< 利未記 22 >

1 耶和華對摩西說:
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy, ka nanao hoe:
2 「你吩咐亞倫和他子孫說:要遠離以色列人所分別為聖、歸給我的聖物,免得褻瀆我的聖名。我是耶和華。
Mitenena amin’ i Arona sy ny zanany mba hitandremany ny amin’ ny tsy hanakekeny ny zava-masìna izay hamasinin’ ny Zanak’ Isiraely ho Ahy tsy hanamavoany ny anarako masìna: Izaho no Jehovah.
3 你要對他們說:你們世世代代的後裔,凡身上有污穢、親近以色列人所分別為聖、歸耶和華聖物的,那人必在我面前剪除。我是耶和華。
Lazao aminy hoe: Izay rehetra maloto amin’ ny zanakareo, hatramin’ ny taranakareo fara mandimby, nefa manakaiky ny zava-masìna izay hamasinin’ ny Zanak’ Isiraely ho an’ i Jehovah, dia hofongorana tsy ho eo anatrehako: Izaho no Jehovah.
4 亞倫的後裔,凡長大痲瘋的,或是有漏症的,不可吃聖物,直等他潔淨了。無論誰摸那因死屍不潔淨的物,或是遺精的人,
Na iza na iza amin’ ny taranak’ i Arona no boka na marary mitsika dia tsy hihinana ny zava-masìna mandra-pahadiony. Ary izay rehetra mikasika izay maloto amim-paty, na izay lehilahy nialan’ ny azy,
5 或是摸甚麼使他不潔淨的爬物,或是摸那使他不潔淨的人(不拘那人有甚麼不潔淨),
na izay mikasika biby mandady na mikisaka izay mahaloto, na lehilahy izay mahaloto, na inona na inona no fahalotoany,
6 摸了這些人、物的,必不潔淨到晚上;若不用水洗身,就不可吃聖物。
ny olona izay mikasika izany dia haloto mandra-paharivan’ ny andro ka tsy hihinana amin’ ny zava-masìna, raha tsy mandro amin’ ny rano.
7 日落的時候,他就潔淨了,然後可以吃聖物,因為這是他的食物。
Ary rehefa milentika ny masoandro, dia hadio izy, ka vao izay no mahazo mihinana amin’ ny zava-masìna, satria fihinany izany.
8 自死的或是被野獸撕裂的,他不可吃,因此污穢自己。我是耶和華。
Izay maty ho azy, na izay noviravirain-biby, dia tsy hohaniny, mba tsy hahaloto azy: Izaho no Jehovah.
9 所以他們要守我所吩咐的,免得輕忽了,因此擔罪而死。我是叫他們成聖的耶和華。
Ary aoka hitandrina izay nasaiko tandremana izy, fandrao ho meloka noho izany izy ka ho fatin’ ny nanamavoany azy: Izaho Jehovah no manamasìna azy.
10 「凡外人不可吃聖物;寄居在祭司家的,或是雇工人,都不可吃聖物;
Ary aza avela hisy olon-kafa hihinana zava-masìna; na izay mivahiny ao amin’ ny mpisorona, na izay mpikarama, dia samy tsy mahazo mihinana zava-masìna.
11 倘若祭司買人,是他的錢買的,那人就可以吃聖物;生在他家的人也可以吃。
Fa raha misy olona novidin’ ny mpisorona, dia hahazo mihinana amin’ izany ihany izy; ary ny ompikeliny hahazo mihinana amin’ ny fihinan’ ny mpisorona koa.
12 祭司的女兒若嫁外人,就不可吃舉祭的聖物。
Ary raha misy zanakavavin’ ny mpisorona manambady olon-kafa, dia tsy hihinana amin’ ny fanatitra avy amin’ ny zava-masìna izy.
13 但祭司的女兒若是寡婦,或是被休的,沒有孩子,又歸回父家,與她青年一樣,就可以吃她父親的食物;只是外人不可吃。
Fa raha misy zanakavavin’ ny mpisorona maty vady, na efa nisaorana, ka tsy manan-janaka, ary mody any an-tranon-drainy izy toy ny fony izy mbola kely, dia mahazo mihinana ny fihinan-drainy ihany izy; fa aoka tsy hisy olon-kafa hihinana izany.
14 若有人誤吃了聖物,要照聖物的原數加上五分之一交給祭司。
Ary raha misy olona mihinana tsy nahy amin’ ny zava-masìna, dia honerany ny zava-masìna ka homeny ny mpisorona sady hampiany ho tonga avy fahenina:
15 祭司不可褻瀆以色列人所獻給耶和華的聖物,
Ary aoka tsy hisy hametaveta ny zava-masin’ ny Zanak’ Isiraely, izay ateriny ho an’ i Jehovah,
16 免得他們在吃聖物上自取罪孽,因為我是叫他們成聖的耶和華。」
na hahatonga ota aman-keloka noho ny nihinanany ny zava-masiny; fa Izaho Jehovah no manamasìna azy.
