< 利未記 23 >

1 耶和華對摩西說:
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
2 「你曉諭以色列人說:耶和華的節期,你們要宣告為聖會的節期。
Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Ny amin’ ny fotoam-pivavahana voatendrin’ i Jehovah, izay hantsoinareo ho fivoriana masìna, dia izao no izy:
3 六日要做工,第七日是聖安息日,當有聖會;你們甚麼工都不可做。這是在你們一切的住處向耶和華守的安息日。
Henemana no hanaovana raharaha; fa ny andro fahafito dia tena andro fitsaharana, dia fivoriana masìna; aza manao raharaha akory ianareo, fa Sabata ho an’ i Jehovah eny amin’ izay fonenanareo rehetra izany.
4 耶和華的節期,就是你們到了日期要宣告為聖會的,乃是這些。」
Izao no fotoam-pivavahana voatendrin’ i Jehovah, dia fivoriana masìna hantsoinareo amin’ ny fotoany avy:
5 「正月十四日,黃昏的時候,是耶和華的逾越節。
Ny andro fahefatra ambin’ ny folo amin’ ny volana voalohany, rehefa hariva, dia Paskan’ i Jehovah.
6 這月十五日是向耶和華守的無酵節;你們要吃無酵餅七日。
Ary ny andro fahadimy ambin’ ny folo amin’ izany volana izany dia andro firavoravoana ho an’ i Jehovah, fihinanana ny mofo tsy misy masirasira; hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy masirasira.
7 第一日當有聖會,甚麼勞碌的工都不可做;
Ary amin’ ny andro voalohany dia hisy fivoriana masìna ho anareo: aza manao tao-zavatra akory ianareo;
8 要將火祭獻給耶和華七日。第七日是聖會,甚麼勞碌的工都不可做。」
fa manatera fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah hafitoana; ary amin’ ny andro fahafito dia hisy fivoriana masìna koa; aza manao tao-zavatra akory ianareo.
9 耶和華對摩西說:
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
10 「你曉諭以色列人說:你們到了我賜給你們的地,收割莊稼的時候,要將初熟的莊稼一捆帶給祭司。
Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Rehefa tonga any amin’ ny tany izay omeko anareo ianareo ka hijinja ny vokatra any, dia mitondrà amboara iray amin’ ny voaloham-bokatrareo ho any amin’ ny mpisorona ianareo;
11 他要把這一捆在耶和華面前搖一搖,使你們得蒙悅納。祭司要在安息日的次日把這捆搖一搖。
ary hanevaheva ny amboara eo anatrehan’ i Jehovah izy, hankasitrahana anareo; amin’ ny ampitson’ ny Sabata no hanevahevan’ ny mpisorona azy.
12 搖這捆的日子,你們要把一歲、沒有殘疾的公綿羊羔獻給耶和華為燔祭。
Ary amin’ izay andro hanevahevanareo ny amboara dia manatera zanak’ ondrilahy tsy misy kilema izay iray taona ho fanatitra dorana ho an’ i Jehovah.
13 同獻的素祭,就是調油的細麵伊法十分之二,作為馨香的火祭,獻給耶和華。同獻的奠祭,要酒一欣四分之一。
Ary ny fanatitra hohanina momba azy dia koba tsara toto roa ampahafolon’ ny efaha voaharo diloilo hatao fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah; ary ny fanatitra aidina momba azy dia divay ampahefatry ny hina.
14 無論是餅,是烘的子粒,是新穗子,你們都不可吃,直等到把你們獻給上帝的供物帶來的那一天才可以吃。這在你們一切的住處作為世世代代永遠的定例。」
Ary aza mihinana mofo, na lango, na salohim-bary maitso, mandra-pahatongan’ ny andro izay hitondranareo fanatitra ho an’ Andriamanitrareo; ho lalàna mandrakizay amin’ ny taranakareo hatramin’ ny fara mandimby izany eny amin’ izay fonenanareo rehetra.
15 「你們要從安息日的次日,獻禾捆為搖祭的那日算起,要滿了七個安息日。
Ary manisà ho anareo hatramin’ ny ampitson’ ny Sabata, dia hatramin’ izay andro itondranareo ny amboara ho fanatitra ahevaheva, dia fito herinandro mipaka.
16 到第七個安息日的次日,共計五十天,又要將新素祭獻給耶和華。
Dia amin’ ny ampitson’ ny Sabata fahafito no hahataperan’ ny andro dimam-polo hisainareo, dia manatera fanatitra hohanina vaovao ho an’ i Jehovah indray.
