< 民數記 27 >

1 屬約瑟的兒子瑪拿西的各族,有瑪拿西的玄孫,瑪吉的曾孫,基列的孫子,希弗的兒子西羅非哈的女兒,名叫瑪拉、挪阿、曷拉、密迦、得撒。她們前來,
Ary avy ny zanakavavin’ i Zelofada, zanakalahin’ i Hefera, zanak’ i Gileada, zanak’ i Makira, zanak’ i Manase, avy tamin’ ny fokon’ i Manase, zanak i Josefa (ary izao no anarany: Mahala sy Noa sy Hogla sy Milka ary Tirza),
2 站在會幕門口,在摩西和祭司以利亞撒,並眾首領與全會眾面前,說:
dia nitsangana teo anatrehan’ i Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny lohan’ ny fiangonana sy ny fiangonana rehetra, teo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana izy ka nanao hoe:
3 「我們的父親死在曠野。他不與可拉同黨聚集攻擊耶和華,是在自己罪中死的;他也沒有兒子。
Ny rainay dia maty tany an-efitra, kanefa tsy mba isan’ ny antokon’ i Kora izay niangona hiodina tamin’ i Jehovah tsy akory; fa matin’ ny fahotany ihany izy, nefa tsy nanan-janakalahy.
4 為甚麼因我們的父親沒有兒子就把他的名從他族中除掉呢?求你們在我們父親的弟兄中分給我們產業。」
Nahoana ny rainay no ho fati-maso eo amin’ ny fokony, na dia tsy nanan-janakalahy aza izy? mba omeo zara-tany eo amin’ ny rahalahin’ ny rainay izahay.
5 於是,摩西將她們的案件呈到耶和華面前。
Ary nalahatr’ i Mosesy teo anatrehan’ i Jehovah ny tenin’ ireo.
6 耶和華曉諭摩西說:
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
7 「西羅非哈的女兒說得有理。你定要在她們父親的弟兄中,把地分給她們為業;要將她們父親的產業歸給她們。
Marina ny tenin’ ny zanakavavin’ i Zelofada: omeo zara-tany eo amin’ ny rahalahin-drainy tokoa izy; dia ampandovay ny zara-tanin-drainy izy.
8 你也要曉諭以色列人說:『人若死了沒有兒子,就要把他的產業歸給他的女兒。
Ary lazao amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Raha misy lehilahy maty ka tsy manan-janakalahy, dia ny zananivavy no hampandovainareo ny zara-taniny.
9 他若沒有女兒,就要把他的產業給他的弟兄。
Ary raha tsy manan-janakavavy izy, dia ny rahalahiny no homenareo ny zara-taniny.
10 他若沒有弟兄,就要把他的產業給他父親的弟兄。
Ary raha tsy manan-drahalahy izy, dia ny rahalahin-drainy no homenareo ny zara-taniny.
11 他父親若沒有弟兄,就要把他的產業給他族中最近的親屬,他便要得為業。』這要作以色列人的律例典章,是照耶和華吩咐摩西的。」
Ary raha tsy manan-drahalahy ny rainy, dia ny havany akaiky azy amin’ ny fokony no homenareo ny zara-taniny, ka izy no handova azy: ho lalàna hitondrana ny Zanak’ Isiraely izany araka izay nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
12 耶和華對摩西說:「你上這亞巴琳山,觀看我所賜給以色列人的地。
Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Miakara amin’ ity tendrombohitra Abarima ity, ka tazano ny tany izay omeko ny Zanak’ Isiraely.
13 看了以後,你也必歸到你列祖那裏,像你哥哥亞倫一樣。
Ary rehefa hitanao izany, dia hangonina any amin’ ny razanao koa ianao, tahaka izay nanangonana an’ i Arona rahalahinao;
14 因為你們在尋的曠野,當會眾爭鬧的時候,違背了我的命,沒有在湧水之地、會眾眼前尊我為聖。」(這水就是尋的曠野加低斯米利巴水。)
fa nandà ny teniko ianareo tany an-efitra Zina, tamin’ ilay nilan’ ny fiangonana ady, ka tsy nanamasina Ahy teo amin’ ny rano teo imasony. (Izany no ranon’ i Meriba any Kadesy any an-efitra Zina.)
15 摩西對耶和華說:
Ary Mosesy niteny tamin’ i Jehovah hoe:
16 「願耶和華萬人之靈的上帝,立一個人治理會眾,
Aoka Jehovah, Andriamanitry ny fanahin’ ny nofo rehetra, hanendry lehilahy izay hitandrina ny fiangonana
17 可以在他們面前出入,也可以引導他們,免得耶和華的會眾如同沒有牧人的羊群一般。」
ka hivoaka sy hiditra eo alohany ary hitarika azy hivoaka sy hiditra, mba tsy ho tahaka ny ondry tsy misy mpiandry ny fiangonan’ i Jehovah.
18 耶和華對摩西說:「嫩的兒子約書亞是心中有聖靈的;你將他領來,按手在他頭上,
Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Alao ho anao Josoa, zanak’ i Nona, lehilahy izay manam-panahy, ka ametraho ny tananao izy;
19 使他站在祭司以利亞撒和全會眾面前,囑咐他,
ary asaovy mijoro eo anatrehan’ i Eleazara mpisorona sy ny fiangonana rehetra izy, ka mandidia azy eo imasony ianao.
20 又將你的尊榮給他幾分,使以色列全會眾都聽從他。
Dia anomezo azy ny voninahitrao, mba hihainoan’ ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra azy.
21 他要站在祭司以利亞撒面前;以利亞撒要憑烏陵的判斷,在耶和華面前為他求問。他和以色列全會眾都要遵以利亞撒的命出入。」
Ary Josoa hijanona eo anatrehan’ i Eleazara mpisorona, izay hanadina amin’ ny fitsaran’ i Orima eo anatrehan’ i Jehovah ho azy; araka ny teniny no hivoahany, ary araka ny teniny no hidirany, dia izy sy ny Zanak’ Isiraely rehetra, dia ny fiangonana rehetra.
22 於是摩西照耶和華所吩咐的將約書亞領來,使他站在祭司以利亞撒和全會眾面前,
Ary nataon’ i Mosesy araka izay efa nandidian’ i Jehovah azy; dia naka an’ i Josoa izy ka nampijoro azy teo anatrehan’ i Eleazara mpisorona sy ny fiangonana rehetra
23 按手在他頭上,囑咐他,是照耶和華藉摩西所說的話。
ka nametraka ny tànany taminy ary nandidy azy, araka ny tenin’ i Jehovah izay nampitondrainy an’ i Mosesy.

< 民數記 27 >