17 耶和華對摩西說:
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
18 「你曉諭亞倫和他子孫,並以色列眾人說:以色列家中的人,或在以色列中寄居的,凡獻供物,無論是所許的願,是甘心獻的,就是獻給耶和華作燔祭的,
Mitenena amin’ i Arona sy ny zanany ary ny zanak’ Isiraely rehetra hoe: Na iza na iza amin’ ny taranak’ Isiraely, na amin’ ny vahiny eo amin’ ny Isiraely, no manatitra ny fanatiny ho fanatitra hanalany voady na ho fanati-tsitrapony, izay hateriny ho an’ i Jehovah ho fanatitra dorana,
19 要將沒有殘疾的公牛,或是綿羊,或是山羊獻上,如此方蒙悅納。
dia lahy tsy misy kilema no hateriny, na omby izany, na zanak’ ondry, na osy, mba hankasitrahana anareo.
20 凡有殘疾的,你們不可獻上,因為這不蒙悅納。
Izay rehetra misy kilema dia tsy haterinareo; fa tsy hankasitrahana anareo izany.
21 凡從牛群或是羊群中,將平安祭獻給耶和華,為要還特許的願,或是作甘心獻的,所獻的必純全無殘疾的才蒙悅納。
Ary raha misy manatitra fanati-pihavanana ho an’ i Jehovah, na ho fanatitra hanalany voady, na ho fanati-tsitrapo, na omby izany, na ondry, na osy, dia ny tsara izay tsy misy kilema na kely akory aza no hateriny mba hankasitrahana azy.
22 瞎眼的、折傷的、殘廢的、有瘤子的、長癬的、長疥的都不可獻給耶和華,也不可在壇上作為火祭獻給耶和華。
Fa ny jamba na ny misy tapaka, na ny kilemaina, na ny ferena, na ny boka, na ny kongonina, dia izany no tsy haterinareo ho an’ i Jehovah, na hataonareo fanatitra amin’ ny afo eo ambonin’ ny alitara ho an’ i Jehovah.
23 無論是公牛是綿羊羔,若肢體有餘的,或是缺少的,只可作甘心祭獻上;用以還願,卻不蒙悅納。
Na omby, na ondry, na osy, izay misy sampona, dia azonao haterina ho fanati-tsitrapo; fa raha atao fanatitra hanalam-boady, dia tsy hankasitrahana izy.
24 腎子損傷的,或是壓碎的,或是破裂的,或是騸了的,不可獻給耶和華,在你們的地上也不可這樣行。
Izay voaporitra, na voatoro, na voaombotra, na voadidy ho afaka ny vihiny, dia tsy azonareo aterina ho an’ i Jehovah; ary aza manao izany eo amin’ ny taninareo.
25 這類的物,你們從外人的手,一樣也不可接受作你們上帝的食物獻上;因為這些都有損壞,有殘疾,不蒙悅納。」
Ary raha misy entin’ olona hafa firenena aza izany zavatra izany, dia tsy azonareo haterina ho hanin’ Andriamanitrareo, satria efa simba izy ka misy kilema; tsy mba hankasitrahana anareo izany.
26 耶和華曉諭摩西說:
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
27 「才生的公牛,或是綿羊或是山羊,七天當跟着母;從第八天以後,可以當供物蒙悅納,作為耶和華的火祭。
Raha misy omby, na ondry, na osy, vao teraka, dia hitoetra amin-dreniny hafitoana izy; fa rehefa hatramin’ ny andro fahavalo no ho miakatra, dia hankasitrahana izy, raha atao fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah.
28 無論是母牛是母羊,不可同日宰母和子。
Ary ny ombivavy, na ny ondrivavy, na ny osivavy, dia tsy hovonoinareo indray andro izy sy ny zanany.
29 你們獻感謝祭給耶和華,要獻得可蒙悅納。
Ary raha mamono zavatra hatao fanati-pisaorana ho an’ i Jehovah ianareo, dia amin’ izay hankasitrahana anareo no hamonoanareo azy.
30 要當天吃,一點不可留到早晨。我是耶和華。
Amin’ izany andro izany ihany no hihinanana azy, fa aza amelana ho tra-maraina: Izaho no Jehovah
31 「你們要謹守遵行我的誡命。我是耶和華。
Ary tandremo ny didiko, ka araho izany: Izaho no Jehovah.
32 你們不可褻瀆我的聖名;我在以色列人中,卻要被尊為聖。我是叫你們成聖的耶和華,
Ary aza manamavo ny anarako masìna; fa hohamasinina eo amin’ ny Zanak’ Isiraely Aho: Izaho Jehovah,
33 把你們從埃及地領出來,作你們的上帝。我是耶和華。」
Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta mba ho Andriamanitrareo, no manamasìna anareo; Izaho no Jehovah.

< 利未記 22 >