17 要從你們的住處取出細麵伊法十分之二,加酵,烤成兩個搖祭的餅,當作初熟之物獻給耶和華。
Ary mitondrà mofo roa avy amin’ ny fonenanareo ho fanatitra ahevaheva; hatao amin’ ny koba tsara toto roa ampahafolon’ ny efaha izy ka hasiana masirasira raha hendasina; voaloham-bokatra ho an’ i Jehovah izany.
18 又要將一歲、沒有殘疾的羊羔七隻、公牛犢一隻、公綿羊兩隻,和餅一同奉上。這些與同獻的素祭和奠祭要作為燔祭獻給耶和華,就是作馨香的火祭獻給耶和華。
Ary manatera miaraka amin’ ny mofo zanak’ ondrilahy fito tsy misy kilema, izay iray taona, sy vantotr’ ombilahy iray ary ondrilahy roa hatao fanatitra dorana ho an’ i Jehovah ireo mbamin’ ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia hanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah.
19 你們要獻一隻公山羊為贖罪祭,兩隻一歲的公綿羊羔為平安祭。
Dia manatera osilahy iray ho fanatitra noho ny ota sy zanak’ ondrilahy roa izay iray taona ho fanati-pihavanana.
20 祭司要把這些和初熟麥子做的餅一同作搖祭,在耶和華面前搖一搖;這是獻與耶和華為聖物歸給祭司的。
Ary ny mpisorona hahevaheva ireo mbamin’ ny mofon’ ny voaloham-bokatra ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’ i Jehovah mbamin’ ny zanak’ ondrilahy roa koa; ireo dia ho masìna ho an’ i Jehovah ho anjaran’ ny mpisorona.
21 當這日,你們要宣告聖會;甚麼勞碌的工都不可做。這在你們一切的住處作為世世代代永遠的定例。
Ary miantsoa izany andro izany ho fivoriana masìna ho anareo, ka aza manao tao-zavatra akory; ho lalàna mandrakizay amin’ ny taranakareo hatramin’ ny fara mandimby izany eny amin’ izay fonenanareo rehetra.
22 「在你們的地收割莊稼,不可割盡田角,也不可拾取所遺落的;要留給窮人和寄居的。我是耶和華-你們的上帝。」
Ary raha mijinja ny vokatry ny tanimbarinareo ianareo, dia aza jinjana avokoa ny eny an-tsisiny, ary aza tsimponina izay latsaka avy amin’ ny vokatrao, fa avelao ho an’ ny malahelo sy ny vahiny izany: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
23 耶和華對摩西說:
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
24 「你曉諭以色列人說:七月初一,你們要守為聖安息日,要吹角作紀念,當有聖會。
Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Ny andro voalohany amin’ ny volana fahafito dia ho andro fitsaharana ho anareo, dia fahatsiarovana amin’ ny fitsofana trompetra, ho fivoriana masìna.
25 甚麼勞碌的工都不可做;要將火祭獻給耶和華。」
Aza manao tao-zavatra akory ianareo; fa manatera fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah.
26 耶和華曉諭摩西說:
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
27 「七月初十是贖罪日;你們要守為聖會,並要刻苦己心,也要將火祭獻給耶和華。
Ary amin’ ny andro fahafolo amin’ izany volana fahafito izany (dia ny andro fanavotana) hisy fivoriana masìna ho anareo; ary hampahory ny tenanareo ianareo ka hanatitra fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah.
28 當這日,甚麼工都不可做;因為是贖罪日,要在耶和華-你們的上帝面前贖罪。
Ary aza manao raharaha akory amin’ izany andro izany; fa andro fanavotana izany, hanaovana fanavotana ho anareo eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrareo.
29 當這日,凡不刻苦己心的,必從民中剪除。
Fa ny olona rehetra izay tsy mety miory amin’ izany andro izany dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny.
30 凡這日做甚麼工的,我必將他從民中除滅。
Ary ny olona rehetra izay manao raharaha akory amin’ izany andro izany dia hofongorako tsy ho amin’ ny fireneny.
31 你們甚麼工都不可做。這在你們一切的住處作為世世代代永遠的定例。
Aza manao raharaha akory; ho lalàna mandrakizay amin’ ny taranakareo hatramin’ ny fara mandimby izany eny amin’ izay rehetra honenanareo.
