起行。有時晝夜雲彩停在帳幕上,收上去的時候,他們就起行。
Ary indraindray kosa dia nijanona hatramin’ ny hariva ka hatramin’ ny maraina ihany ny rahona, ary raha niakatra izy nony maraina, dia niainga ny Zanak’ Isiraely; koa na andro na alina no niakaran’ ny rahona, dia niainga izy.
22 雲彩停留在帳幕上,無論是兩天,是一月,是一年,以色列人就住營不起行;但雲彩收上去,他們就起行。
Ary na indroa andro, na iray volana, na ela aza, no nijanonan’ ny rahona teo ambonin’ ny tabernakely dia mbola nitoby ihany ny Zanak’ Isiraely, fa tsy niainga; fa raha niakatra kosa ny rahona, dia niainga izy.
23 他們遵耶和華的吩咐安營,也遵耶和華的吩咐起行。他們守耶和華所吩咐的,都是憑耶和華吩咐摩西的。
Araka ny didin’ i Jehovah no nitobiany, ary araka ny didin’ i Jehovah no niaingany; nitandrina izay nasain’ i Jehovah notandremany izy, araka ny tenin’ i Jehovah izay nampitondrainy an’ i Mosesy.

< 民數記 9 >