32 你們要守這日為聖安息日,並要刻苦己心。從這月初九日晚上到次日晚上,要守為安息日。」
Ho tena andro fitsaharana ho anareo izany, ary hampahory ny tenanareo ianareo; amin’ ny andro fahasivy amin’ ny volana, rehefa hariva dia hatramin’ ny hariva ka hatramin’ ny ampitso hariva no hitandremanareo ny andro fitsaharanareo.
33 耶和華對摩西說:
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
34 「你曉諭以色列人說:這七月十五日是住棚節,要在耶和華面前守這節七日。
Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Amin’ ny andro fahadimy ambin’ ny folo amin’ izany volana fahafolo izany no hiantombohan’ ny andro firavoravoana fitoerana amin’ ny trano rantsan-kazo hafitoana ho an’ i Jehovah.
35 第一日當有聖會,甚麼勞碌的工都不可做。
Amin’ ny andro voalohany dia hisy fivoriana masìna: aza manao tao-zavatra akory.
36 七日內要將火祭獻給耶和華。第八日當守聖會,要將火祭獻給耶和華。這是嚴肅會,甚麼勞碌的工都不可做。
Hafitoana no hanateranareo fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah; ary amin’ ny andro fahavalo dia hisy fivoriana masìna ho anareo koa, ka hanatitra fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah ianareo; fara-fivoriana izany, koa aza manao tao-zavatra akory.
37 「這是耶和華的節期,就是你們要宣告為聖會的節期;要將火祭、燔祭、素祭、祭物,並奠祭,各歸各日,獻給耶和華。
Ireo no fotoam-pivavahana voatendrin’ i Jehovah, ka hantsoinareo ho fivoriana masìna, hanaterana fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah, dia fanatitra dorana sy fanatitra hohanina sy fanatitra hafa alatsa-drà sy fanatitra aidina, samy amin’ ny fotoany avy izy rehetra,
38 這是在耶和華的安息日以外,又在你們的供物和所許的願,並甘心獻給耶和華的以外。
afa-tsy izay fanao amin’ ny Sabatan’ i Jehovah sy ny zavatra omenareo sy ny fanatitra rehetra hanalanareo voady ary ny fanati-tsitraponareo rehetra, izay omenareo ho an’ i Jehovah.
39 「你們收藏了地的出產,就從七月十五日起,要守耶和華的節七日。第一日為聖安息;第八日也為聖安息。
Ary amin’ ny andro fahadimy ambin’ ny folo amin’ ny volana fahafito, raha manangona ny vokatry ny tany ianareo, dia tandremo ny andro firavoravoana hafitoana ho an’ i Jehovah; ny andro voalohany dia andro fitsaharana, ary ny andro fahavalo dia andro fitsaharana koa.
40 第一日要拿美好樹上的果子和棕樹上的枝子,與茂密樹的枝條並河旁的柳枝,在耶和華-你們的上帝面前歡樂七日。
Ary amin’ ny andro voalohany dia makà voan’ ny hazo tsara tarehy, dia sampan-drofia sy rantsan’ ny hazo mikirindro ary hazomalahelo amoron’ ny renirano, ho anareo; dia mifalia hafitoana eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrareo ianareo.
41 每年七月間,要向耶和華守這節七日。這為你們世世代代永遠的定例。
Ary tandremo izany ho andro firavoravoana ho an’ i Jehovah hafitoana isan-taona. Ho lalàna mandrakizay amin’ ny taranakareo hatramin’ ny fara mandimby izany; amin’ ny volana fahafito no hitandremanareo azy.
42 你們要住在棚裏七日;凡以色列家的人都要住在棚裏,
Ao amin’ ny trano rantsan-kazo no hitoeranareo hafitoana; ny tompon-tany rehetra amin’ ny Zanak’ Isiraely dia samy hitoetra ao amin’ ny trano rantsan-kazo avokoa,
43 好叫你們世世代代知道,我領以色列人出埃及地的時候曾使他們住在棚裏。我是耶和華-你們的上帝。」
mba ho fantatry ny taranakareo fa nampilasy ny Zanak’ Isiraely tao amin’ ny trano rantsan-kazo Aho, raha nitondra azy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
44 於是,摩西將耶和華的節期傳給以色列人。
Ary Mosesy dia nilaza tamin’ ny Zanak’ Isiraely ny fotoam-pivavahana voatendrin’ i Jehovah.

< 利未記 23 >